Teny nampidirina farany

Dombolo
[admin]
: a. : Karazan-javamaneno mitovy amin'ny doka (jer. io teny io), saingy tsy mba misy korintsana eo antendrony, fa volotsangana fotsiny sahabo ho iray metatra sy sasany eo ho eo, ary mitovy habe amin'ny sandry; ny mpandihy lehilahy ihany no mampiasa azy. Ahitsio
Dombo
[admin]
: p.t. : Tsy maranitra : Dombo ny antsinao. • Donto ny lohany : Fantsika dombo. i tif : Domboina, voadombo / manadombo na mandombo, fanadombo, mpanadombo / anadomboana, fanadomboana / mahadombo / dombodombo. Ahitsio
Domba
[admin]
: p.t. : Mivohitra mandroso be : Domba ny orondRamotoo io. - t.i.f. : Mandomba, fandomba. Ahitsio
Domatina
[admin]
: a. : Ny tadim-baliha na ny tadin-dokanga ambany feo indrindra fanaovana beso. Ahitsio
Dolotra
[admin]
: a. : Jer. Dilotra. Ahitsio
Dolelaka
[admin]
: (t.tr.) o. : Koka lava, feo tokana lavareny rehefa miantso. • Fiantsoana olona ka halavaina na tarihina ho lava ny fanononana ny vaninteny farany amin'ny anarany na ampiana zana-peo toy ny a, ô! (ankehitriny). Ahitsio
Dola
[admin]
: Doladola a. : Fihetsika miangotingoty raha mandeha ka ny loha araidraika ary ny vatana atolilalila miankavia miankavanana. - t.i.f. : Adoladola / manadoladola, fanadoladola, mpanadoladola / anadoladolana, fanadoladolana / midoladola, fidoladola, mpidoladola / idoladolana, fidoladolana / mahadoladola. - F.-p. : Miara-midola : enti-milaza fiarahan'ny olona roa mamindra misy fiangotingotiana ka somarY mifampiraidraika ny loha. Ahitsio
Dokotra
[admin]
: a. : Karazam-borona mitovitovy amin'ny ganagana. Sarin-dokotra : Safiotra avy amin'ny fikambanan'ny ganagana sy ny dokotra. Ahitsio
Dokotera
[admin]
: o. : Mpanasitrana na mpitsabo vita fianarana ka nahazo filazam-pahaizana. • Olo-mahay nahazo filazampahaizana ambony momba ny sampam-pahaizana manokana iray. Ahitsio
Dokoroka
[admin]
: a. : Fanjoretra na fanjonitra atao mba hangorahan'ny olona ny tena. - t.i.f. : Mandokoroka, fandokoroka, mpandokoroka / andokorohana, fandokorohana / mahadokoroka. Ahitsio
Dokoa
[admin]
: a. : Voron-keniheny. Ahitsio
Doko
[admin]
: o. : Sanga na vola atao mibokoboko eo aloha na eo aoriana an-katoka.l Nofo na mokon-doha hita amin'ny vavan'ny vorona indraindray na amin'ny oron'ny olona sasany. Ahitsio
Dokana
[admin]
: (doka) mt. ih. (dokay): (Vato) loahana na lavahana (mba hanapoahana azy). Ahitsio
Dokafana
[admin]
: (doka) mt. ih. (dokafy) : Hindrahindraina amin'ny fiderana; roboana : Nodokafany loatra ny zanany ka nanjary mpiauonauona. Ahitsio
Dokadoka
[admin]
: ft. : Enti-milaza firobonan-javamaniry maitso sy milenodenoka fatratra. i t.i.f. : Midokadoka. Ahitsio
Doka
[admin]
: a. : Fanindrahindrana olona amin'ny fiderana azy; robo, fiderana olona, izay kendrena hamalifaliana azy, indraindray omban'ny fanantenana hahazo soa avy aminy : Tia doka loatra io mpitondra io ka manjary fatra-pisolelaka ny olona entiny. i t.i, f. : Dokafana, voadoka / mandoka, fandoka, mpandoka / andokafana,fandokafana / midoka, fidoka, mpidoka / idokafana, fidokafana. Ahitsio
Doka
[admin]
: a. : Fandoahana na fandavahana vato iray mba hahazoana manapoaka azy. i t.i.f. : Dokana, voadoka / mandoka na manadoka, fanadoka, mpanadoka / andokana, fandokana / mahadoka. Ahitsio
Doka
[admin]
: a. : Karazan-javamaneno miendrika tehina vita amin' ny volotsangana, saingy olona iray ihany no mitondra azy, dia ny lehilahy mpitarika ny dihy amin'ny lanonan-dehibe toy ny famadihana : atontona anin'ny tany lzy mba hidoboka ary asiana korintsana eo an-tendrony. Ahitsio
Dohaka
[admin]
: p.t. : Mpirehaka, mpirehareha ho manao izao sy izao. - t.i.f. : Midohaka, fidohaka, mpidohaka / idohafana, fidohafana. Ahitsio
Dohàka
[admin]
: p.t. : Enti-milaza feo mangoboka sy mitrena. - t.i.f. : Adohàka / midohàka, fidohàka, mpidohàka / idohàfana, fidohàfana. Ahitsio