Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitory: (tory) a.: Fomba entina mitory, izany hoe manasilaka ny tsiratsira-javamaniry iray mba hofolesina, na manisy soritra manelanelana manavaka, na miampanga olona nanao hadisoana amin' ny fitsarana, na milaza sy mivaofy ny tenin'Andriamanitra. ? p.t.: Azo torina. Ahitsio
Fitosahana: (tosaka) a.: Fitobahana betsaka indray mandeha; fahavakiana: Tsy hita holazaina ny fitosahan'ny .uoankazo eo an-tsena ankehitriny izao, Ahitsio
Fitosaka: (tosaka) a.: Toetran' ny zavatra mitosaka, mitobaka betsaka indray mandeha. Ahitsio
Fitosiana: (tosy) a.: Fihetsehana miangolangola mba hanehoam-pitiavana na hierenampitia amin'ny olona ifampiresahana: Endre izany fitosian'i Bao kely amin-dreniny raha misy zavatra angatahin y, Ahitsio
Fitosy: (tosy) a,: Fomba entina mitosy, izany hoe manao fihetsehana miangolangola mba hanehoam-pitiavana amin'ny olona ifampiresahana. Ahitsio
Fitot6tra: (tototra) a.: Toetran' ny hozatra mitotdtra, izany hoe milefaka. Ahitsio
Fitoto: (toto) a.: Fomba entina mitoto. ? p.t.: Azo totoina. Ahitsio
Fitotoana: (toto) a.: Famotipotehana zavatra: Fitotoana kafe. ? Fikosehana ny vary akotry hialan'ny hodiny: Ilana tanjaka ny fitotoam-bary. Ahitsio
Fitotongana: (totongana) a.: Toetran'ny zavatra mitotongana, izany hoe mihilana, mihohoka, na miletsy, mietry, mandrorona. Ahitsio
Fitotonganana: (totongana) a.: Fihilanana, fihohofana: Taitra noho ny fitotonganan' ny vilany Isambilo ka nihazakazaka nanarina azy. ? Fihenana, filetsena, fitambotsoram-bidy: Nilaza ho maty antoka ny mpamboly noho ny fitotonganan'ny vidimbary. ? Fietrena, fandroronana: Tenenina hatraiza hatraiza ankehitriny ny fitotonganan'ny teny malagasy! Ahitsio
Fitotototo: (totototo) a.: Fomba entina mitotototo, izany hoe mivezivezy manao dia maika manketsy mankeroa nefa tsy misy vokany toy inona. Ahitsio
Fitotototoana: na Fitotototo (totototo) a.: Fivezivezena manao dia maika manketsy mankeroa nefa tsy misy vokany toy inona: Mampangoraka ny m?ery ny fitotototoan'io vehioauy marary anaka ici. Ahitsio
Fitoty: (toty) a.: Fomba entina mitoty, izany hoe mitandrina, mikajy, mikolokolo. 1 Zavatra fitandrina, fikajy, fikolokolo. Ahitsio
Fitovana: (tovana) a.: Toetran' ny zavatra mitovana, izany hoe misy tovana na fanampiny eo ambaniny, fitohizany. Ahitsio
Fitovanana: (tovana) a.: Fisiana tovana na fanampiny eo ambaniny, fitohizana: Ny fitouanan'ny volony no mahalava ny azy. Ahitsio
Fitovevena: (tovevy) a.: Fitongilanana. Ahitsio
Fitovevy: (tovevy) a,: Toetran' ny zavatra mitovevy, fitongilàna. Ahitsio
Fitoviana: (touy) a.: Fifanahafana, fifandraikana, tsy fahasamihafana: Misy fitouiana amin'izy roa lahy ireto. - Fitovian-tsaranga: Fitovian- daharam- boninahitra ka tsy misy atao hoe ambony na ambany. Ahitsio
Fitovo: (tovo) a.: Toetran'ny olona tsy manambady. Ahitsio
Fitovoana: (tovo) a.: Ny tsy fananam-bady, fananotena: Ny fitouoana no arNaran'ny pretra sy ny relijiozy amin'ny fivavahana katolika. Ahitsio