Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsamontsamona: a.: Fitsakoana aharenesana ny fitsefotsefotry ny molotra. - t.i.f.: Tsamontsamonina, atsamontsamona, tafatsamontsamona / mitsamontsamona, fitsamontsamona, mpitsamontsamona / itsamontsamonana, fitsamontsamonana 1 mahatsamontsamona. Ahitsio
Tsamontsamonina: (tsamontsamona) mt. ih, (tsamontsamby): Hanina ka hatao mitsefotsefotra ny molotra. Ahitsio
Tsanaka: sy Tsananàka p.t.: Enti-milaza ny menaka manorika avy amin'ny hena matavy. - t.i.f.: Atsananàka, voatsananàka, tafatsananàka / mitsananàka, fitsananàka, mpitsananàka / itsananahana, fitsananahana / mahatsananàka. Ahitsio
Tsangambato: a.: Vato ajoro ho fahatsiarovana miaramila maty an'ady tany lavitra ka tsy hita ny taolambalony: Vorodamba efa tontan'ny ela no misarona ilay tsangambato. (A. Rajon) ? Zavatra tokony hotsarovana, asa mendrika hotadidina, andro Inhibe na malaza tsy hohadinoina: Ny boky no tsangambato auelan'ny mpanoratra ho an'ny taranaka. Ahitsio
Tsangambava: a.: Lovia kely lalina aty fasiana rony, atao koa hoe tsatokaty. Ahitsio
Tsangan-tanana: fifidianana tay atao amin'ny latsa-bato fa amin'ny fananganan-tana- na fotsiny. Ahitsio
Tsangana: a.: Fijoroana; ny bika eo am-pijoroana; haavo; halava hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha. - t.i.f.: Atsangana, voatsangana, tafatsangana / manangana, fanangana, mpanangana I anangànana, fanangànana 1 mitsangana, fitsangana, mpitsangana / itsanganana, fitsanganana 1 mahatsangana / tsanganana, tsangantsangana. - Tsangambato: vato najoro ho fahatsiarovana ny maty an'ady na izay tsy tonga ao am-pasan-drazana na very faty. / Tsangambava: lovia kely lalina aty fasiana rony, atao koa hoe: tsatokaty. / Tsangam-boasary: lalao natao hilokàna taloha ka izay mahavoa ny zavatra napetraka, toy ny voasary, vo-la, akoho... no mahazo. / Tsangan'afo: marika atao amin'ny tanàna iray mba hamantaran'ny tanànamanodidina fa misy loza mahazo. / Tsangan-kevitra: foto-kevitra ijoroana. / Tsangan'olona: 1) anaram-bola farantsa volafotsy izay misy sarin'olona telo mitsangana; 2) olona ajoro fotsiny ho solon'ny hafa fa tsy manam-pahefana na tompon'andraikitra. / Ahitsio
Tsanganana: a.: Bika. • h. i: Bikan'olona mijoro lava. ? p. t, : Bikana. Ahitsio
Tsanganolona: a.: Anaram-bola farantsa volafotsy izay misy sarin'olona telo mitsangana. Ahitsio
Tsangantandroka: Jer. Kalanga. Ahitsio
Tsangilihily: (Ski) a.: Biby andranomasina tahaka ny hatrotro. Ahitsio
Tsangy: a.: Enti-milaza ny vary totoina efa tsaitsainy na efamadivaho fotsy. Ahitsio
Tsangy: a.: Fitondrana ny anaran-dray; fanarenana ny harena aman-draharahan'ny fianakaviana; fanomezana voninahitra ny razana sy ny ray aman-dreny. - t.i.f : Mahatsangy. Ahitsio
Tsanta: a.: Karazan-kiram-piangonana fanao amin'ny salamo, izay somary lavareny, fa amin'ny vaninteny roa na te-Io alohan'ny farany vao misy fiangolana. • h.i.: Hira malahelohelo: "Ao ny tsantan'ny andro taloha / sy ny hiran'ny fahazazako / no milevina ka tsy mifoha / na miuerina mba hitondra ako", (J.J. Rabearivelo) Ahitsio
Tsantsambaitra: a.: Anaran'ahitra (Helichrysum). Ahitsio
Tsantsana: a.: Feo mikiakiaka. • Hamailaham-bava izay sady mikarantsana no mampiseho hasiahana koa. - t.i.f.: Tsafatsantsana 1 mitsantsana, fitsantsana, mpitsantsana 1 itsantsanana, fitsantsanana / mahatsantsana. Ahitsio
Tsantselatra: a.: Tara-pahazavana mihelatra ohatra ny an' ny fiadiana ampandihizina ka manjelatra. - t.i.f.: Tafatsantselatra / mitsantselatra, fitsantselatra j tsantselatselatra. Ahitsio
Tsantsona: a.: Jer. Tsantsana. Ahitsio
Tsaohina: (tsaoka) mt ih, (tsaohy): Hajaina fatratra; anehoam-panajana fatratra amin'ny maha-Andriamanitra azy. Ahitsio
Tsaoka: (angl. chalk) a,: Sombin-tany fotsy toy ny ravoravo voavoatra ho fanoratana amin'ny solaitrabe. Ahitsio