Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tresahina: (tresaka) mt. ih. (tresaho): Vakina sady verahina. Ahitsio
Tresaka: p.t.: Vaky sady mivava, misokatra. - t.i.f.: Tresahina, atresaka, voatresaka, tafatresaka / manatresaka, fanatresaka, mpanatresaka / anatresahana, f anatresahana 1 mitresaka, fitresaka, mpitresaka / itresahana, fitresahana 1 mahatresaka I tresatresaka. Ahitsio
Tresatra: Mitovy amin'ny Tresaka ihany. Ahitsio
Tretraka: a.: Ny nofo mikiraviravy eo ambany tendan' ny akoholahy: Tretrak'akoholahy. * F.-p.: Tretrak'akanjo: ilazana ny ilan'ny vozon'akanjo izay miforitra. * Ohab.: Mena ambanin'ny mena ohatra ny tretrak'akohoiahy: enti-milaza olona manam-pahefana, nefa mbola misy ambony noho izy. Ahitsio
Tretraka: (Tsm) a.: Faritra hatreo amin'ny tenda ka hatreo amin'ny tratra;tratramborona. Ahitsio
Tretrika: p, t.: Sambatra dia sambatra, finaritra sy man-dry feizay, tapi-paniriana. 1 t.i.f.: Mahatretrika / hatretrehana. Ahitsio
Tretroka: a.: Ny saoka mivalombalona manao ambaratonga noho ny hatavezana; saoka roa. - t.i.f.: Mitretroka. Ahitsio
Trevatreva: a.: Famindra na fandeha mivatravatra sy miriadriatra. - t.i.f.: Mitrevatreva, fitrevatreva, mpitrevatreva / itrevatrevana, fitrevatrevana. Ahitsio
Triarina: (triatra) mt. ih. (tria-ro): Rovitina, tatahana. Ahitsio
Triatra: p.t.: Rovitra, tataka: Triatra ny akanjoko. ? Vaky, tsefaka: Triatra ny rindrin' ity trano ity izany. - t.i.f,: Triarina, voatriatra / mandriatra, fandriatra, mpandriatra / andriarana, fandriarana I mitriatra, fitriatra 1 itriarana, fitriarana ( mahatriatra / triatriatra. Ahitsio
Tribitribika: na Tribitriby a.: Fahamaroana be dia be, hahohaho, pitipitika, tripitripika. - t.i.f.: Mitribitribika na mitribitriby. Ahitsio
Trifana: a.: Hamaimaizanahirifatra atsy hirifatra aroa. - t.i.f,: Trifanina, atrifana, voatrifana, tafatrifana I manatrifana, fanatrifana, mpanatrifana 1 anatrifanana, fanatrifanana / mitrifana, fitrifana, mpitrifana I itrifanana, fitrifanana 1 mahatrifana I trifantrifana / mikotrifantrifana, Ahitsio
Trifanina: (trifana) mt. ih. (trifano): Asaina mirifatra atsy mirifatra aroa. Ahitsio
Trifona: Mitovy amin'ny Trefona. Ahitsio
Trikatrika: sy Trikitriky a.: Hahiazana. ? Haraorao, harokoroko. •Kitoantoana. - t.i.f.: Mitrikatrika, fitxikatrika. Ahitsio
Trikitriky: a.: Jar. Trikatrika. Ahitsio
Trimo: a.: Anaran-kafa nilazana ny voay taloha. ? Olona vaventy be. Ahitsio
Trimobe: a.: Bibiolona voalaza ao amin'ny angano ho makadiry sy lozabe ary mpihinana olona. Ahitsio
Trimoka: Mitovy amin'ny Tsimoka. Ahitsio
Trina: a.: Hazo kely maniry amin'ny vatan'ny hazo hafa, izay atao koa hoe "hazomiavona". Ahitsio