Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivalo: (vain) a.: Fomba entina mivalo, izany hoe mangatapamelana fa nana() hadisoana, mibaboka. Ahitsio
Fivaloana: (valo) a.: Fizarana valo. Ahitsio
Fivalombalona: (valona) a.: Toetran'ny zavatra mivalombalona, manonjanonja. Ahitsio
Fivalona: (valona) a.: Toetran' ny zavatra mivalona, miforitra manaraka ny rirany tsara. Ahitsio
Fivalonana: (valona) a.: Fiforetan-javatra. Ahitsio
Fivalongana: (valongana) a.: Toetran'ny zavatra mivalongana, mivaingana bontolo, Ahitsio
Fivalozana: (valo) a.: Fanenenana sy fangataham-pamelana fa nanao hadisoana. • Asa a-tao ho fanonerana ny ratsy natao. Ahitsio
Fivaly: (valy) a.: Toetran'ny zavatra mivaly, miverina amin'ny tena, misetry. Ahitsio
Fivanahana: (vanàka) a.: Fijerena toy ny fijeren'ny adala, izany hoe ny maso mivandraka, ny vava mitanatana. Ahitsio
Fivanàka: (vanaka) a.: Toetran' ny olona mivanaka, izany hoe mijery toy ny fanaon'ny adala, ny vava mitanatana. Ahitsio
Fivanavàna: (vanavana) a.: Toetran'ny zavatra mivanavana, izany hoe misokatra mitanatana be. Ahitsio
Fivanavanana: (vanavana) a.: Fisokafana mitanatana be, Ahitsio
Fivandirana: (vanditra) a.: Fisiana mivohitra mitsoriaka lavalava: Inona dry ireny fivandirana amin'ny ranjonao iren y? Ahitsio
Fivanditra: (vanditra) a,: Toetran'ny zavatra mivanditra, izany hoe misy mivohitra mitsoriaka lavalava. Ahitsio
Fivandrahana: (vandraka) a.: Fijerena amin'ny maso midiridiry sady misokatra beFivandraka (vandraka) o.: Fomba entina mivandraka na mijery amin'ny maso midiridiry sady misokatra be. Ahitsio
Fivandravandra: (vandravancira) a.: Fomba na toetran' ny olona mivandravandra, izany hoe mijery amin'ny maso midiridiry feno hatezerana. Ahitsio
Fivandravandrana: (vandravandra) a.: Fijerena amin'ny maso midiridiry feno hatezerana. Ahitsio
Fivandriana: (vandry) a,: Fitiliana, fiandrasana izay hahavoazan'ny vela-pandrika napetraka. Ahitsio
Fivandry: (vandry) a.: Fomba entina mivandry na mitily, miandry. Ahitsio
Fivangongo: (vangongo) a. :Toetran'ny zavatra mivangongo, mitoby miavoavo amin'ny toerana iray. Ahitsio