Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
TSARANDRO:Fomba fiarahabana misy mampiasa, dika malalaka avy amin'ny teny frantsay hoe "bonjour" Ahitsio
Tsarapahana: (tsarapaka) mt. ih. (tsarapaho): Enti-milaza izay anjerana na andatsahana na anosehana tampoka tsy nampoizina. Ahitsio
Tsarapaka: a.: Fianjerana tarnpoka tsy nampoizina ao anaty lavaka na rano na fandrika; filatsahana tsy nahy amin'ny toerana misy loza; fibolisarana ao anaty tevana... - t.i.f.: Tsarapahana, atsarapaka, voatsarapaka, tafatsarapaka J manatsarapaka, fanatsarapaka, mpanatsarapaka 1 anatsarapahana, fanatsarapahana 1 mitsarapaka, fitsarapaka, mpitsarapaka 1 itsarapahana, fitsarapahana 1 mahatsarapaka. Ahitsio
Tsararàka: a.: Ny feon'ny akanga somary lavareny. ~ Feo migadragadra na mikiririoka somary farimparina. ~ Feon'ny rano mivoaka ny fantsona... - t.i.f.: Atsararàka, voatsari!-ka, tafatsararàka 1 manatsararaka, fanatsararaka, mpanatsararaka 1 anatsararàhana, fanatsararàhana 1 mitsararàka, fitsararàka 1 mahatsararàka.• Ahitsio
tsaràva:firariana ny hafa ho tsara, teny fiarahabana andriana. ohatra : tsaràva tompoko Ahitsio
Tsaravelatsihy: ft.: Fisehoana ho tsara ety ivelany fotsiny, fanaovana zavatra mba hiheveran'ny olona ny tena ho toy izao sy toy izao. I t.if•: Mihatsaravelatsihy, fihatsaravelatsihy, mpihatsaravelatsihy 1 ilratsarambelatsihy, fihatsarambelatsihy, ¶ M. h.: Mihatsaravelatsihy, vandana ivoho, donga takona, manga ivelany toa goaika, manafin-kilema, joko tsoriaka, saka manafin-koho, ranomaso manentsin-keloka, miefitra anaty toa harefo, vazi-miamboho, voara feno vitsika, mangahazo lo aty, tsara volana imaso, tsara va-va, malefaka am-bava, vava tsy ratsy, manao sotrobe la-va tango mahay atsy mahay aroa, manao tantànan-dro a lela, joko tsoriaka mahasambo-kary. Ahitsio
Tsaroana: Tsarovina na Tsarovana (tsiaro) mt ih. (tsarouy): Averina ao an-tsaina indray, tadidina, tsy hohadinoina: Hotsaroako mandrakariva ny soa nataonao ahy. - F.-p.: Taon-dosa tsy tsaroana: enti-milaza ny hatsiaka mamirifiry izay toa tafahoatra noho ny tamin'ny taondasa. / Tsaroan'ny aina: ilazana ny zava-dehibe nihatra tamin'ny tena ka voasikotra ao am-po tsy mety hadino. J Tsy mahatsiaro tena: entimilaza ny olona torana na koa ny olona tsy mihevitra ny hajany fa mivarilavo amin'ny fitondran-tena ratsy. Ahitsio
Tsaroboka: Jer. Jaroboka. Ahitsio
Tsatohana: (tsatoka) mt. pdr. (tsatohy): Asiana (zavatra) mijoro tsy mihetsika, lentehana, joroana: Notsatohana hazo lava iray teo afovoan'ny tokotany. • lao.: Asiana, anaovana (teny) han-titra sy maharary: Notsatohako teny kely ny anao lahy ka niondrika tsy nahateny. Ahitsio
Tsatòka: a.: Vala kely hazo, misy varavarana mihantona mora milatsaka raha vao voatohina, ataon'ny olona ho famandriham-biby, toy ny lambo. Ahitsio
