Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsaoka: a.: Fiondrehan'ny loha sy fanantazan-tanana ho mari-panajana, 1 Fanehoampanajana fanao am in' Andriamanitra. - t.i.f.: Tsaohina, voatsaoka / mitsaoka, fitsaoka, mpitsaoka / itsaohana, fitsaohana / mahatsaoka. Ahitsio
Tsaontsaona: a.: Fitriatriaran' ny vava manao teny tsy voahevitra; teny tafahoatra tsy amim-piheverana. - t.i.f.: Tafatsaontsaona 1 mitsaontsaona, fitsaontsaona, mpitsaontsaona / itsaontsaonana, fitsaontsaonana 1 mahatsaontsaona. - F,-p,: Tsaontsaom-bava: tsy mahatam-bava, be haimbava. ¶ M.h.: Vatsavatsa, karijo, kamentsona, pentsompentsona. Ahitsio
Tsaotsao: ft.: Niavian'ny matsaotsao, mitsaotsao. Ahitsio
Tsapa: a.: Fikasihana zavatra amin'ny tanana mba hamantarana azy: Tsapa sokin-dRanona ka ny azo ihany no avadibadika (Ohab.). * Fanaovana izay hahafantarana ny maha-izy ny zavatra iray, fizahana toetra. * Famangiana fahoriana. • mt. ih.: Hita, voamarika: Tsapako fa misy lanjany ny teny malagasy. - t.i.f.: Tsapaina, voatsapa 1 mitsapa, fitsapa, mpitsapa 1 itsapana, fitsapana 1 mahatsapa 1 tsapatsapa. Ahitsio
Tsapahana: (tsapaka) mt, ih. (tsapaho): Idirana: Notsapahan'ny mpanao be hariva ny sahanay. ? Trobarana: Notsapahany lefompohy ny tratran'ilay niady taminy, Ahitsio
Tsapaina: (tsapa) mt. ih. (tsapao): Kasihina amin'ny ta-nana: Tsy azo tsapain-tanana ny vokatry ny asa saina. ? Pondipondena: Tsapao keiy ange ho hitanao ny hatavin'ity uorona ity e! 1 Adinina: Notsapaina tamin'ny resaka sy ny marika ny fahaizako. ? Andramana: Rahouiana no hotsapaina ilay ombinareo uao nofoiahina? * Fantarina amin'ny alalan' ny fanontaniana; harofana, anaovana don-tandroka: Notsapaiko izay tena heviny marina. • Zahana toetra: Matetika ny olo-marina no tsapain'Andriamanitra amin' ny fakam-panahy masiaka dia masiaka. Ahitsio
Tsapaka: a.: Fidirana avy hatrany ao anatin'ny...; fandentehana ao anaty zavatra ka tsy misy manohana. - t.i.f.: Tsapahana, atsapaka, voatsapaka, tsinapaka, tafatsapaka 1 manatsapaka, fanatsapaka, mpanatsapaka 1 anatsapahana, fanatsapahana 1 mitsapaka, fitsapaka, mpitsapaka / itsapahana, fitsapahana 1 mahatsapaka 1 tsapatsapaka. Ahitsio
Tsapika: na Tsapitika p.t.: Kely madinika. • Mandringa kely somary mitongilana rehefa mandeha fa tsy ampy halavana ny tongotra ilany. - F,-p.: Tsapik'olona, tsapitik'olona, tsapitiny: fohy, keliray na kelireny. Ahitsio
Tsapodilana: p.t.: (fihasimban' ny Tsako dilana) Mahantra, ory, sahirana amin'ny fiai-nana. - t.i.f•: Mitsapodilana. Ahitsio
Tsapokony: a.: Jer. Sapokony. Ahitsio
Tsapola:Fiteny betsimisaraka ilazana fa mbola tsy vita ny zavatra iray Ohatra: vita ve ny nahandro? Tsapola no valiny Ahitsio
Tsaporano: a : Fitsakoana na fihinanana hanina miaraka amin'ny rano. Ahitsio
Tsaporetika: a.: Jer. Poretika. Ahitsio
Tsaporitika: a.: Voronkely lava volom-body, mavomavo vasobasoka, tsy manidina avo fa any amin'ny lobolobo iva; ny fanenony dia miretidretika mitovitovy tantana, ka avy amin'izany no nahatonga ny anarany. Ahitsio
