Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandatsaka: (latsaka) a: Fomba entina mandatsaka na mamotraka. Ahitsio
Fandatsana: (latsa) a: Fanesoana amin'ny fahoriana mahazo ny sasany na amin'ny fahavoazana mihatra aminy noho ny zavatra efa nandrarana azy, toa manao hoe akory izay! Ahitsio
Fandavahana: (lavaka) a: Fanaovana lavaka, fandoahana. Ahitsio
Fandavaka: (lavaka) a.: Fomba entina mandavaka, manao lavaka na loaka ao anaty tany. Ahitsio
Fandavana: (la) a.: Filazana fa tsy marina: Tsy mampaninona ahy ny fandavanao ny hevitro fa ny hevitra moa samy manana ny azy. 1 Tsy fanekena: Avelanao hitsangantsangana ue izahaYf — Tsy misy fandauana e. 1 Fitsipahana zavatra iray tzar lazaina fa diso: Ny fandauan'ny olona ny fisian'Andriamanitro no mampanaram-po azy, 1 Filazana ampahlbemaso fa tsy mankasitraka: Angatahina amin'ny olona atao batemy na batisa ny fandavany an 'i Satana. Ahitsio
Fandaviana: (lauiana) a: Toetran'ny andro manjavona, misy erika madinika kely mifafy. Ahitsio
Fandavo: (lauo) a.: Fomba entina mandavo, mamotraka. Ahitsio
Fandavoana: (lauo) a: Fanjerana, famotrahana. Ahitsio
Fandavorariana: (lavorary) a.: Fanaovana izay hahalavorary, hahatomombana, hahatanteraka. Ahitsio
Fandavorary: (lavorary) a: Fomba entina mandavorary, na manao izay hahatomombana. 1 p.t.: Azo lavorarina. Ahitsio
Fanday: (lay) a: Biby kely lavalava sady malemilemy misy lay, izay miofo ho lolo. Ahitsio
Fandazo: (lazo) a.: Fomba entina mandazo, manamatroka. Ahitsio
Fandefa: (lefa) a.: Fomba entina mandata. / p, t.: Azo ale-fa: Tsy fandefa ny taratasy toy itony. Ahitsio
Fandefana: na Fandefasana (le-fa) a: Fampandehanana (olona) any amin'ny na any an-...: Fonde fasana iraka any am-pita. 1 Fampitondrana: Hajia ohatrinona no hilaina amin'ny fandefasana it? taratasy it?. 1 Fitifirana, fitorahana: Homeko baiko ianao alohan'ny fandefasana ny vato. 1 Fanafahana, famotsorana: Noho ny fetim-pirenena, dia misy fandefasana gadra vitsivitsy. Ahitsio
Fandeferana: (tefitra) a: Faharetana, fahandrasana, faharipo: Mahagaga ny fandeferana nasehon'i Joba. 1 Fizakana, filiations, fiaretana: Mahamendrika eo anatrehan' Andriamanitra ny fandeferana ny fahoriana. ¶ M.h. : Fiaretana, faharetana, fihafiana, fahari-Po. Ahitsio
Fandefitra: (lefitra) a: Fomba entina mandefitra, izany hoe miaritra, mizaka, mahari-po. Ahitsio
Fandefona: (lefona) a: Fomba entina mandefona. t.: Azo lefonina. Ahitsio
Fandefonana: (lefona) a.: Fanatsatohana lefona. Ahitsio
Fandeha: (leha) a.: Fomban'ny olona rehefa mandeha, famindra: Mianjonanjom-pandeha erY iny tououavy iny. 1 1 Dia: Adanodano ny fandehanao. 1 Fizotra, toetra, fandroso: Manao ahoana ny fandehan'ny uarotrareo izaor 1 Fihetsehan'ny milina ao anatin'ny masinilra iray ara-dalaina: Miadan-kely izany fandehan'ny famantaranandronareo izany. Ahitsio
Fandehanana: (leha) a.: Famindrana, fizorana: Ny momba ny fandehanan'ny antokontafika no foto-dresaka tao amin'ny Filan-kevi-panjakana. 1 Dia, fivahinianana: Mahafinaritra ny ankizy kokoa ny fandehanana amin'ny masinina noho ny amin'ny fiarakodia. / Fialana, fiaingana: Mifohaza maraina fa amin' ny 6 ora no fandehanan'ny masinina. Ahitsio