Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fivaingavainga: na Fivaingavaingana (vaingauainga) a.: Toetran'ny zavatra mivaingavainga, izany hoe natao vaventy didy, vaventy tetika. Ahitsio
Fivaitra: (vaitra) a: Toetran'ny nions mivaitra, izany hoe mihaitraitra sy be ditra. Ahitsio
Fivaivay: (vaivay) a: Toetran' ny zavatra mivaivaY, izany hoe mafana dia mafana ka tonga mena dorehitra. Ahitsio
Fivakana: (vakana) a.: Fomba entina mivakana, na mitondra vakana. Ahitsio
Fivakanana: (vakana) o.: Firavahana vakana, fitondrana vakana Ahitsio
Fivakavaka: (uakauaka) a.: Toetran'ny olona mivakavaka, ]zany hoe miakanakana, miambatrambatra: Tsy fantatra na fatahorany na toetrany mihitsy no mahatonga ny fivakavakany, Ahitsio
Fivakavakana: (vakavaka) a.: Fiakanakànana, fiambatrambàrana. Ahitsio
Fivala: (vola) a,: Toetran'ny zavatra na biby mivala, izany hoe voafefy vala. Ahitsio
Fivalahetraka: Fivalaketraka (valahetraka) a.: Toetran'ny olona mivalahetraka , na mivalaketraka, izany hoe mipetraka mitsivetraka fa reraky ny hakiviana. Ahitsio
Fivalamparana: (valampotra)a.: Fandriana mitsilany ka ny tongotra atsotra tanteraka, ~ H.o.: Fakana toerana be ara-ka izay tiana. Ahitsio
Fivalampatra: (valampatra) a.: Fomba entina mivalampatra, izany hoe mandry mitsilany ka ny tongotra atsotra tanteraka. Ahitsio
Fivalàna: (vola) a.: Fisiana fefy manodidina. Ahitsio
Fivalana: (valana) a.: Fomba entina mivalana, mandeha midina, na mangery. Ahitsio
Fivalanana: (valana) a.: Fandehanana an-dakana manaraka ny rano mandeha midina. ~ Fangerena, na koa ny faikan' ny sakafo izay avoakan'ny zava-mananaina avy amin'ny tsinainy. ¶ M.h.: Diky, tav. Ahitsio
Fivalanandrano: a.: Teny mihaja ilazana ny amany ( jer, io teny io). Ahitsio
Fivalandotra: (valandotra) a.: Toetran'ny olona mivalandotra, izany hoe mandry miampatra fa reraka. Ahitsio
Fivalangidina: (valangidina) a.: Toetran'ny olona na zavatra mivalangidina, izany hoe mianjera, mikororosy. Ahitsio
Fivalavala: (valavala) a.: Toetran'ny olona mivalavala na manao vosobosotra, Ahitsio
Fivalavalana: (valavala) a.: Fanaovana vosobosotra; fampihomehezana. Ahitsio
Fivalo: (valo) a.: Toetran'ny zavatra mivalo, na mizara valo, Ahitsio