Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitovonana: (tovona) a.: Fisiana tovony, izany hoe fanampiny eo amboniny: Ny fitovonan'ny tohatra ihany no hahatakarana io valindrihana avo io, Ahitsio
Fitovy: (tovy) a.: Fifanahaka, fifandraika, Ahitsio
Fitozo: (tozo) a.: Fomba entina mitozo, izany hoe manohy miasa miadana tsy mety kivy. Ahitsio
Fitozoana: (tozo) a.: Fanohizana miasa miadana tsy mety kivy: Ny fitozoana no ahavitan-java-dehibe. Ahitsio
Fitra: a,: Famafana, fanesorana ny diky amin'ny vorodamba, taratasy... 1 Firana, afitra, voafitra ( mamitra, famitra, mpamitra / amirana, famirana ( mifitra, fifitra, mpifitra / ifirana, fifirana ( mahafitra. Ahitsio
Fitrabahana: na Fitrabarana (trabaka) a,: Filentehana, fitsofohan'ny zava-maranitra ao anaty nofo na zava-malemy hafa: Ny fitrabahan' (fitrabaran') ny benitra eo amin'ny tratran'ny fahaualo, Ahitsio
Fitrabaka: (trabaka) a.: Toetran'ny zavatra mitrabaka, na milentika, mitsofoka ao anaty nofo na zava-malemy hafs. Ahitsio
Fitrafantrafana:- (trafana) a.: Toetran'ny olona mitrafantrafana, izany hoe mitroatroatra, mitrifantrifana. Ahitsio
Fitrafantrafanana: (trafana) a,: Fitroatroarana, fitrifantrifanana. Ahitsio
Fitraihana: (traika) a.: Fandiinana, famdhana. Ahitsio
Fitraika: (traika) a.: Fomba entina mitraika, izany hoe mandona, mamoka; fandona; famoka. Ahitsio
Fitraingo: (traingo) a.: Fomba entina mitraingo, izany hoe mikapa amin'ny antsY ny tongo-biby hatreo amin'ny lohalika no ho midina. Ahitsio
Fitraingoana: (traingo) a.: Fikapàna amin'ny antsy ny tongo-biby hatreo amin'ny lohalika no ho midina. Ahitsio
Fitraka: (traka) a.: Fomba en-tins mitraka, izany hoe manarina ny loha hiatrana tsara: Mahafinaritra ny mijery ny fitrakan'ny miaramila rehefo manao matso. Ahitsio
Fitrakana: (traka) a.: Fanarenana ny loha hiatrana tsara. Ahitsio
Fitrandrahana: (trandraka) a.: Fiasana tany amin'ny angady, fihadiana tany: Tsy zava-mora akory ny fitrandrahana ny tany mba hambolena. ? Fikarohana lalina ao anatin'ny tany: Nalaza taloha ny fitrandrahana volamena teto Anivon'ny riaka. Ahitsio
Fitrandraka: (trandraka) a.: Fomba entina mitrandraka, izany hoe miasa tany amin' ny angady, mihady tany. ~ p.t.: Azo trandrahina. Ahitsio
Fitranga: (tranga) a.: Toetran' ny zavatra mitranga, izany hoe miseho lany: Ny fitrangan'ny volana auy any atsinanana. Ahitsio
Fitrangana: (tranga) a.: Fisehoana lany, izany hoe ilany fotsiny aloha no hita: Tsy misy mahafinaritra ohatra ny fitrangan'ny volana auy ao anaty ranomasina. 1 Fisehoana tampoka: Ny fitrangandRabe teo ampovoan'ny sakafo no nanapa-kota anay. ? Fisehoan-javatra voalohany, fiandohana: Tantarao ny fitrangan'ny rotaka. Ahitsio
Fitranitrany: (tranitrany) a.: Toetran'ny zavatra mitranitrany, izany hoe mitringitringy maranitra: Mahonena ny miJery ny fitranitranin'ny taoian-tehezan'ity' arma tsy mahita hanin-kohanina ity! Ahitsio