Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsikintsikina: a.: Fitikintikina, fidihindihina, fisehoana ho zavatra, fiangentsanana amin'ny fomba famindra sy ny haingo isan-karazany. - t.i.f, : Tafatsikintsikina I mitsikintsikina, fitsikintsikina, mpitsikintsikina 1 itsikintsikinana, fitsikintsikinana 1 mahatsikintsikina. Ahitsio
Tsikirity: a.: Voronkely mitovitovy bika amin'ny fody, fa kely ary matetika miara-dia aminy saingy mpanara-dia fotsiny, nahatonga ilay ohabolana hoe: "Tsikirity momba fody: tsy tompon-dia fa mpanaraka". Ahitsio
Tsikirity: a.: Zavamaniry mandadina fihinan-dravina (Mussoenda arcuta). Ahitsio
Tsikirovana: a.: Jer. Tsikorovana. Ahitsio
Tsikoboka: a.: Bibikely an-drano, karazana fandiorano. malifaliana na indraindray Ahitsio
Tsikobokobondanitra: a.: Zavamaniry misy raviny bebe no-fo. Ahitsio
Tsikobona: a.: Karazan-kazo madinika mamoa menamena mipetaka avy hatrany amin' ny taho. Ahitsio
Tsikofokofoka: a.: Fihetsiketsika; fitsipatsipaka, fitrifantrifana. - t.i.f.: Tafatsikofokofoka 1 mitsikofokofoka, fitsikofokofoka, mpitsikofokofoka / itsikofokofohana, fitsikofokofohana 1 mahatsikofokofoka. Ahitsio
Tsikohokoho: (Btm) a.r Anaram-boron-dia sahala amin' ny akoho. Ahitsio
Tsikohonkohona: Mitovy amin'ny Kohonkohona. Ahitsio
Tsikoinkoina: a.: Zavamaniry fanaovana fanafody. •Koinkoina, taraina misy moimoy. i t.i.f.: Tafatsikoinkoina 1 manatsikoinkoina, fanatsikoinkoina, mpanatsikoinkoina 1 anatsikoinkoinana, fanatsikoinkoinana 1 mitsikoinkoina, fitsikoinkoina, mpitsikoinkoina 1 itsikoinkoinana, fitsikoinkoinana 1 mahatsikoinkoinana. Ahitsio
Tsikoitra: a.: Hazo boribory sady mbola tanora fanao eo afovoan'ny trano tomboka mba hanohana ny hazofisaka mitana ny tafo. Ahitsio
Tsikoko: a.: Loto mitankosina amin'ny hoditra; tseroka. i t.i.f.: Tsikokoina. - F.-p.: Mihaingo ambony tsikoko: manao tsara izay hitan'ny maso fotsiny fa tsy miraharaha izay tsy hita. Ahitsio
Tsikokoina: (tsikoko) p.t.: Be tsikoko, tserohina. Ahitsio
Tsikombakomba: a.: Teny ifanomezana miafina, tetika iraisana any an-takona: Nanao tsikombakomba ianareo roa lahy ka samy hosazina. ¶ M.h.: Kaomiberaka,komahay. Ahitsio
Tsikona: a.: Anaran-kafa ilazana ny ondrindrano. Ahitsio
Tsikondry: o.: Anarana karazam-balala. Ahitsio
Tsikonina: a.: Kilalao fanaon' ny ankizy taloha rehefa tonga ny fety lehibe toy ny fetim-pirenena: izy ireo no mahandro ny sakafony eny ankalamanjana, indraindray amin'ny vilany na fitaovana kely antonona azy. Ahitsio
Tsikononkonona: Mitovy amin'ny Kononkonona. Ahitsio
Tsikorovana: a.: Karazam-boronkely tsara tarehy, misy sangany, manga feo. Ahitsio