Teny nampidirina farany

Doroana
[admin]
: (doro) mt.ih. (doroy) : Ampirehetina, tsoloana afo : Doroy ireto fako ireto. Ahitsio
Doro
[admin]
: a. Tsolo; fampirehetana, fanaovana izay hahamasaka na hahakila zavatra : Doro tanety. - t.i.f. : Doroana, voadoro, donoro ( mandoro, fandoro, mpandoro ( andoroana,fandoroana, Ahitsio
Dorkasy
[admin]
: a: Fikambanam-behivavy protestanta, misy saika isam-piangonana, ka misahana fanaovana asa soa na fiantrana amin'ny mahantra, marary, kamboty. Ahitsio
Doria
[admin]
: p.mt. : Enti-milaza fotoana lava tsy manam-piafarany, ary matetika ialohan'ny teny mitovy hevitra aminy hoe mandrakizay : Mondrakizay doria! Ahitsio
Dory
[admin]
: a. ; Amponga fampiasa amin'ny lanonana masina fivavahana, tromba.,. Ngeza kokoa izy noho ny anakidoro. Matetika dia miaraka ny feon'ireo amponga roa ireo ka misy midoboka st' mikarantsana; any amin'ny faritany andrefana sy avaratra andrefana no mampiasa azy. Ahitsio
Doretra
[admin]
: p,t. : Jar. Toretra. Ahitsio
Dorehitra
[admin]
: p.t. : Mena be mangatrakatraka sy mivolon' af o. 1 t.i.f. : Midorehitra, fidorehitra. Ahitsio
Doraraka
[admin]
: na Doreraka p. t.: Mipetrapetra-poana tsy manao na inona na inona; kamo sy kalaina. - t.i.f. : Adoraraka, tafadoraraka / midoraraka, fidoraraka, mpidoraraka / idorarahana,fidorarahana. Ahitsio
Doranga
[admin]
: (Ski) a. : Fivelezana amponga na zavatra mikorintsana rehefa manao morenge (na moraingy) na ady totohondry. Ahitsio
Dorana
[admin]
: (dotra) mt.ih. (dory) Ampirehetina, asiana amin' ny afo : Nodoran'ny olona ny tanety. 1 Levonina amin' ny afo : Nodorana ny fitafiany fa matin'ny areti-mifindra izy. • Poretina, terena Nodoran'ny Fanjakana ny mpifehy ny faritany mba hampanao lalana haingana. Ahitsio
Dora
[admin]
: p.t. : Be haim-bava,fatrapidoka tena. Ahitsio
Dontonana
[admin]
: a. : Ny tohan'ny akalana ipetrahan'ny riandriana. Ahitsio
Dontoina
[admin]
: (donto) mt.ih. (dontoy): Atao tonga marenindrenina: Mahagaga fa nodontoin'ny aretina io zaza io. • Domboina: Aza dontoina amin'ny vato ny angadinao. ? Tonga tsy mailaka, tsY matasilo intsony : Nodontoin'ny asa mafy loatra zaza ity ka izany no tsy androsoany amin'ny fianarana. Ahitsio
Donto
[admin]
: p.t. : Tsy mandre tsara fa marenindrenina : Donto mihitsy ny sofin'io zaza io : intelo izy no antsoina vao mahare. • Dombo ny lelany na bontolo ny lohany : Donto ity fandraka • H.i. : Tsy mora mandray fampianarana : Donto velona izany raha zaza : telo volana vao mahay abidy. • Enti-milaza ny vilany izay maharitra elaela vao tanteraky ny hafanana : Ario any io vilany io fa donto izaitsizy : adiny iray vao mahamasa-bary. - t.i.f. : Dontoina, voadonto ( manadonto, fanadonto, mpanadonto) anadontoana, fanadontoana. Ahitsio
Donotra
[admin]
: (dotra) mt.ih. misy tsofoka on : Voadotra, dora-na, levonina amin'ny afo : Nodonotra ny fitafian'ilay matin 'ny are ti-mifindra, Ahitsio
Donoro
[admin]
: (doro) mt.ih, misy tsofoka on : Voadoro, doroana, tsoloana afo : Nodonoron'ny fahavalo ny tanàna . Ahitsio
Donina
[admin]
: (dona) mt.ih (dony): Pohina : Nodonin'ny andry ny lohako ka fanina mihitsy aho. • Pehina : Doninao mafy loatra ny uarauarana. • H. o. : Asian-teny henjana, tenenina mafy : Nodonin'ny lehibeny izy ka uaky barara tery, - F,-p, : Dony tapany handoa erany : tambatambazo amin'ny zavatra kely mba ha-nome be. / Dony ny tanin' Andriana : izay mifody tsy manana : teny fanao rehefa avy manao fanekena na dina, ka ny heviny dia hoe : aoka hodonina ny tanin'nympanjaka (taloha ny tany rehetra dia an' ny mpaniaka), ka izay mivadi-panekena, aoka izy ho foan-tanana, * Ohab.: Mitsako tsy re ka kenda vao dony aho, ranaotra : raha sendra zava-tsoa ny tena, mihinan-drery, fa raha misy mahavoa kosa, miantso vahoaka. Ahitsio
Donika
[admin]
: a. : Aretina mampivonto ny foto-tsofina : ny amantarana azy voalohany mandrakariva dia ny fivontosan'ilay mosavin-kena atao hoe glandes parotides eo ambanin'ny sofina indrindra sy tandrifiny. Ahitsio
Dongona
[admin]
: a. : Havoana mandondona; tanjona na antontan-javatra miavoavo toy ny famoloana na ny fasana anritra mivohom-pafana. - F.-p. : Dongon-tany : entimilaza ny fasana : Ao ambany dongon-tany, ao anaty uatam-paty misy reny tsy miteny, hatry ny ela no tavela. (Eliza Freda) Ahitsio
Dongina
[admin]
: (dongy) mt.ih. (dongio) : Tadiavina hotanana ho an'ny tena nefa an'olona : Dongin'ny zanakao fotsiny ny kilalaonay. Ahitsio