Teny nampidirina farany

Dongy
[admin]
: (Ski) a. : Anaran'ny hazo kely marani-doha arnpiasaina amin'ilay filalaovana eny amin'ny fasika atao hoe kinapo (Jer. io). Ahitsio
Dongy
[admin]
: a. : Fijanonana tsy metY manao zavatra ampanaovina na mandeha fa tsY faly; henahena, fitokonana : Raha mba zozo be dongy re izany! i Ditra. - t.i.f. : Midongy, fidongy, mpidongy / idongiana, fidongiana. Ahitsio
Dongary
[admin]
: (Skl) a : Harona boribory lavalava fasian'ny Tanosy sy ny Bara fotsimbary. Ahitsio
Dongara
[admin]
: a. : Karazam-balala. Ahitsio
Dongalia
[admin]
: (Skl) a. : Karazan'androngo mavo, kely mailaka, izay velona eny amin'ny fasika. Ahitsio
Dongaingy
[admin]
: Enti-milaza olona fohy vozona na fohy tenda ka ny lohany toy ny milentika ao anatin' ny lamosiny, noho ny fitondrana enta-mavesatra lava na antony hafa. - t.i.f. : Adongaingy, tafadongaingy / manadongaingy, fanadongaingy, mpanadongaingy / anadongaingena, fanadongaingena / midongaingy, fidongaingy, mpidongaingy /idongaingena,fidongaingena / mahadongaingy. Ahitsio
Donga
[admin]
: Dongadonga p. t. : Matavitavy kely ka hita botabota ny takolany, tanany, tongony. ¶ M.h. : Botrabotra, botrefona, dofodofotra. - F.-p. : Donga tsy minono : enti-milaza ny akohokely na ganakely matavitavy botabota. * Ohab. : Ny lainga donga takona fa mahia mifanatriko : raha mbola tsy hita ny mahalainga ny lainga, dia toy inona er3, fa raha vaky am-batolampy kosa, maharikoriko. Ahitsio
Donendrina
[admin]
: p.t. : Tsy mahalala na inona na inona fa bado sy adaladala. i t, i.f. : Midonendrina, fidonendrina, mpidonendrina. Ahitsio
Dondrina
[admin]
: p.t. : Donto saina, tsy kinga, miraikiraiky f oana : Zozo dondrona koa itony! Ahitsio
Donda
[admin]
: ft. : Enti-milaza ny hamafy sy ny lanjan'ny lamba mifanaraka amin'ny hateviny. i t.Lf. : Mandonda. Ahitsio
Donanaka
[admin]
: a. : Tsy fanaovana na inona na inona, fitomoemoe-poana varimbariana amin'ny tsinontsinona. - t.i.f. : Midonanaka, fidonananaka, mpidonanaka / idonanahana, fidonanahana. Ahitsio
Donàna
[admin]
: p.t, : Donto saina, ketrina, taraiky. Ahitsio
Donaka
[admin]
: a. : Setroka be na hafanana manevokevoka; vono na kapoka atao. i tai. f. : Donahana na donafana, adonaka / mandonaka, fandonaka, mpandonaka Iandonahana,fandonahana / midonaka, fidonaka, mpidonakalidonahana,fidonahana. Ahitsio
Donaina
[admin]
: (dona) rat. ih. (donao) : Kapohina, velesina, asiana mafy : Nodonainan'ny zokiny izy ka nahatsiaro fanina. Ahitsio
Donahana
[admin]
: na Donafana (donaka) mt.ih. (donahy na donafy) : Semporina amin'ny setroka : Aza donofana ny uahiny, rankizy. • Asiana : Nodonafany tehamaina ny zandriny. Ahitsio
Dona
[admin]
: a. : Fipaika, izay entimilaza amin'ny daomy fa tsy manana ny masom-bato mitovy amin'izay miseho ny mpilalao, ka ny mpilalao manaraka no mandeha (Jar. Daomy). Ahitsio
Dona
[admin]
: Dondbna a. : Poka, fifampipaihan-javatra roa; kapoka, vely. - t.i.f. : Donna, adona, voadona I mandona, mandondona, fandona, mpandona / andondonana, fandondonana / midona, fidona, mpidona / idonana, fidonana. ~ F.-p. : Don-tany : fiampangana olona mivantana izao ho nanao zavatra iraY, loba hitsapana azy na nanao tokoa na tsia, kapo-tandroka. I Don-tandroka : teny fampitahorana atao amin'ny osa, saro-tahotra.., mba hahatonga azy hamboraka ny ao ampony na hanaiky lembenana, fomba mazàna amPiasain'ny mpaka am-bavany. / Don-tokana : kotrok'orana indray mandeha monja, mahatonga fihetseham-po malahelohelo. / Don-davitra : kotrok'orana any lavitra mahatonga hanembonembona ny havana tsy eo anatrehana. Ahitsio
Domohina
[admin]
: a. : Voromailaladia. Ahitsio
Domiverina
[admin]
: (dona miuerina) a : Fipaikan-javatra amin' ny rindrina na zavatra hafa izay mahatonga azy hiverina amin'ny toerana niaviany ihany indray : Raha sendra rindrina ny feo, dia manao domiuerina, ka izany no mahatonga ny ako. Ahitsio
Domelina
[admin]
: p.t. : Donto, mahatsiaro ny loha ho mavesatra, tsy afa-manao na inona na inona : Mafy izay asa indroa andro nisesy izay : domelino mihitsy izany ny lohako. Ahitsio