Tsara: p.t.: Mahafinaritra jeu-na: Tsara izany raha trano, 1 Manana toetra maha-izy azy: Fanjaitra tsara. * Manana toetra takin'ny raharahany, mahafatra-po: Mpampianatra tsara; renim-pianakaviana tsara, • Manana ny toetra ilaina ara-pitondran-tena; tsy misy hokianina: Olona tsara Rakoto. ? Vita tomombana ka mahatonga higàga; kanto: Tsara izay lahateny nataon-dRakoto izay! • Soa, mahasoa: Tsara ny heuitra nomeny ahy. • Mahomby, mahasoa, misy vokany: Fanafody tsara; famaizana tsara. 1 Mety: Tsara ny mangina raha misy miteny. i t,if: Hatsaraina, voatsara 1 manatsara, fanatsara, mpanatsara / anatsarana, fanatsarana / mahatsara I mihatsara 1 hatsara, hatsarana, fahatsarana. - F.p,: Manao tsara ihany Andriana: fiarahabana fanao amin'ny mpanjaka. / Tsara fanahy: enti-milaza toetra mendrika, malemy fanahy ary manana fandavan-tena hanasoa ny hafa. / Tsara fa tsy angatra: filazana fa tena tsars fa tsy fanatsarana fotsiny. / Tsara fo: ilazana ny olona miramirana, tsy mba tezitezi-poana ary mora mamela ny hadisoan'ny sasany taminy. / Tsara tany: ilazana ny olona tsy miadiady amin'ny hafa ka tian'ny mpiara-monina. / Tsara va, Tompoko: fiarahabana fanao raha Andriana ilay arahabaina. / Veloma soava tsarà: sady fanaovam-beloma no firarian-tsoa. ¶ M.h.: Tsara fanahy, malemy fanahy, malemy paika, mazava fo, mazava saina, tsopo, antra olona, be indrafo, malala-tanana, mora hatonina, mora hiraharahana, mamy hoditra, mahafoy tena, be fahafoizan-tena, mahay mandray olona, mahay olona, manana hatsaram-panahy, tsara toetra, olo-marina, olom-banona, fototr'olona. — Tsara tarehy, meva, noro, mahafinaritra, mahafatifaty, misy endrika, mahatehotia, hafa kely, baondy, loditra, sady taviny no volony. Ahitsio
Tsara: a.: Fanaovana izay hahafantarana ny marina, ny rariny; famakafakana sy fandanjalanjana atao mba hanavahana ny marina sy ny dise, ny tsara sy ny ratsy; fanapahana, fanelanelanana amin'ny olona miady. - t.i.f.: Tsaraina, voatsara 1 mitsara, fitsara, mpitsara 1 itsarana, fitsarana I mahatsara 1 hatsarana 1 fampitsarana. Ahitsio
Tsaraina: (tsara) mt. ih. (tsarao): Tapahina izay manana ny marina na ny diso, tapahina izay meloka sy izay manana ny rariny: Anio no hotsaraina ny adinay, 1 Lanjalanjaina ka tapahina ny momba,..: Notsaraina izy ka afaka tamin'ny karatra. Ahitsio
Tsaraingona: a.: Fisalovanana na fisosohana eo anoloan'ny olona; fitsabahana amin'ny raharahan'ny hafa; fanapahana ny tenin'olona mbolamitohy fa tsy mahandry. I Tsaraingonina, atsaraingona, voatsaraingona, tafatsaraingona 1 mitsaraingona, fitsaraingona, mpitsaraingona / itsaraingonana, fitsaraingonana / mahatsaraingona I tsaraingondraingona. Ahitsio
Tsaraingonina: (tsaraingona) mt. ih. (tsaraingony): Salovanina, tapahin-teny, tsatsaingonina: Aza tsaraingoninao ny olon-dehibe. Ahitsio
Tsaramaso: a.: Karazan'anana fihinam-boa ka misy fomba roa no ihinanana io voany io: na mbola tanora izy ka ao anaty hodi-boany no andrahoina (tsaramaso tanora no fiantso azy amin' izay), na efa voany matoy iena na maina, ka andrahoina alana amin'ny hodiny. Ahitsio