Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsiririka: (tsiririka) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitsiririka, izany hoe mifantsitsitra, na mivalana miporiatra, mipiriritra. Ahitsio
Fitsiriritana: (tsiriritra) o.: Faniriana fatratra hanana na hihinana: Voararan'ny didin' Andriamanitra ny fitsiriritana ny fananan'olona. Ahitsio
Fitsiriritra: (tsiriritra) a.: Fomba entina mitsiriritra na maniry fatratra hanana zavatra iray. Ahitsio
Fitsiry: (tsiry) a.: Fomba na toetran'ny zavatra mitsiry na miantomboka hisy ravina. Ahitsio
Fitsitaitaihana: na Fitsitaitaika (tsitaitaika) a.: Filatsahana tsy misesy fa mielanelana: Hararaoty izao mbola fitsitaitaihan'ny orana izao fa hirotsaka be io rehefa afaka kelikely. ~ Fanenon-dakolosy maneno dia miato: NY fitsitaitaikan'ny lakolosim-paty. 1 Fahatongavana tsikelikely, miandalana: Nahoana dry no tsy tonga indray miaraka ianareo? Mahasosotra izao fitsitaitaihana izao, Ahitsio
Fitsitaitaika: (tsitaitaika) a.: Toetran'ny zavatra mitsitaitaika na milatsaka tsy misesY fa mahalana, na maneno mahalankalana, na tsy tonga indray miaraka fa tsikelikely. Ahitsio
Fitsitihana: (tsitika) a.: Fihahenjanana, firidiridiana. Ahitsio
Fitsitika: (tsitika) a.: Toetran' ny zavatra mitsitika na miheniana, midizina. Ahitsio
Fitsitra: (tsitra) a.: Toetran'ny olona na biby mitsitra, izany hoe mandry mihinjitra. Ahitsio
Fitsitsiana: ( tsitsy) a.: Tsy fandaniana foana, fandalàna: Androm-pitsitsiana izao. ? Tsy famizanana foana, tsy fanaovana mosalahy: Tsy azo omen-tsiny izy fa fitsitsiana aina no nataony. Ahitsio
Fitsitsihana: (tsitsika) a.: Fanirian-tsoa sy tso-drano, na koa fanozonana. Ahitsio
Fitsitsika: (tsitsika) a.: Fomba entina mitsitsika, izany hoe maniry soa mitso-drano na koa manozona. ? p,k: Azo tsitsihina. Ahitsio
Fitsitsy: (tsitsy) a.: Fomba entina mitsitsy, izany hoe tsy mandanilany foana, manda-la.* p. t.: Azo tsitsina. Ahitsio
Fitsivetrahana: (tsivetraka) a.: Fipetrahana mamelatra ny tena ary sondriana amim-piadanana. Ahitsio
Fitsivetraka: (tsivetraka) a.: Fomba entina mitsivetraka, na mipetraka mamelatra ny tena ary sondriana amim-piadanana. Ahitsio
Fitsoahana: (tsoaka) a. :Fialanjavatra amin'izay nisy azy: Tsy dia henoko naharary loatra ny fitsoahan'ilay nifiko. * Fandosirana: Tsy nisy nahita, hono, ny fitsoahan'ireo gadra uahiny roa lahy. ? Fivadihana ny teny nomena: Tsy mety izao fitsoahana amin'ny teny natao izao; izany no ilay nolazain'ny Ntaolo hoe fitsoahana orim-bato, Ahitsio
Fitsoaka: (tsoaka) a,: Fomba entina mitsoaka, izany hoe miala amin'izay nisy azy, mandositra. Ahitsio
Fitsobatsoba: (tsobatsoba) a: Toetran'ny vary difotra anaty rano be loatra. Ahitsio
Fitsobohana: (tsoboka) a.: Fitana, firobohana: Raha ho ers) an-dafin-drano ianao, eto no fitsobohana fa marivo ny rano eto. ? Fidirana: Voarara ny fitsobohana ao amin' io trano io fa aisy matin'areti-mifindra tao. Ahitsio
Fitsoboka: (tsoboka) a.: Fomba entina mitsoboka, izany hoe miroboka, mita, miditra. Ahitsio