Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandetsena: (letsy) a.: Fampietrena, fampihenana vidin'entana amidy. Ahitsio
Fandetsy: (letsy) a.: Fomba entina mandetsy, mampietry, mampihena vidin'entana amidy.l P. t : Azo letsena. Ahitsio
Fandevena: (levy) a.: Fangotrahana. Ahitsio
Fandevenana: (levina) a.: Fanitrihana na fanotofana na fanafenana ao anaty tany,enti-milaza ny fomba rehetra arahina rehefa manatitra ny nofon'ny olona iray maty ao am-pasana. ( Ahitsio
Fandevilevena: (leuiieuy) a: Fitezerana sy fandrahonana mafy, fitenenana an-katezerana. Ahitsio
Fandevilevy: (levilevy) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mangotraka. 1 Fomba entina mandrahona, mitezitra. Ahitsio
Fandevina: (leuina) a.: Fomba entina mandevina, manitrika na manototra na manafina ao anaty tany. Ahitsio
Fandevona: (leuona) a.: Fomba entina mandevona, manafoana, manafongana. Ahitsio
Fandevonana: (levona) a.: Fanafonganana, fanafoanana: Fandeuonana ny firenena ny famelana ny toaka hitobaka eran'ny tany sy ny fanjakana. 1 Fanimbana: Tsy ekeko izao fandevonana ny voninkazoko izao. / Fandringanana, fandripahana: Henemana monja ny fandeuonan'ny tafiky ry zareo ny fahavalony. 1 Fampanjariana ho fofona, etona. ranony...: Hain-8ana ny fandeuonana ny siramamy ao anaty rano. 1 Fampanjariana ho zavatra mahavelona ny tena: Maharitra adiny roa na telo eo ho eo ny fandeuonana ny sakafo hanintsika. Ahitsio
Fandevy: (levy) a: Fomba na toetran'ny zavatra mandevy, izany hoe mangotraka: Ny fandeuin'ny rano. Ahitsio
Fandfrohonana: rohona) a.: Firaondraonam-peon-javatra any lavitra. Ahitsio
Fandiafasika: a.: Karazam-boronkely mahafinaritra izay matetika mandeha tsiroaroa ka manainganainga volombody matetika eny am-pandehanana; eny amin'ny fasika eny amoron-drano no ahitana azy matetika ka izany no nahatonga ny anarany, izay atao koa hoe lavasalaka na triotrlo, salahy, seritse. Ahitsio
Fandiavana: (dia) a: Fitetezana: Nireharehany ny fandiauany ny faritany enina eto Madagasikara, 1 Fanitsahana: Mahapotraka ny fandiauana ny ahitra lena. 1 Zavatra fametraka eo an-tokonana na eo an-tongo-pandriana mba handiavan'ny tongotra: It9 taretra uao novidina ity atao fandiavana. 1 Tokonana: Raha vao nanitsaka ny fandiauana izy dia potraka. Ahitsio
Fandidiana: (didy) a: Fanapahana: Inty ny antsy fandidiana mofo. 1 Fandrasana: Fandidian-këna. 1 Fanetezana lamba ho akanjo: Mila fahatzana ny fandidiana akanjo. 1 Fandrasana nofo na fanapahana taova ao amin'ny tenan'ny olombelona mba hapalana aretina: Natao omaly ny fandidiana an-dRakoto. / Fifehezana, fanapahana: Rabe no tompon'ny fandidiana eto amin'ny faritany. 1 Fandaharana: Nantsoiny ny zanany fa hanao ny fandidiana ny fananany izY. Ahitsio
Fandifiana: (dify) a.: Fanasiana dify. Ahitsio
Fandifihana: (difika) a: Fanapitihana. Ahitsio
Fandiivana: (lo) a: Fanaovana izay hahatonga lo. Ahitsio
Fandíka: a.: Aretina mampivonto ny ankasarotana, izay matetika heverina ho mosavy nataon'olona. Ahitsio
Fandikana: (dika) a.: Fihoarana avy ambony, fiseranana na fivikinana eo anoloana na eo ambony: Tsy fanao na oviana na ouiana ny fandikana olon-dehibe matory amin'ny tan y. 1 Tsy fanarahan-dalàna: Mahavoasazy ny fandikana ny didy aman-dalàna. 1 Fakan-tahaka: Tsy nanao afa-tsy fandikana ny entimodin'ny namanao ianao. 1 Famadihana amin'ny f?tenim-pirenen-kafa: Sarotra ny fandikana ny hain-teny malagasy amin'ny teny frantsay. Ahitsio
Fandikarana: a,: Fanaovana zavatra tsy am-pilaharana ka misy voadingana na hadino. Ahitsio