Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsofan-drano: (tsoka-rano) a.: Firariana, fanirian-tsoa: Ny fitsofan-dranon'i dada sy neny no naha-toy izao ahy. ? Fanamasinana: Nanatrika ny fitsofan-dranon'ny fanambadianay i nenibe. Ahitsio
Fitsofana: (tsoka) a.: Famonoana:Efa fotoana fitsofana ny jiro izao. ? Famelomana: Mandreraka ny fitsofana afo. * Fampanenoana: Mahabe nangy, hono, ny fitsofana bingona? Ahitsio
Fitsofohana: (tsofoka) a.: Fidirana ao anaty zavatra ka etiety ny fidirana ao: Ny fitsofohana ao anaty zohy. / Ny fitsofohan'ny tongotra ao anaty kiraro. ? Fisisihana: Ny fitsofohany tao anatin'ny vahoaka no tsy nahitana azy. ? Fiditridirana amin'ny zavatra mikasika ny sasany, fitsabahana: Tsy rariny izao fitsofohanao amin'ny raharahan-tokantranonay izao. Ahitsio
Fitsofoka: (tsofoka) a,: Fomba entina mitsofoka, izany hoe miditra misisika. Ahitsio
Fitsoforana: (tsofotra) a.: Filentehana. Ahitsio
Fitsofotra: (tsofotra) a,: Toetran'ny zavatra mitsofotra, izany hoe milentika (masoandro, andro, volana...): Niasa foana izy ambara-pitsofotry ny andro. Ahitsio
Fitsohana: na Fitsofana (fitsoka) mt. ih. (fitsohy): Asiana, torahana, velezina: Nofitsohany tehamaina ny zanako ka tsy manaiky aho. / Nofitsohako vato ilay uorondolo ka maty ter?. ? Angalarina: Nofitsohan'ilay karilahy ny akohoko dimy. ? Vitaina tsara, fatratra: Faly aho fa nofitsohany iiay asa nampanaouiko azy. Ahitsio
Fitsoitsoy: (tsoitsoy) a.: Toetran'ny olona na zavatra (volo) mitsoitsoy, izany hoe vonton-drano ka mifitsaka ary mitete rano. Ahitsio
Fitsoka: (tsoka) a: Fomba entina mitsoka na mandefa rivotra amin'ny vava: Tay toy izao no fitsoka afo, ry Bozy a! ? Toetran'ny rivotra heno toa mifafy na mikapoka:Maiefaka ny fitsokan'ny rivodranomasina androany. Ahitsio
Fitsoka: a.: Famelezana amin' ny rantsan-kazo madinika, amin'ny teny maharary; fandaniana; fivarotana; fangalarana; fanaovana asa na zavatra vita tsara. 4 t.if.: Fitsohana na fitsofana, afitsoka, voafitsoka, nofinitsoka / mamitsoka,famitsoka, mpamitsoka / amitsohana, famitsohana 1 mafitsoka / mahafitsoka. Ahitsio
Fitsolotsolo: (tsolo) a.: Toetran'ny zavatra mitsolotsolo na maranitra. Ahitsio
Fitsolotsolo: (tsolo) a.: Fomba entina mitsolotsolo na mitanina afo. Ahitsio
Fitsolotsoloana: (tsolotsolo) a.: Fiseranana (amin'ny afo): Ny fitsolotsoloan'ny hena atono eo ambony afo. Ahitsio
Fitsolotsolotra: (tsolotra) a.: Toetran'ny zavatra mitsolotsolotra, izany hoe mitranga mihemotra. Ahitsio
Fitsonga: (tsonga) a.: Fomba entina mitsonga, izany hoe mifidy, mifantina. Ahitsio
Fitsongana: (tsonga) a.: Fifidianana, fifantenana. Ahitsio
Fitsongo: (tsongo) a.: Fomba entina mitsongo izay azo adika hoe: mamely amin'ny fanerena amin'ny bobo, na maka anana amin'ny hohontanana izay entina hanapahana azy. ? p.t.: Azo tsongoina. Ahitsio
Fitsongoana: (tsongo) a.: Fakana anana ka ny hohon-tanana no anapahana azy. Ahitsio
Fitsonika: (tsonika) a.: Toetran'ny zavatra mitsonika na miempo. Ahitsio
Fitsontsona: (tsontsona) a.: Fomba entina mitsontsona, izany hoe misafosafo, manambitamby, Ahitsio