Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsontsonana: (tsontsona) a.: Fisafosafoana, fanambitambazana. Ahitsio
Fitsontsorihana: (tsontsorika) a.: Fandrosoana midina; fidinana; fikorianana; fianjeràna ka ny loha no mandeha aloha. Ahitsio
Fitsontsorika: (tsontsorika) a.: Toetran'ny olona na zavatra mitsontsorika, izany hoe mandroso midina, mandry na mianjera ka ny loba no ambany. Ahitsio
Fitsopiahana: (tsopiaka) a,: Fipendrampendranana. Ahitsio
Fitsopiaka: (tsopiaka) a.: Toetran'ny maso mitsopiaka na mipendrampendrana. Ahitsio
Fitsopitsopiana: (tsopitsopy)a.: Fahalefadefahan'ny hazavana: Arakaraka ny fanatonan' ny maraina no anamarihana ny fitsopitsopian'ny kintana Ahitsio
Fitsopitsopy: (tsopitsopy) a.: Toetran'ny maso na ny hazavana manjavonjavona. Ahitsio
Fitsorana: (tsotra) a.: Fandriana miampatra tsy mivonkina: Ny fitsoran'ilay bibilava teo afovoan'ny arabe. ? Fitenenana milaza ny marina tsy misy afinafenina; Ny fitsorana matetika dia mety hahamaivana ny sazy. Ahitsio
Fitsoriahana: na Fitsoriaka(tsoriaka) a.: Fikorianana: Mahafinaritra ny mijery ny fitsoriahan'ny rano eo amin'ny elatry ny vorombazaha. ? Firiotra, fimaonana: Ohatra ny bisikilety ny fitsoriahan'Ikoto. ? Fandosirana manao tsoa-pe: Ny fitsoriahan'ny mpangalatra tany ambadiky ny trano. Ahitsio
Fitsoriaka: (tsoriaka) a.: Toetran'ny olona na zavatra mitsoriaka, izany hoe miriotra, mandositra manao tsoa-pe. Ahitsio
Fitsoroahana: (tsoroaka) a,: Faniriana tsimoka na taroka mahitsy lava; fitomboana mihalava. Ahitsio
Fitsoroaka: (tsoroaka) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitsoroaka, izany hoe mitombo mihalava. Ahitsio
Fitsororihana: (tsororika) a.: Fikiraviravezana. Ahitsio
Fitsororika: (tscimriko) a.: Toetran'ny zavatra mitsororika na mikiraviravy. Ahitsio
Fitsororohana: (tsororoka) a.: Firarahana avy any ambony midina mahitsy ambany. Ahitsio
Fitsororùka: (tsorordka) a.: Toetran'ny zavatra mitsororàka, izany hoe midina avy ambony mirotsaka:Ny fitsororükan'ny ranomaso, Ahitsio
Fitsotahana: (tsotaka) a: Fidirana zavatra mafimafy ao anaty rano na fotaka. Ahitsio
Fitsotaka: (tsotaka)a.: Toetran' ny zavatra mitsotaka, izany hoe miditra ao anaty rano na anaty fotaka: Ny fitsotaky ny tongotra milentika ao anaty fotaka. Ahitsio
Fitsotra: (tsotra) a: Toetran' ny olona mitsotra, miampatra tsy mivonkina, na milaza ny marina tsy misy afinafenina. Ahitsio
Fitsotsotsotso: (tsotsotsotso) a.: Toetran'ny zavatra mitsotsotsotso, izany hoe mamoaka feo toy ny an'ny vy mahamay atsoboka ao anaty rano. Ahitsio