Aelo [admin] | : | (elo), mt. fit. (aeloy): Ampiasaina hatao elo; iarovana amin'ny hainandro na ny orana: Ravin'ampanga no naelon'ny ankizy ny zazauavy nanao fampitaha. Ahitsio |
Aely [admin] | : | (ely), mt, at. (aeiezo): A-paritaka, ahahaka: Naelin' ny akoho ny fako. 1 Aparitaka atao fantatry ny olona rehetra: Naelin-dRakoto sahady ilay vaovao momba ny fanadinana. Ahitsio |
Aelatra [admin] | : | (elatra), mt. at. (aelaro): Atafitafy, avelatra. Ahitsio |
Aelanelana [admin] | : | (elanelana), mt, at. (aelanelano): Atao eny analanelana: Tsaramaso no naelanelako ny katsaka. Ahitsio |
Aelakelaka [admin] | : | (elakelaka), mt. at. (aelakelaho): Alana na endahana isam-pelany. Ahitsio |
Aefitra [admin] | : | (efitra), mt. fit. (aefero): Atao efitra, atao manelanelana: Ity lamba ity aefitra ny atody sy ny vina. Ahitsio |
Advantista [admin] | : | (fr. adventiste) a.: Antokom-pivavahana kristianina niendaka tamin'ny fototra protestanta ka miompana amin'ireto zavatra roa loha ireto: 1) Fiverenana amin' ny fomba-iiosy sasantsasany, toy ny fanajana ny andro fahafito (Asabotsy), ny fanomezana ny fahafolon'ny harena ho an'ny fiangonana, ny fifadiana kisoa, hazandrano tsy misy vombony na kirany. 2) Fiandrasana ny fiavian'ny Tompo izay heveriny fa mbola ho tonga indray. Ahitsio |
Adrisa [admin] | : | a.: Anarana ilazana ny vavy amin'ny karazam-balala iray, izay atao hoe aketa ny lahy; ny adrisa dia vaventiventy mahafinaritra ary misoratra vony sy mainty ny tenany. * Ohab.: Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary? fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin'ny tena? Ahitsio |
Adre [admin] | : | t.-p.: tenim-piontanana enti-milaza: a) Fahatsiarovana hafinaretana: Adre! maha finaritra izany rivotra mitsoka malefaka. b) Fahatairana: Adre! inona izany lazainao amiko? d) Fanaintainana: Adre! mafy izany fahoriana entiko izany! Ahitsio |
Adrakadraka [admin] | : | (drakadraka),mt. at. (adrakadrakao): Atao mitsangantsangana (volo): Nadrakadrakan'ilay alika ny volony. Ahitsio |
Adraina [admin] | : | (adra) mt.ih, (adrao): Lavina am-pifaliana; esoesoina, ivaivaina. Ahitsio |
Adraiko [admin] | : | (draiko), mt. at. (adraikoy): Asaina midraiko, asaina mandeha mijaikojaiko: Adraikony er? ny tongony rehefa mandeha, mova tsy irony zaza be parasy fahiny irony. Ahitsio |
Adradradradra [admin] | : | (dradradradra), mt. at. (adradradradrao): A-tao midradradradra: Feo mafy mikarantsana no nadradradradrany, ka tsy nisy tsy nandre ny fokontany. Ahitsio |
Adra [admin] | : | t,-p.: tenim-piontanana enti-mandà amim-pifaliana na enti-maneso, manivaiva: Adrà! tsy vitako izany! ¶ M.h.: Aisy, aoe, adrao, editay, eisieisy, isitra. - t.i.f.: adraina ) miadra, fia-dm, mpiadra 1 iadrana, fiadrana ( mampiadra. Ahitsio |
Adoroboka [admin] | : | (doroboka), mt. at. (adorobohy): Atao midoroboka be ambany sy mirebareba: Aza adoroboka toy izao ny akanjonao, Raivo, fa mba ataovy etiety fohifohy. Ahitsio |
Adoraraka [admin] | : | (doraraka), mt. at. (adoraraho): Asaina midonana-poana. Ahitsio |
Adongaingy [admin] | : | (dongaingy), mt. at. (adongaingeo): Atao midongaingy, izany hoe mikainkona mihaona amin'ny...: Nadongaingin'ny fitondranci entana ny lohan'i Rainiraoty ka zary niientika tao amin' ny lamosiny. Ahitsio |
Adonaka [admin] | : | (donaka) mt. fit. (adonafy): Enti-mandonaka, manempotra amin'ny setroka: Afom-bozaka roa entana no nadonany anay tao anefitra ka sempotra daholo izahay rehetm. Ahitsio |
Adonadonina [admin] | : | (adonadona), mt. ih. (adonadony): Tratrevatrevaina: Aza dia adonadonina toy izany ny anabavinao. Ahitsio |
Adonadonana [admin] | : | (adonadona), mt. ih. (adonadony): Esoina, tsiratsiraina, vingavingaina. Ahitsio |