Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsaingohina: (tsaingoka) mt. ih. (tsaingohy): Kaikerina tombohina amin'ny vava, toy ny fanaon'ny akoho: Notsaingohin'ilay akoholahy ny lo han'ny saka dia nandositra izy. 1 Alaina amin-kakingana, am im-p ah am ailahana: No - tsaingohin'ny saha kely ilay hena tetsy ambony talantaiana. Ahitsio
Tsaingoka: a.: Anaran'antokomiaramila mpiambina ny andriamanjaka fahiny, izay nanaraka azy raha nisy dia nalehany. Ahitsio
Tsaingoka: a.: Anaran-javarnaniry madinika ampiasain'ny olona ho fanalefahan-kozatra. Ahitsio
Tsaingoka: a.: Fanaikerana mitomboka, atao amim-pahakingana dia mihataka, toy ny fanaon'ny vavan' akoho. - t.i.f.: Tsaingohina, atsaingoka, voatsaingoka, tsinaingoka I manaingoka, fanaingoka, mpanaingoka ( anaingohana, fanaingohana ! mitsaingoka, fitsaingoka, mpitsaingoka ( itsaingohana, fitsaingohana / mahatsaingoka ( tsaingotsaingoka. Ahitsio
Tsaitsainy: na Tsaitsaim-bary a.: Enti-milaza ny vary 'mby eo amin'ny ambaratonga faharoa amin'ny fitotoana azy, izany hoe efa nototoina fanindroany ary mbola hototoina indray mandeha farany vao tena ho fotsy tsars (jer. Aivoka, Fotsy). Ahitsio
Tsaka: ft.: Feo re amin'ny fandidiana zavatra rasaina na lamba tapahina amin'ny antsy maranitra, na amin'ny fanatrabahana tany amin'ny angady maranitra. Atsaka, voatsaka, tafatsaka / manatsaka, fanatsaka, mpanatsaka ( anatsakana, fanatsakana I mitsaka, fitsaka, mpitsaka / mahatsaka. Ahitsio
Tsaka: ft.: Fitana rano amin' ny firobohana ao anaty rano. I t.i.f.: Mitsaka, fitsaka, mpitsaka / itsakana, fitsakana ) mahatsaka. Ahitsio
Tsaka: ft.: Fakana rano eny andoharano. - t.i.f.: Antsakaina ( mantsaka, fantsaka, mpantsaka ( antsakana, fantsakana / mahantsaka. Ahitsio
Tsakatsaka: a.: Fandehanana miditra any anaty lobolobo izay heverina ho misy lolo na vazimba; fivezivezena amin' ny toerana tsy fantatra; firioriovana etsy sy eroa. - t.i.f.: Tafatsakatsaka / mitsakatsaka, fitsakatsaka, mpitsakatsaka 1 itsakatsakana, fitsakatsakana / mahatsakatsaka. Ahitsio
Tsakike: (Ski) a.: Aretin-tenda malaky mahafaty. ¶ M. h.: Sokondre. Ahitsio
Tsakitsaky: a: (taloha) Entimilaza ny vary nomena an' ireo "velona", izany hoe ireo afaka soa aman-tsara tamin'ny fampinomana na fampisotroana tangena. ? (ankehitriny) -1) Sombin-kanina kely indraim-bava hanin'ireo mpisotro zava-pisotro mahery. -2) Sakafo fanampiny, haninkanina. Ahitsio
Tsako: a.: Fanapotipotehan'ny nify ny sakafo ao am-bava: Manao tsakon'ondry, - t.i.f.: Tsakoina, atsako, voatsako, tsinako j mitsako, fitsako, mpitsako / itsakoana, fitsakoana I mahatsako / tsakotsako / manakotsako / mitsakotsako. - F,-p.: Tsako dilana: ny fihetsiketsiky ny vava ohatra ny mitsako zavatra, nefa tsy misy na inona na inona tsakoiny akory. / Tsako moka: fitsakoana zavatra tsy misoka-bava. Ahitsio
Tsako: (fit.-p.) a.: Katsaka. Ahitsio
Tsakoahina: a.: Fikainkon'ny hendratrendrany mampisaraka ny tratra sy ny kibo tainpoka ka mahatonga feo hafahafa vokatry ny rivotra mandalo eo amin'ny vavalalan-drivotra: Saiky matetika vokatry ny hatsiaka no mahatonga ny tsakoahina. • p. t.: Voan'ny tsakoahina: Tsa koahina Ibalita kely. Ahitsio
Tsakoaka: a.: Feo re raha misy zavatra Inhibe mianjera ao ahaty rano, na raha sintonina hiala avy ao anaty fotaka ny tongotra. Ahitsio
Tsakoina: (tsako) mt. ih. (tsakoy): Potipotehina amin'ny nify ao am-bava: Tsakoy tsara ny zavatra haninao mba tsy hamizana ny vavoninao. Ahitsio
tsaky:tsaky na tsakitsaky : zava-pihinana matetika ivelan'ny fotoan'ny sakafo telo isanan'andro (maraina, antoandro, hariva) ka ny sakafo ohanina anelanelan'ireo fotoana ireo no atao hoe tsaky Ahitsio
Tsamaka: p. t.: Maranitra. Ahitsio
Tsambikimbola: a: Fitsambikinana fanaon'ny ankizy ka mitakoko ny tenany amin' izany, ary miforitra ny ranjony. Ahitsio
Tsambikina: a.: Fihoaran'ny tongotra iray na ny tongotra roa indray miaraka mafy, na misy fefy ihoarana na tsia. - t.i.f.: Atsambikina, tafatsambikina 1 mitsambikina, fitsambikina, mpitsambikina / itsambikinana, fitsambikinana / mahatsambikina. Ahitsio