Teny nampidirina farany

Ahika
[admin]
: (hika), mt. fit.: Entina mameno, ampiasaina mba hahafeno. Ahitsio
Ahihy
[admin]
: (hihy), mt. fit. (ahihiso) Entina mihihy, mikiky, mikaoka: It? L'y kely it? ahihy ny mangahazo raha tsy misy antsy. Ahitsio
Ahifotra
[admin]
: (hifotra), mt. at. (ahiforyl: Atsentsina, atampina. Ahitsio
Ahifika
[admin]
: (hifika), mt. at. (ahifiho): Esorina, ariana lavitra: Taitra izy nahita ilay sahona nipetaka teo amin'ny sandriny ka nahifiny ter?. ~ Lavina, toherina, atosika: Nahifiko ny tanany nisambotra ahy. Ahitsio
Ahifatra
[admin]
: a.: Zavamaniry fanao ody rohana sy gaotra; mahabe hatsembohana sy manadio fivalanandrano (Senecio ambauilla). Ahitsio
Ahidrindrina
[admin]
: a.: Zavamaniry ampiasaina raha misy fivoahan-dra ka ny raviny maitso no tenehina (Dichrocephala) lotifolia). Ahitsio
Ahidresy
[admin]
: a: Zavamaniry fanao ody kohaka (Lobellia laubii). Ahitsio
Ahidratsy
[admin]
: a.: Ahitra miara-maniry amin'ny vary ka mahatonga ny vary havana. Ahitsio
Ahidrano
[admin]
: a: Karazan-javamaniry fahita any anaty rano (ranomasina na ranomamy), izay tsisy fakany na lalandranon-kazo. Ahitsio
Ahidrano
[admin]
: a.: Ahitra maniry eny an-tanimbary rehefa vita ny vary. Ahitsio
Ahidy
[admin]
: (hidy), mt. fit. (ahidio): Entina manidy: It? hazo it? ahidy ny uarauarambe. Ahitsio
Ahidambo
[admin]
: a.: Ahitra misy tsilotsilony. Ahitsio
Ahiboka
[admin]
: (hiboka), mt. at. (ahibohy): Hidiana amin'ny toerana anankiray ka tsy avala hivoaka: Ahibohy ao am-pahitra ny omby. ~ Afantsika amin'ny asa iray: Nahibony tamin'ny fianarana ny zanany. Ahitsio
Ahibibilava
[admin]
: a.: Karazan'ahitra. Ahibita a.: Karazan'ahitra. --le Ahibitsika a: Karazan'ahitra. Ahiboanjoa: Karazan'ahitra. Ahitsio
Ahibano
[admin]
: a.: Ahitra fotsy mamiratra fanaovana satroka be sofina an-dehilahy. Ahitsio
Ahibahoaka
[admin]
: a.: Anarana entimilaza ny ravin'ny tsevoka na tenina izay anafoana trano. Ahitsio
Ahiapana
[admin]
: a.: Zavamaniry sady mahabe hatsembohana no manadio rano ny raviny (Eupatorium triplinerve). Ahitsio
Ahiahy
[admin]
: (ahy), a.: Tsy fandrian'ny eritreritra: Mazàna tsy mahita tory ny olona be ahiahy. 1 Fitorotorohana olona ao an-tsaina ho nanao izao sy izao: Ny ahiahy tsy ihauanana, hoy ny Ntaolo. Ahitsio
Ahy
[admin]
: mpisolo anarana misolo olona enti-milaza: ny olona miteny raha atao teny fameno: Raha van nahita ahy izy dia nandositra. •Raha milaza tompon-javatra: Ahy it? boky it?. ? Ny ahy: enti-misolo anaran-javatra ananana raha ny tena no tompony: La-fo kokoa ny satrokao noho ny ahy. Ahitsio
Ahy
[admin]
: ft.: Tahotra. - t.i.f.: ahina, voahy ) manahy, fanahy, mpanahy ) anahiana, fanahiana / miahy, fiahy, mpiahy / iahiana, fiahiana / ahiahy J miahiahy, fiahiahy, mpiahiahy / iahiahiana, fiahiahiana. Ahitsio