Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandelefana: (lelika) a.: Fanotorana, fanaronana. Ahitsio
Fandelika: (lelika) a.: Fomba entina mandelika, manototra, manarona. Ahitsio
Fandemahana: (lemaka) a.: Fanarenana (tany). Ahitsio
Fandemaka: (lemaka) a: Fomba entina manarina tany. Ahitsio
Fandemana: (lena) a.: Fanasiana rano (zavatra), fanamandoana. Ahitsio
Fandemena: (lemy) a.: Fanaovana izay hampahalemy. Ahitsio
Fandemolemo: (lemolemo) a.: Fomba entina mandemolemo, mamonjafonja, mamotsipotsika. Ahitsio
Fandemolemoana: (lemoiemo) a.: FamonjafonJana, fitsapatsapana, famotsipotsehana. Ahitsio
Fandempona: (lempona) a.: Fomba entina mandempona, na manisy lempona. Ahitsio
Fandemponana: (lempona) a.: Fanasiana lempona. Ahitsio
Fandemy: (lemy) a.: Fomba entina mandemy. 1 Karazankazo madinika anaovana fanafody mamono hozatra. Ahitsio
Fandena: (lena) a.: Fomba entina mandena. / p. t.: Azo lemana. Ahitsio
Fandeno: (leno) a: Fomba anatsobohana ao anaty leno, zavatra atsoboka ao anaty le-no ( ny leno dia zavatra fampandairana ny loko amin'ny lamba). Ahitsio
Fandenoana: (leno) a.: Fitanehana leno; fanatsobohana ao anaty leno mba hampandaitra tsara ny loko. Ahitsio
Fandentehana: (ientika) a.: Fanatsatohana: Fandentehana fantsika. 1 Fanasitrihana, fandrendrehana: Fandentehan'ny onja ny lakana. • Famelezana izaitsizy, fampihitsohana, fampidirana amin' ny kizo: Tsy anerany izay fandentehan'ny mpitsara azy izay, Ahitsio
Fandentika: (lentika) a.: Fomba entina mandentika. • p. t.: Azo alentika. Ahitsio
Fanderana: (letra) a.: Fampidirana an-kery, fandentehana an-terisetra. Ahitsio
Fandesohana: (lesoka) a.: Fanasiana pepo, fandemponana, ? Faniniana, famasohana, fanomezan-tsiny: Fandesohana ny asako foana no ataonao. Ahitsio
Fandesoka: (lesoka) a.: Fomba entina mandesoka, maniny, manome tsiny, mamasoka. Ahitsio
Fandetra: (letra) a: Fomba entina mandetra, manatsofoka na manesika an-kery, fomba entina manao an-kery. Ahitsio