Teny nampidirina farany

Doboka
[admin]
: a. : Feon-javatra midafoka, mipoaka, ka mirohana sy migoboka. 1 Faon' ampongabe velezina na ny zavamaneno sy ny feon'ny olona manao feo ambany dia ambany : Henonao izany dobok'amponga izany ? i t.if. : Dobohana, dobofana, adoboka 1 mandoboka, fandoboka, mpandoboka 1 andobohana, fandobohana 1 midoboka, fidoboka, mpidoboka 1 idobohana, fidobohanaldobodoboka. Ahitsio
Doboka
[admin]
: ft.: Enti-milaza fijanonana, fipetrahana elaela amin'ny tany na toerana iray. i t.i.f. : Adoboka, voadoboka, tafadoboka / midoboka, fidoboka, mpidoboka / idobohana, fidobohana / mahadoboka. Ahitsio
Dobohana
[admin]
: na Dobofana (doboka) mt. pdr. (dobohy na dobofy) : Velezina mafy ka miteraka feo migoboka izany : Nodobohany (na nodobofany) totohondry ny lamosiko. Ahitsio
Dobofoka
[admin]
: a. : Jar. Dabofoka. Ahitsio
Dobodobony
[admin]
: p, t. : Dongadonga ; entina milaza indrindra ny zana-borona matavitavy tsy mbola tonga elatra tanteraka. Ahitsio
Dobo
[admin]
: a.: Lavaka ihandronan' ny rano, izay mazàna vitantanan'olombelona, fa tsy tahaka ny kamory na ny farihy, izay vita-Nanahary : Nanao dobon-trondro anankiroa izahay ers) amin'ny tanin'anana. 1 Farihy kely : Misa dobo kely ao andrefantranonay. M.h. : Farihy, kamory, ranovory, ranomihandrona, antara, heniheny, hetrina, honahona, hotsaka, petsapetsa, matsabory. Ahitsio
Dobibika
[admin]
: a. : Fivangongoan-javatra betsaka tsy misy ilana azy ; fitobian-javatra tsy dia manahoana. - t.i.f. : Adobibika, voadobibika / manadobibika,fanadobibika, mpanadobibika I anadobibihana, fanadobibihana. Ahitsio
Dobebaka
[admin]
: p, t. : Mivelatra sy makadiry ny vavany.l Botetaka, mipetraka mibahantoerana noho ny hatezerana. 1 t.i.f. : Midobebaka, fidobebaka, mpidobebaka 1 idobebahana, fidobebahana. Ahitsio
Doba
[admin]
: p. t. : Bota be sy botrefona ( mitovy hevitra amin' ny Dobarabe, saingy miborabora malemilemy). Ahitsio
Dobarabe
[admin]
: p. t. : Bolangina sY vaventy ary matavy sy botref ona. Ahitsio
Dobàka
[admin]
: p. t. : Misafoaka noho ny hatezerana fa tsy mahatsindry fo. • Ngeza sy vaventy ary makadiry. Ahitsio
Doany
[admin]
: na Ladoany (fr. doua-ne) a. : Vola aloa ho fadintseranana. / Sampan-draharaham-panjakana maka ny fadin-tseranana. Ahitsio
Doany
[admin]
: a. : Toerana misy ny fasa-mpanjaka sakalava izay ivavahana angataham-pitahiana. Ahitsio
Doanana
[admin]
: (doana) mt. ih. (doany) : Kapohina, velesina mafy araka ny aina. Ahitsio
Doana
[admin]
: ft. : Enti-milaza fandonana mafy, kapoks midoboka izaitsizy. 6 t.if.: Doanana, voadoana 1 mandoana, fandoana, mpandoana 1 andoanana, fandoananal mahadoana. Ahitsio
Doaka
[admin]
: a. : Vovoka na setroka mitorajofo, ary misy fofona toa manempotra kely na mafaraka mahakofona. 6 t.f.f. : Midoaka, fidoaka 1 idoafana na idoahana, fidoafana na fidoahana. Ahitsio
Doafana
[admin]
: (doaka) mt.ih, (doafy) : Velesina, tontana. Ahitsio
Doadoa
[admin]
: (dohadoha) a. : Eboebo, hadedahana; teny feno rehareha sy hambo. - t.i.f. : Midoadoa, fidoadoa, mpidoadoa / idoadoana, fidoadoana. Ahitsio
Do-
[admin]
: Tovona fanaovana fototeny faharoa milaza toetra mifandray amin'ny hevitry ny fototeny voalohany : Dorehitra (rehitra). Ahitsio
Do
[admin]
: a. : Ny feo voalohany na ambany indrindra amin'ireo ambaratongam-peo fito amin'ny gama. Ahitsio