Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanatsahoana: (tsaho) a.: Fampielezana vaovao izay tsy mbola azo antoka ny fahamarinany. Ahitsio
Fanatsaikona: (tsaikona) a : Fomba entina manatsaikona, fampanao tsaikona. ? p, t.: Azo atsaikona, azo ampanaovina tsaikona. Ahitsio
Fanatsaikonana: (tsaikono) a. : Fampanaovana tsaikona soavaly. Ahitsio
Fanatsaka: (hatsaka) o, : Fomba entina manatsaka, mamarana, manaratsaka, mampitovy tantana. ~p.t: Azo hatsahana, azo faranana. Ahitsio
Fanatsakana: (tsaka) a. : Fandidiana, fandentehana aminjava-maranitra ka misy feo manokana heno amin' izany, Ahitsio
Fanatsapahana: (tsapaka) a : Fandentehana zavatra ao anaty... Ahitsio
Fanatsapaka: (tsapaka) a : Fomba entina manatsapaka, mandentika (zavatra) ao anaty... •p.t. : Azo atsapaka. Ahitsio
Fanatsara: (tsara) a : Fomba entina manatsara. Ahitsio
Fanatsarana: (tsara) a : Fanaovana izay hahatonga tsaratsara kokoa, fanasoasoavana. Ahitsio
Fanatsarapahana: (tsarapako) a : Fanosehana, famarinana. Ahitsio
Fanatsarapaka: (tsaropaka) a : Fomba entina manatsarapaka, mamarina, manosika. ~ p.t. : Azo atsarapaka. Ahitsio
Fanatsararahana: (tsararàka) a.: Fanaovana feo sady mikiririoka no farimparina. Ahitsio
Fanatsararaka: (tsararàka) a. Fomba entina manatsararaka, manao feo mikiririoka no farimparina. Ahitsio
Fanatsatohana: (taatoka) a. Fandentehana hiraikitra tsy ho afaka hihetsika. Ahitsio
Fanatsatoka: (tsatoka) a.: Fomba entina manatsatoka, mandentika (zava-maranitra) hiraikitra tsy ho afaka hihetsika. ? p.t. : Azo atsatoka. Ahitsio
Fanatsatsahana: na Fitsatsahana (taatsàha) a. : Famotsiana tanteraka ny vary totoina. Ahitsio
Fanatsatsaka: na Fitsatsaka (taatsàka) a. : Fomba entina manatsatsàka na mitsatsàka, mamotsy vary farany. ~p.t.: Azo tsatsahina. Ahitsio
Fanatsatsaka: (tsetsaka) a. : Fomba entina manatsetsaka, mandrehitra, manatsolo afo. Azo tsetsahana. Ahitsio
Fanatsatsiahana: (tsataiaka) a. Fandrovitana (zavatra ka heno ny fitriarany). Ahitsio
Fanatsatsiaka: (tsatsiaka) a. Fomba entina manatsatsiaka, mandrovitra zavatra izay heno mitsiaka. 1 p.t. : Azo atsatsiaka. Ahitsio