Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanatangolika: (tangolika) a. Fomba entina manatangolika, manolana, manadiditra. Ahitsio
Fanatangoloahana: (tangoloaka) a. : Fandoahana lavaka mangotana ao anaty tany, na ao amin'ny rindrina na eo amin'ny fefiloha. Ahitsio
Fanatangoloaka: (tangoloaka) o. : Fomba entina manatangoloaka, mandoaka lavaka mangotana ao anaty tany. Ahitsio
Fanatangongo: (tangongo) a. : Fomba entina manatangongo, mamory (olona) betsaka mifanizina manodidina. Ahitsio
Fanatangongoana: (tangongo) a. : Famoriana (olona) betsaka mifanizina manodidina. Ahitsio
Fanatangorona: (tangorona) a.: Fomba entina manatangorona, mamory (olona) betsaka manodidina tsisy filaharana na filantoana. Ahitsio
Fanatangoronana: (tangorona) a, : Famoriana (olona) betsaka manodidina tsisy filaharana na filantoana. Ahitsio
Fanatanila: (tanila) o. : Fomba entina manatanila, mampiraika zavatra amin'ny ila na lafiny iray. Ahitsio
Fanatanilana: (tanila) a, : Fampiraikana zavatra amin'ny ila na lafiny iray, Ahitsio
Fanatanina: (tanina) a, : Fomba entina manatanina, manatodika amin'ny afo, amin' ny masoandro. ~ p.t. : Azo atanina (afo). Ahitsio
Fanataninana: (tanina) a. : Fanatodihana amin'ny afo, amin' ny masoandro. Ahitsio
Fanatanjahan-tena: a : Fitambaran' ixeo fampiasan-tena isan-karazany : fandehanana an-tongotra, hazakazaka, fibatan-javatra, lomano, fanetsehana ny tanana, sandry, tongotra, fanalefahana ny hozatra, ans... mba hanatanjahana, hanamafisana ny te-na. Ahitsio
Fanatanjahana: (tanfaka) a. : Fanomezana hery, fanamafisana, fankaherezana. Ahitsio
Fanatanjaka: (tanjaka) a Fomba entina manatanjaka, Ahitsio
Fanatanondrehana: (tanondrika) a. : Fampiondrehana ny loha. Ahitsio
Fanatanondrika: (tanondriko) a. : Fomba entina manatanondrika, mampiondrika ny loha, Ahitsio
Fanatantavana: (tantavana) a: Fomba entina manatantavana. p.t.: Azo tantavanina. Ahitsio
Fanatantavanana: (tantavana) a. : Fampandalovana rano na zavatra hafa amin' ny tantavana na amin'ny lamba mba hampahadio azy na hanala ny faikany aminy, Ahitsio
Fanatanterahana: (tanteraka) a : Famitàna tsara hatrany amin'ny farany. Ahitsio
Fanatanteraka: (tanteraka)a: Fomba entina manatanteraka. Ahitsio