Tsàtoka: o.: Fijoroana tsy mihetsika; fampijoroana sy fandentehana zavatra tsy hihetsiketsika. - t.i.f.: Tsatbhana, atsatoka, voatsatoka, tafatsatoka I manatsatoka, fanatsatoka, mpanatsatoka 1 anatsatohana, fanatsatohana 1 mitsatoka, fitsatoka, mpitsatoka / itsatohana, fitsatohana 1 mahatsatoka. - Tsatok'andro: ny andro nifanekena sy nifanarahana. / Tsatokaty (jer. tsangambava). / Tsato-kazo: hazo atohana ny voly. J Tsato-pe: karazam-pamelezana ampiasain'ny mpanao daka mikendry ny taolam-pe. / Tsato-piso: faminavinàna tsy mifototra amin'ny zavatra mety hisy fa amin'ny kisendrasendra rano fotsiny. / Tsato-tokana: indray marnely fotsiny ihany. Ahitsio
Tsatòka: a.: Tsato-kazo lehibe marani-doha atao hanohana tsato-kazo kely madfnika mba hisakanana ny rano na hiarovana ny fefiloha tsy ho vaky. ~ Fanekena handoa vo-la amboniny raha tsy voaloa amin'ny fotoanany ny vola tsy mafntsy haloa, na koa vo-la omena hatao antoka amin' ny vola tokony haloa, ka very maina io raha diso ny paik'andro tokony handoavana ilay vola. - F.-p,: Manao tsatdka: manatsatoka hazo marani-doha hiaro ny fefiloha tsy ho vaky; manaiky handoa antoka amin'ny vola tokony haloa ' izay very mains raha diso ny paik'andro tokony handoavana ilay vo1a. Ahitsio
Tsatokaty: a.: Karazan-dovia lalina aty fasiana ro. ¶ M.h.: Tsangambava. Ahitsio
Tsatsà: ft: Fizarana mitovy. - t.i.f.: Voatsatsà / mitsatsà. Ahitsio
Tsatsahina: (tsatsàka) mt. ih. (tsatsàho): Fotsiana (enti-milaza ny vary totoina fanintelony mba ho fotsy tanteraka): Ny tsatsai-bary no tsatsahina mba ho fotsy tanteraka. Ahitsio
Tsatsaingoka: na Tsatsaingona a.: Fanembantsembanana olona miteny na fahamaikana hilaza alohan'ny rehetra ka mbola miteny ny hafa dia misosoka miteny koa. - t.i.f.: Tsatsaingonina, atsatsaingona, voatsatsaingona, tafatsatsaingona 1 mitsatsaingona, fitsatsaingona, mpitsatsaingona 1 itsatsaingonana, fitsatsaingonana I mahatsatsaingona I tsatsaingontsaingona. ¶ M.h.: Tsaraingona. Ahitsio
Tsatsaingonina: (tsatsaingona) ih. (tsatsaingony): Tapahin-teny. Ahitsio
Tsatsàka: a.: Fanafotsiana tanteraka ny vary totoina. - t.i.f.: Tsatsàhina, voatsatsàka 1 manatsatsàka, fanatsatsàka, mpanatsatsàka 1 anatsatsàhana, fanatsatsàhana I mitsatsàka, fitsatsàka, mpitsatsàka 1 itsatsàhana, fitsatsàhana 1 mahatsatsàka. Ahitsio
Tsatsakaotra: (tsatsaka, haotra) a.: Toa maradratra amin'ny nofo vokatry ny fihaotraorana lava sy mafy. Ahitsio
Tsatsatsatsa: a.: Ilazana ny fipitripitriky ny menaka mifangaro amin'ny rano ao anaty lapoaly; anambarana koa ny fitenenana haingana ataon' ny olona vavana toa miteniteny foana. - t.i.f.: Tafatsatsatsatsa J mitsatsatsatsa, fitsatsatsatsa, mpitsatsatsatsa 1 itsatsatsatsana, fitsatsatsatsana. Ahitsio