Toraraka | : | p.t.: Mipetrapetrapoana tsy manao na inona na inona, varimbariam-poana. ¶ M.h.: Torevaka.
Ahitsio |
Torebina | : | Torebiny (angl. treble) a.: Amin'ny hira misy feo maro, ilay fizarana ataona feon-dehilahy avo indrindra: "Lohataona... Indreny fa manao tonera avo dia avo ny papango, arahin'ny railovy ny torebiny malefaka; ampian'ny goaika fasiny mikantsankantsana; dobohan' ny toloho ny besony mikotrokotroka. (Rabenjamina Androvakely)
Ahitsio |
Torendrena | : | Mitovy amin'ny Tandrendrena.
Ahitsio |
Toreo | : | a.: Feom-borona mitaraindraina; feo mampahonena; fiangaviana fatratra; hataka arahim-pitaraindrainana. - t.i.f.: Atoreo, tafatoreo 1 mitoreo, fitoreo, mpitoreo J mahatoreo J toreoreo .
Ahitsio |
Toreraka | : | Mitovy amin'ny Torevaka.
Ahitsio |
Toretra | : | p. t.: Enti-milaza ny voankazo vokatra mitangongo eny ambony hazo. ? Mikainkona, mifendrotra. 1 Tsy kinga, votsa, kisinina, osa. 1 t.if.: Mitoretra, fitoretra, mpitoretra / mahatoretra / toredretra.
Ahitsio |
Torevaka | : | a.: Toetran'izay mipetraka fotsiny tsy manao na inona na inona fa varimbariam-poana eo. - t.i.f.: Atorevaka, tafatorevaka / manatorevaka, fanatorevaka, mpanatorevaka J anatorevahana, fanatorevahana / mitorevaka, fitorevaka, mpitorevaka / itorevahana, fitorevahana I mahatorevaka / torevadrevaka.
Ahitsio |
Torimaso | : | a.: Fialan'ny tena sasatra amin'ny fikimpian' ny maso sy ny tsy fahatsiarovan-tena (jer. Tory). - F.-p.: Torimason'akoho: enti-milaza sarintsarin-torimaso fa tsy tena matory.
Ahitsio |
Torina | : | (tory) mt. ih. (torio): Ampangaina amin'ny manam-pahefana miandraikitra ny raharaham-pitsarana: Hotoriko ianao fa nanala baraka ahy.
Ahitsio |
Torina | : | (tory) mt. ih, (torio): Lazaina sy voasana: Hotorina eran'izao tontolo izao ity Evanjely ity.
Ahitsio |
Torina | : | (tory) mt. ih. (torio): Silahina ny tsiratsirany: Torio ity rongony madinika ity. • Didiana atao didy vaventy: Torio io omby io. • Avahana amin'ny tory na soritra: Tokony hotorinao ny tanim-boangahazonao.
Ahitsio |
Toringana | : | p.t.: Kotringa, tolila. tolitsika. - t.i.f.: Mitoringana, fitorin-,gana.
Ahitsio |
Torisihina | : | Torosihina (torisika) mt. ih. (torisiho): Amporisihina (fiteny amin'ny alika amporisihina hiady na hanaikitra olona).
Ahitsio |
Torisika | : | a.: Famporisihana ny alika hiady na hanaikitra olona. - t.i.f.: Toxisihina, torosihina / atorisika, voatorisika / manatorisika, fanatorisika, mpanatorisika / anatorisihana, fanatorisihana / mampitorisika J ampitorisihina J mahatorisika.
Ahitsio |
Toro | : | a.: Fanondroana, fampahafantarana, filazana, fampianarana: Toro lalana, torohevitra. - t.i.f.: Toroana, atoro, voatoro / manoro, fanoro, mpanoro 1 anoroana, fanoroana / mifanoxo / mampanoro / mahatoro /torotoro.
Ahitsio |
Toro | : | p, t.: Voaporitra, voatoto: Toro ny tanako uoakaton'ny varavarana.
Ahitsio |
Toroana | : | (toro) mt. pdr. (toroy): Enti-milaza ny olona ilazana hevitra, zavatra; ampianarina: Olona tsy azo toroana heuitra Rakoto.
Ahitsio |
Torobosoa | : | (fr. tire-bouchon) a.: Karazana rindram-by misy tahony atao fanatsoahana ny bosoa amin'ny vava tavoahangy.
Ahitsio |
Torohina | : | (toroka) mt. ih. (torohy): Ampangaina tsy mari-na, endrikendrehina: Notorohiny ho nangalatra aho.
Ahitsio |
Toroka | : | a.: Endrikendrika amin'ny zavatra tsy natao; fiampangana tsy marina. - t.i.f.: Torohina, voatoroka 1 mitoroka, fitoroka, mpitoroka 1 itorohana, fitorohana / mampitoroka J mifampitoroka J mahatoroka.
Ahitsio |