Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanatsovahana: (tsovaka) a.: Fandorana amin'ny rano mangotraka. Ahitsio
Fanatsovaka: (tsovaka) a.: Fomba entina manatsovaka, mandotra amin'ny rano mangotraka. Ahitsio
Fanavana: (hovana) a.: Fomba entina manavana, izany hoe manatsikera na manala ny lavenona. Ahitsio
Fanavanana: (hauona) a.: Fanatsikerana, fanalana ny lavenona avy ao am-patati. Ahitsio
Fanavangavana: (havana) a.: Fomba entina manavangavana, izany hoe manvakavaka ka mampihataka ny havana sasany. Ahitsio
Fanavangavanana: (hauona) a.: Fanavakavahana sy fampihatahana ny havana ory. Ahitsio
Fanavangongo: (vangongo) a.: Fomba entina manavangongo, manavovona. Ahitsio
Fanavangongoana: (vangongo) a: Fampitangoronana zavatra miavoavo amin'ny toerana iray : Fanavangongoana vato. Ahitsio
Fanavao: (vao) a.: Fomba entina manavao. 1 p.t. : Azo havaozina. Ahitsio
Fanavaozana: (vao) o.: Fanoloana hala : Isaky ny efatra na dimy tanna no fanovaozana ny fitaovam-pambolena. 1 Fanamboarana ho tonga tahaka ny vaovao : Fanavaozana fiarakodia mihitsy raha it9 trano fanamboarana 1 Famerenana indray, fanindraozana : Raho tianao, dia hanao fanavaozana ny fifanekentsika isika izao. / Fanavaozana ny toky nomena tamin'ny batemy. Ahitsio
Fanavarerahana: (vareraka) a.: Famelana (fitafiana) hiborotsaka, hirefarefa. Ahitsio
Fanavareraka: (vareraka) a: Fomba entina manavareraka, mamela (fitafiana) hiborotsaka, hirefarefa. Ahitsio
Fanavarorahana: (varoraka) a.: Fanaketrahana, fanagedragedrana. Ahitsio
Fanavaroraka: (varoraka) a: Fomba entina manavaroraka, mampiboraka sy mamaha. Ahitsio
Fanavarozahana: (varozaka) a.: Fanakiraviravezana, filazana zavatra mitarozaka sady miverimberina. Ahitsio
Fanavarozaka: (varozaka) a.: Fomba entina manavarozaka, manakiraviravy, milaza zavatra mitarozaka sady miverimberina. Ahitsio
Fanavatsava: (tsavatsava) a.: Fomba entina manavatsava, tsy mandeha arnin'ny tena lalana fa manapatapaka manao hitsin-dalan. Ahitsio
Fanavatsavana: (tsauatsava) a.: Tsy fandehanana amin'ny tena lalana fa manapatapaka manao hitsin-dalan hatraiza hatraiza; fandehanana amin' ny toerana tsy misy sori-dalana masaka. Ahitsio
Fanaviana: (avy) a.: Fisondrotan'ny hafanan'ny tena,izay matetika miaraka amin'ny aretina iray izay manindry ny tena : misy fanaviana raha voan'ny tazo na sery mahery ans... Ahitsio
Fanavokavohana: (hauokauoka) a: Fikapohana mandrivorivo, sady mafy no imbetsaka. Ahitsio