Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Troka: (t. tr.) a.: Kibo. Ahitsio
Tromba: (Tsm) a.: Fanahy na avelon'ny mpanjaka na ny taranany, na avelon'olona nanan-daza teo amin'ny mpiara-belona taminy fahizay ka mitoetra miaraka aminy. — (fahazoan'ny maro azy) Aretina heverina ho avy amina fanahy manindry ka mampienjika sy mampanao fihetsehana hafahafa isan-karazany. ¶ M. h. : Aretinandriananahary, menabe, bilo. Ahitsio
Trompetra: (fr, trompette) a,: Zavamaneno misy fitsofana manokana, na maintipiso, sy pisit6, ary mihoronkorona indroa ny vatany. Ahitsio
Trona: a.: Feon'ny kisoakely (ny fampiasa matetika amin' izany anefa dia ny hoe trontrbna). ? Fisatrasatrana tsy avy miaina, fandre ataon'ny olona miala ailla na maxary mafy. - t.i.f.: Tafatrona / mitrona, fitrona, mpitrona / itronana, fitronana / mahatrona / trontrona. Ahitsio
Trondro: a.: Karazana hazandrano somary fisapisaka, ny tenany rakotra kira masaisa? ary manam-pitaovana ahafahany mihetsika ao anaty rano: vombony iray ao an-damosiny, fivoy milaha-droa eo ambany tratrany sy ambany kibony, fivoy iray indray ao am-poto-kibony, ary ny rambony, izay mikapoka miankavia sy miankavanana rehefa mitsoriaka izy; misy karazany roa ny trondro: ny trondron-dranomamy sy ny trondron-dranomasina; manatody ny trondro amin'ny fararano, izay foy amin'ny voalohandohan'ny ririnina. Anisan'ny tsara sy matsiro ny trondro;laokandrano, lao-ka. Ahitsio
Tronga: a.: Vody hazo; vatankazo.. - F.-p.: Vody tronga: vody taho; ny tapany ambany amin'ny tahom-boangahazo. Ahitsio
Trongisina: (trongy) mt. ih. (trongiso): Hadin'ny kisoa amin'ny vavany, hadin'ny angadinomby, tandroka...: Tsy misy hotrongisin'ny angadinomby tapak'andro akory io. Ahitsio
Trongo: sy Trongony a.: Teny enti-milaza ny kambon-kazo amin'ny tonony; fifadidiran' ny hazo; kitron-tanana... Ahitsio
Trongy: a.: Fihadiana, fihohazana ny tany amin'ny vava (kisoa), tandroka, angadinomby... - t.i.f : Trongisina, atrongy, voatrongy, tafatrongy / mitrongy, fitrongy, mpitrongy / itrongisana, fitrongisana / mahatrongy / trongitrongy. Ahitsio
Trosa: a.: Volan'olona any amin'ny tena mbola tsy maintsy haloa: Tsy mahaloa ny trosaho ianao ka hotoriko, • h.o.: Adidy tsy maintsy ha-tao na hotanterahina; zavatra tsy maintsy hatao; fankasitrahana: Anananao trosa aho tamin'ny namonjenao ahy. i tif: Trosaina, voatrosa / mitrosa, fitrosa, mpitrosa / itrosana, fitrosana / mahatrosa ) trosatrosa. - F.-p.: Afa-trosa: nahaverina ny trosan'olona — entimilaza koa ny zazalahy voafora. / Maka trosa: mividy zavatra izay any aoriana vao haloa ny vidiny. / Mamela trosa; mahafoy trosa: tsy mitaky trosa any amin' olona intsony fa heverina ho efa isan'ny voaloa. / Mandoa trosa, manefa trosa: Mamerina ny vola trosa, mandoa ny vola nosamborina. / Mitaky trosa: mandidy ny hamerenana ny trosa. / Mitrosa entana: mangataka andro amin' ny fandoavana ny vidiny. / Raihi-trosa: ananan'olona trosa ka tsy mahaloa. / Sahan-trosa: fandoavana ny sasany ihany amin'ny trosa, fa ny sisa angatahana andro la-va (io koa ilay atao hoe: "lefalàny na lefilàny"). / Verintrosa: enti-milaza ireo olona tsy nahaloa volan'olona taloha ka tonga narnidy ho andevo. Ahitsio
Trosaina: (trosa) mt. ih. (trosao): Vidina ka tsy aloa eo no ho eo ny vidiny fa angatahana andro: Tsy mba trosaiko ny ahy ny entana vidiko. • Samborina: Be loatra ny vola notrosain'io uehivauy io ha tsy uoaueriny intsony. Ahitsio
Trosina: a.: Fianjerana miantoraka any aloha. ? Tosika. ? Kohaka mampiantoratoraka. ? Fiambezoana. - t.i.f.: Trosinina, atrosina, voatrosina, tafatrosina ( manatrosina, fanatrosina, mpanatrosina i anatrosinana, fanatrosinana ) mitrosina, fitrosina, mpitrosina / itrosinana, fitrosinana J mahatrosina / trosintrosina. Ahitsio
Trosinina: (trosina) mt. ih. (trosino): Atositosika ka manjary miforiporitra: Notrosinin'ny zanakao ny tsihinay kapotika. • Iambezoana: Notrosininy teo izy ka tsy naharitra fa nanome. Ahitsio
Trosona: Jer. Trosina. Ahitsio
Trotrahina: (trotraka) rat. ih. (trotrahy) Atao tonga trotraka. Ahitsio
Trotraka: p. t.: Vizana fatratra; sasatra mafy; torovana. Jer. Valaka. - t.i.f.: Trotrahina / mahatrotraka / hatrotrahana. Ahitsio
Trotro: a.: Farnihinana zavatra amin'ny sandry ka ankinina amin'ny tratra. - t.i.f.: Trotroina, voatrotro, trinotro / mitrotro, fitrotro, mpitrotro ) itrotroana, fitrotroana / mahatrotro. Ahitsio
Trotrobe: a.: Zavamaneno tsotra dia tsotra, karazan'amponga, saingy tsy mba misy hoditra fa koveta na lovia lehibe no ahohoka, asiana lamba eo amboniny ary ny felatanana roa no mively azy; ny faritany avaratra no mampiasa azy. Ahitsio
Trotroina: (trotro) mt. ih. (trotroy): Fihinina amin'ny sandry ka ankinina arnin'ny tratra: Trotroy io zaza io fa efa uizan'ny mandry. Ahitsio
Trotrongy: a.: Fahalavoana mafy any anoloana ka ny loha no mitehika ny tany. - t.i.f.: Atrotrongy, voatrotrongy, tafatrotrongy ) manatrotrongy, fanatrotrongy, mpanatrotrongy ) anatrotrongiana, fanatrotrongiana I manotrongy / mitrotrongy, fitrotrongy, mpitrotrongy / itrotrongiana, fitrotrongiana / mahatrotrongy ! trotrongitrongy. Ahitsio