Akivy | : | (Ats), a.: Sazy famaizana olon-dratsy ataon'ny olona amin'ny fokontany iray ka ahatany na ahibony tsy hifanerasera amin'ny olona ilay faizina.
Ahitsio |
Akizaka | : | (kizaka), mt. fit. (akizaho): Entina manome tsiny, anomezan-tsiny arahin-devilevy na trerona: Zavatra kely iny dia hitany nakizaka ahy.
Ahitsio |
Ako | : | a.: Fiverenan'ny feo mahadona zavatra, toy ny rindrina na tamboho na tendrombohitra. • h.o.: Fiverenana any aoriana: Ao ny tsantan'ny andro taloha sy ny hiran'ny fahazazako no milevina ka tsy mifoha na miverina mba hitondra ako! (J.-J. R.) - t.i.f.: manako, fanako ! anakoana, fanakoana ( mana• koako.
Ahitsio |
Akoa | : | (koa), mt. at. (akoavy):
Ahitsio |
Akobaka | : | (kobaka), mt. fit. (akobahy): Entina manakobaka, manetsiketsika ny rano: Haxo lavalava no nakobany ny rano tao anaty barika. • mt. at.: Hetsiketsehina, sasana (ao anaty rano): Nakobany tao anaty rano ny tongony fa feno fotaka.
Ahitsio |
Akobana | : | (kobana), mt. at. (akobano): Atao izay hihetsiketsehany, hivontosany: Nakobany tao anaty rano mafana ny tavolo.
Ahitsio |
Akobila | : | (kobila), mt. at. (akobilao): Atao tonga bila, mivaona.
Ahitsio |
Akobona | : | (kobona), mt. fit. (akobony): Entina handrakofana, hanafenana: Taratasy no nakobony ilay mangahazo nomeko azy.
Ahitsio |
Akodadaka | : | (kodadaka), mt.at. (akodadaho): Asaina mikodadaka na mikodedika.
Ahitsio |
Akodia | : | (kodia), mt. at. (akodiavo): Alefa hikodia, hikodingy; akodingy: Nakodian'ny anjely ilay vato teo amin'ny varavaram-pasana, dia nipetrahany.
Ahitsio |
Akodingy | : | (kodingy), mt. at. (akodingio): Azera, adaboka dia avela hikodiadia: Nakodinginy tany an-tevana ilay vato nanakan-dalana anay. • h.o.: Aongana: Nakodingin' ny Filoha ireo minisitra faly nameno paosy.
Ahitsio |
Akofa | : | a.: Voambary poaka aty na foana ny atiny. - t.i.f.: manakofa.
Ahitsio |
Akofoka | : | (kofoka), mt. at. (akofohy): Hofokofohina, ahetsiketsika: Akofohy ny ana-na fa matetika misy bibin'anana. • Akopaka: Akofohy ny lamba fandiavana isa-maraina. .1 Kapohina: Nako fodminy ilay zazalahy fa naditra.
Ahitsio |
Akohaka | : | (kohaka), mt. at. (akohafy): Avoaka amin'ny kohaka: Be ny rehoka nakohaky ny marary.
Ahitsio |
Akoho | : | a.: Karazam-borona mpitslndroka, somary boribory vatana bontolontolo va-va somary mamokotra, fohifohy elatra ka tsy afa-manidina lavitra, fiompin'ny olombelona hatramin'ny ela be noho ny henany sy ny atodiny, (akohouavy, akoholahy, vontotr'akoho, akohokely). Ny teny ilazana ny feon'akoho dia ireto avy: mikoraika (ny akohovavy), mikakàka (ny akohovavy hanatody), mikoràka (ny akohovavy avy nanatody na nis), nanaitra), maneno (ny akoholahy), mikohokoho (ny akoholahy miantso ny akohovavy na ny akohovavy miantso ny zanany). ~ * Ohab.: Akoho tsy naneno ohatra izay lanin'ny kary: enti-milaza famoizan-zavatra nandrasan-tsy tonga.
Ahitsio |
Akohokely | : | a.: Zanak'akoho mbola kely. * Ohab.: Faly sahirana ohatra ny akohokely tsipaxampotsimbary: enti-milaza olona nahazo soa betsaka mitontohitra ka diboky ny hafaliana nefa sahirana indray fa toa tsy hita izay horaisina. / Akohokely lasam-papango: nisidina ambony vao tra-pahoriana: tafakatra amin'ny Akoholahy toerana ambony vao nahita loza.
Ahitsio |
Akoholahy | : | a.: Ny lahy ami?' ny akoho. * F.-p.: Akoholahy maneno alina: olona mipentsompentsom-bava; ) adin'akoholahy fantàka: ady manao tari-dositra.
Ahitsio |
Akohovavy | : | a.: Ny vavy amin' ny akoho. * F.-p.: Akohovavy maneno: vehivavy avo vava miseho ho mpitarika ao an-tokantrano.
Ahitsio |
Akojy | : | (kojy), mt. fit. (akojeo) Entina manakojy, mitarika, manjono, manangoly: Vola ve no akojinao ahy? Manana aho.
Ahitsio |
Akolepaka | : | (kolepaka), mt. at. (akolepaho): Atao mikolepaka, mandringa.
Ahitsio |