Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fandaingo: (laingo) a.: Fomba entina mandaingo, na maka ny laingo (ravina farany ambony vao miseho) amin'ny zavamaniry. Ahitsio
Fandaingosana: (laingo) a: Fanalana laingon-javamaniry. Ahitsio
Fandakana: (daka) a.: Famelezana amin'ny tongotra: Fandakana baolina. 1 Ho,: Fitsipahana, izay matetika mariky ny tsy fitiavana ombampaniratsirana: Fandakana ray aman-dreny izany fihetsika izany. / Fanoherana: Fandakana miharihary ny hevitro izany teninao izany. Ahitsio
Fandala: (tala) a.: Fomba entina mandala. / p.t.: Tokony hokarakaraina, hotandremana, hotandrovina: Fandala toy ny vola aman-karena ny firaisan-kina. Ahitsio
Fandalàna: (lala) a.: Ny fotoana isaonana ny vady maty./ Fi tan drem ana sy titan drovana, fikarakarana: Zava-dehibe ny fandaldna ny fihauanana amin 'ny Malagas y. Ahitsio
Fandalarana: (lalatra) a.: Fanasiana soritra na tataka kely amin'ny hazo amin'ny lelanjava-maranitra. Ahitsio
Fandalatra: (lalatra) a: Fomba entina mandalatra na manisy soritra kely, tataka kely amin'ny hazo amin'ny lelanjava-maranitra, Ahitsio
Fandalina: (lalina) a: Fomba entina mandalina na mandavaka any anaty tany lavitra any; tomba entina mamototra fatratra. / p. t.: Azo na tsara halalinina: Hevitra fandalina tokoa izany, Ahitsio
Fandalorana: (lalotra) a.: Fanosorana feta amin'ny rindrina mba halama tsara tsy hisy marokoroko : Tsy izay rehetra ta handalotra akory dia mahay, fa mita fahaizana manokana ny fandalorana. 1 Fiasana entina mandalotra: Andeha mividy fandalorana, rankizy, fa handalotra isika rahampitso. Ahitsio
Fandalotra: (lalotra) a.: Fomba entina mandalotra na manosotra feta amin'ny rindrina mba halama tsara tay hisY marokoroko. Ahitsio
Fandama: (lama) a.: Fomba enti-mandama, na mampilamaka tsara tsy misy avo sy iva, malambolambo tsy misy marokoroko. Ahitsio
Fandamahana: (lamaka) a.: Fanaovana ho marin-tampona, mitovy tantana : Naharitra herinandro ny fandamahan' ny fokonolona io tany be kitoantoana io, 1 Fandriana tsy afaka miarina: Fandamahana hateloana no vokatry ny fijejojejoana nandihy mandra-maraina. 1 Fifotorana amin'ny asa: Tsy hay lazaina ny fandamahany ta-min 'id asa id fa adiny telo misesy izy teo foana. • Fikapana (bozaka, herana): Tapak'andro maninjitra izy tany amin 'ny fandamahana bozaka tany, Ahitsio
Fandamaka: (lamaka) a.: Fomba entina mandamaka, izany hoe manao marin-tampona, mitovy tantana; fomban' ny olona mandry tsy afaka 'Marina, fomban'ny olona mifototra amin'ny raharaha. Ahitsio
Fandamako: (lamako) a: Hakamoana. Ahitsio
Fandamana: (lama) a.: Fandambolamboana. Ahitsio
Fandambana: (lambana) a: Fomba entina mandambana na manemitra amin'ny tsihy. 1 Fomba entina mandambana na mamehy (herana na zozoro) amin'ny antontanY. ? Fomba entina mandambana na maka valala amin'ny lamba. Ahitsio
Fandambanana: (lambana) a.: Fakana valala amin'ny lamba. Ahitsio
Fandambanana: (Btm) a: Tsihy kely efa-joro ametrahana ny villa na ny lamban-dravina rehefa hihinana. Ahitsio
Fandambanana: (lambana) a: Famonoana betsaka indray miaraka, fandringanana, fandripahana. Ahitsio
Fandambanana: (lambana) a: Tsihy lehibe velarina rehefa hisakafo : Mamelatra fan-dam banana : manomana izay rehetra ilaina amin'ny sakafo. Ahitsio