Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsikotana: a.: Mitovy amin'ny Kotana. Ahitsio
Tsikotrokotroka: a,: Mitovy amin'ny Kotrokotrobato. Ahitsio
Tsikovoka: a.: Anaram-bibikely any anaty rano tahatahaka ny voangory ka lavalava boribory ny tenany sady voarakotra hoditra mafy, fa ny tongony aoriana no entiny mivoy rano. Ahitsio
Tsikoza: a.: Karazam-borona lava fingotra toy ny vano. Ahitsio
Tsikozakoza: a.: Hozohozo, taredretra, tsiredareda, fitadiavam-pivelomana ats$' arys. 6 Li. f.: Tsikozakozaina, tafatsikozakoza 1 manatsikozakoza, fanatsikozakoza, mpanatsikozakoza 1 anatsikozakozana, fanatsikozakozana 1 mitsikozakoza, fitsikozakoza, mpitsikozakoza 1 itsikozakozana, fitsikozakozana 1 mahatsikozakoza. Ahitsio
Tsikozakozaina: (tsikozakoza) mt. ih. (tsikozakozày): Atao am im-p itsi r e dar e dana. Ahitsio
Tsiky: a.: Hehy somary mampihataka kely fotsiny ny tendro-molotra roa ka mampise- ho hamiranana na atao ho fa- koa aza ho fanesoana. - t.i.f.: Atsiky, tafatsiky 1 mitsiky, fitsiky, mpitsiky 1 itsikiana, fitsikiana / mahatsiky 1 tsikitsiky. Ahitsio
Tsilafolafo: Mitovy amin'ny Lafolafo. Ahitsio
Tsilaiko: Jer. Laiko. Ahitsio
Tsilailay: a.: Fivadibadika, fitsimbadimbadika amin'ny tany ohatra ny ataon'ny ankizy na ny biby sasany toy ny soavaly, ampondra, kisoa. i t.i.f.: Atsilailay, tafatsilailay / mitsilailay, fitsilailay, mpitsilailay / itsilailaizana, fitsilailaizana / mahatsilailay, Ahitsio
Tsilaingalainga: a,: Lainga atao toy ny kilalao amin'ny fodiana manao izao na izao. Ahitsio
Tsilaitra: a.: Karazan-kazo fanao tehina, zaran'angady na zaram-pamaky. Ahitsio
Tsilakolako: Jer. Tsilaiko. Ahitsio
Tsilaky: a.: Ahitra anaovana fisotro mahatonga ho sahisahy sy tsy ho menamena-poana. - F.-p,: Misotro tsilaky: vonona na sahy hanao zavatra tsy matahotahotra na menamenatra. Ahitsio
Tsilalantany: p. t.: Be dia be izaitszy, sesehena: Vahoaka tsilalantany no tao an-tsena aninaraina. Ahitsio
Tsilamodamoka: p.t.: Jer. La-moka. Ahitsio
Tsilany: a.: Fomba fandry ka ny lamosina no atao ambany, izany hoe ny maso miandrandra ambony. 1 Fitoeran-javatra ka ny vavany ambony. - t.i.f.: Atsilany, tafatsilany / manatsilany, fanatsilany, mpanatsilany / anatsilanesana, fanatsilanesana / mitsilany, fitsilany, mpitsilany / itsilanesana, fitsilanesana / mahatsilany / tsilanilany. Ahitsio
Tsilaolao: a.: Kilalao madinika natao hanarian-dia sy hialana voly: Ny kindriandriana dia tsilaolao natao ho an'ny ankizivauy kely. ? Kilalao amin'ny hevitra an' ohatra: Tian'ny Ntaolo ny manao tsilaolaon-teny, toy ny hoe: "Nitady tombony ka natombiny". (Tsara homarihina ny mahasamy hafa ny lalao, kilalao ary tsilaolao. Ny lalao dia teny ilazana fanarian-dia sy fialam-boly: Labo tian'ny Merina fahiny ny daka na diamanga; ny kilalao: zavatra entina milalao na miala voly: Kilalao tian'ny ankizilahy ny kanety; tsilaolao: entimilaza kilalao madinika na lalao amin'ny hevitra an' ohatra araka ny voalaza etsy ambony). Ahitsio
Tsilasilasy: a.: Tsiredareda, danesaka, tavozavoza. 1 Atsilasilasy, tafatsilasilasy ) mitsilasilasy. Ahitsio
Tsilavana: a.: Karazan-damba vita teto an-toerana fahizay. Ahitsio