Teny nampidirina farany

Adingina
[admin]
: (dingina), mt. at. (adingino): Atsangana henjana mahitsy: Nadingin'ny alika ny rambony dia lasa izy. Ahitsio
Adingidingy
[admin]
: (dingidingy), mt, at. (adingidingio): Asondroititra avo. Ahitsio
Adingana
[admin]
: (dingana), mt, at. (adingano): Ahoatra, adika: A-za adingana ny lohan-drainao ny sahafa, anaka. Ahitsio
Adina
[admin]
: Adinadina Ahitsio
Adimizana
[admin]
: a.: Anaran'ny volana fahafito amin'ny filaharan'ny volana malagasy mari-na, aorian'ny Asombola ary alohan'ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin'ny zoron-trano atsimo andrefana (zorombaravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin'ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy. • Fanandr.: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty. Ahitsio
Adimby
[admin]
: (dimby), dit. at. (adimbaso): Asolo: Ny zanany lahimatoa no nadimby azy. Mividiana tsofa uaouao hadimby an'it?. Ahitsio
Adilotra
[admin]
: (dilotra), mt. at. (adilory): Akasoka mafy , akitroka. Ahitsio
Adilana
[admin]
: (dilana), mt. fit.(adilano): Entina manety eo afovoany. Ahitsio
Adikasajy
[admin]
: a.: Laharan-tsikidy faharoa ambin'ny folo amin' ny sikidy alanana der. Sikidy). Ahitsio
Adika
[admin]
: (dika), mt. at. (adikao): Alaina tahaka: Adikao ireo soratra hitanareo amin'ny solaitrabe ireo. • Avadika amin'ny fiteny hafa: NadikandRabe tamin'ilay vazaha ny tenin'i dada. • Ampandalovina eo ambony: Aza fady fa adikako anao ity lovia ity. • Lazaina, taterina: Ka angaha tsy loza fa nadikany tamin'ny mpampiasa ilay teninao teto omaly iny. • Heverina: Nadikany ho tsy fitiavana azy ny fanakianana ny nataony. Ahitsio
Adijidà-Sefo
[admin]
: (fr, adjudant-chef) a,: Ambaratongam-pahamboniana na gradin'ny miaramila an-tanety sy ana habakabaka eo anelanelan' ny Aspirà izay amboniny sy ny Adijidà tsotra ambaniny, mitovy laharana amin'ny Maftre voalohany amin'ny tafika an-dranomasina (jar, Grady). Ahitsio
Adijidà
[admin]
: (fr. adjudant) a.: Ambaratongam -pahamboniana na gradin'ny miaramila antanety sy ana habakabaka eo anelanelan'ny Adijidà-Sefo amboniny sy ny Serizà-Sefo ambaniny; mitovy laharana amin'ny Maître tsotra amin'ny taffka an-dranomasina (jer. Grady). Ahitsio
Adijady
[admin]
: a.: Anaran'ny volana fahafolo amin'ny filaharan' ny volana malagasy marina, aorian'ny Alakaosy arY alohan'ny Adalo, ka ny toerana nomen'ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin'ny zorony avaratra andrefana (zorombaravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tianko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin'io. • Fanandr:vavany:alam-bintana fandrao dia mijadfna loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany. Ahitsio
Adifika
[admin]
: (difika), mt. at. (adifiho): Apitika, esorina hiala erF. Ahitsio
Adify
[admin]
: (dify), mt. at. (adifio): Asiana dify, karazana jongy fanao amin'ny tsihy: Nadifiny tsara ny tsihy. • Asaina miala amim-pahakingana mba tsy ho hita: Adifio izy sao mahita an-dreniny. Ahitsio
Adidina
[admin]
: (adidy), dit. ih. (adidio): Tsinina, omena tsiny. Ahitsio
Adidy
[admin]
: a.: Zavatra tsy maintsy atao takin'ny raharaha iandraiketana, ny toerana misy ny tena na ny fifandraisana amin'ny hafa: Adidin'ny mpitondra ny mifehy tsara ny firenena sy manao izay hampanan-karena ny tany. / Tsarouy fa adidinao manankanaovana ny manampy ireo fadiranovana. ¶ M.h.: henatra, andraildtra. • Tsiny, soketa: Manana adidy ianao raha manao izany. • Zavatra ekena hatao mba ho fanasoavana ny hafa: Ny adidy tsy an'olon-dratsy. - f -p.: Mandray adidy / manao adidy / manefa adidy / miantsoroka adidy: manatanteraka adidy tsy maintsy atao; Miamboho adidy: tsy manao na mandositra adidy. * Ohab.: Adidinao tsy namangy, fa ny aretiko sitrana ihany: ianao no mahazo tsiny amin'ny fihavanana noho ny tsy nitsidihanao ahy narary, fa izaho it? sitrana ihany. / Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy: saika izay miseho ho mahavita ihany no voatsinin'ny maro matetika. / Ny toko no tapaka ka ny aampanan-dalana no manana adidy: enti-milaza ny olona manome loza ny hafa, nefa ny nataony ihany no nahavoa azy. / Potsitra ny maso: adidin'ny loha; fotsy ny uolo: adidin'ny loha; banga ny nify: adidin'ny loha: ny loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin'ny fahavoazan'ny olona entiny avy. ! Vaua soa sakafo, teny ratsy adidy: ny teny mora mahatsara fihavanana fa ny vava ratsy kosa itondrana heloka ka maharatsy fihavanana. Ahitsio
Adidy
[admin]
: (didy), mt. fit. (adidio): Entina mandidy, ampiasaina handidiana: Aza dia ny vohon'antsy re no adidy it? voasary e!. Ahitsio
Adibidijady
[admin]
: a.: Anaran'ny laharan-tsikidy fahavalo amin' ny sikidy alanana (jer. Sikidy). Ny soratry ny adibijady Ahitsio
Adiady
[admin]
: a.: Fifamalivaliana kely matetika, tsongotsongo teny, fifandrozandrozanana matetika: Tsy ilaozan'adiady ireo mpianatra ireo. Ahitsio