Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandambanana: (lambana) a: Fanemerana amin'ny tsihy, fametahana peta-kazo. Ahitsio
Fandambolambo: (lambolambo) a: Fomba entina mandambolambo na mandama mba hililotra taara. 1 H.o.: Fomba entina manatsara, mandokadoka; tomba entina manafosafo, manambitamby. 1 p, t : Azo lambolamboina, halamaina mba hililotra tsara; azo dokadokafana, hatsaraina; azo safosafoina, tambatambazana. Ahitsio
Fandambolamboana: (lambolambo) 4: Fandamanana mba hililotra tsara: Vita taara ny rafitr'it9 latabatra fa ny fandambolamboana azy sisa. 1 Fanataarana, fandokandokafana: Na manao ahoana na manao ahoana fandambolamboanao izany hevitra izany, hevitra manodoka fotsiny io fa mamohehatra / Fanafosafoana, fanambatambazana: Tsy hampioua ny hevitro ny fandambolamboanao ah y. Ahitsio
Fandamina: (lamina) a.: Foinba entina mandamina na mametraka (zavatra) amin'ny toerana tokony hisy azy avy. Ahitsio
Fandaminana: (lamina) a: Fikarakârana mba hirindra tsara; fanamboarana, fandantoana, fandrindrana. Ahitsio
Fandamohana: (lamoka) a.: Fanavesarana, fanaovana izay hahasasatra, hahatofoka. Ahitsio
Fandamparana: (lampatra) a.: Fanatsorana lava be ny tongotra rehefa mandry ka tonga mahakasika olona. Ahitsio
Fandampatra: (lampatra) a: Fomba entina mandampatra, manatsotra lava be ny tongotra raha mandry. Ahitsio
Fandango: (tango) a.: Fomba entina mandango, manangoly. Ahitsio
Fandangoana: (tango) a: Fanambatambazana, fanangolena. Ahitsio
Fandanja: (lanja) a: Fomba entina mandanja na manombana ny havesatry ny zavatra amin'ny alalan'ny mizana. ? p. t,: Azo lanjaina Ahitsio
Fandanjana: (lanja) a,: Fijerena, fanombanana ny havesatry ny zavatra amin'ny alalan'ny mizana. 1 Fandinihana, fiheverana izay mety ho vokatry ny atao; fanombantombanena, Ahitsio
Fandanonana: (lanona) a: Fangoronana sy fampirimana. Ahitsio
Fandanto: (lanto) a: Fomba entina mandanto na manda-mina, mandahatra. Ahitsio
Fandantoana: (Ianto) a.: Fandaminana, fandaharana. Ahitsio
Fandaro: (laro) a: Fomba entina mandaro, manisy laro. Ahitsio
Fandarobohana: (daroboka) a: Fanjerana ao anaty ratio. Ahitsio
Fandarohana: (daroka) a: Fikapohana, fivelesana, fanatontana. Ahitsio
Fandatsa: (latsa) a.: Fomba entina mandatsa na maneso ny sasany amin'ny fahorlana na fahavoazana mahazo azy. 1 p.t: Azo latsaina: Ny uoa tsy fidiny tsy mba fandatsa. Ahitsio
Fandatsahana: (latsaka) a: Fametrahana sy fandrafetana (biriky, vato): Mita fahaizana ny fandatsahana biriky hanaovan-trano, 1 Fampirotsahana (orana): Sao dia misy mahay fandatsahana orana aminareo, ry zalahy, fa tsy anerany ity hain-tany! / Fampidirana: Rahampitso no fandatsahana ankizy hianatra. / Fanatodizana: Saika matetika amin'ny maraina tahaka izao no fandatsahan'Ikalamavo, / Fampihenam-bidy: Mba mangataka fandatsaham-bidy re, fa aza dia mitokozihitra tahaka 1-zao. Ahitsio