Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Amby: a.: Ny mihoatra: Misy ambiny ireto uoankazo ireto ka hatao ahoana? Omeo an' izay zandriny indrindra ny ambiny. 1 Ampiasaina eo amin'ny filazana isa mihoatra ny isan-tokony folo hatrany, ka eo anelanelan'ny folo sy roapolo, dia ambin'ny no ampiasaina, ary ankoatra an' io kosa, amby fotsiny: Dimy ambin'ny folo. / Telo amby valopolo. / Dimy amby zato. ? F,-p,: Manana amby: misY mihoatra, misy tsy lany; / manana amby ampy: mana-na tombony be dia be, tafahoatra be amin'ny ilaina; / Manana amby tsy ampy: enti-milaza zavatra manan-tombo amin'ny ilany fa tsy ampy kosa amin'ny ilany iray. * Ohab.: Manana amby tsy ampy ohatra ny sola vaohina. / Ambim-bava: ny sisa tafajanona rehefa afaka ny lany tamin'ny sakafo. ~ h,i,: tahiry; / Ambin-draharaha: raharaha manginy kely ivelan'ny tena raharaha; / Ambin-drasa: ny sisa nijanona rehefa vita ny fizarana hena ka tapitra nahazo ny anjarany avy ny olona rehetra eo. / Ambin-javatra: tsy dia zavatra makadiry tsy azo avala fa zavatra madinidinika fanampiny fotsiny. / Ambin'olona: olona tsy dia heverina ho inona loatra fa toa fanao tsentsin-davaka fotsiny. / Ambin-taona: ny vary, ny haninkotrana sisa tsy lany rehefa tapitra ny taon. / Ambin-jaza: zaza teraka taorian' ny nizarana ny fananana amin5reo zokiny talohany. ? h.i.: Izay tsy tiana amin'ny zanaka rehetra ao an-trano, zaza iangarana. Ahitsio
Amely: (vely), mt. fit.: Entimilaza ny zavatra ampiasaina ho enti-mamely, saingy amin'ny hevitra an'ohatra ihany; itezerana, andevilevena: Mafy izay teny nameliny ahy izay. Ahitsio
Amena: a.: Teny hebrio izay fahita amin'ny fiafaran'ny vavaka fanaon'ny kristianina, ka ny heviny dia hoe: Ho tanteraka anie izany! Ahitsio
Amerikanina: (fr. Américain) a: Fitambaran'ny firenena monina any aznin'ny tanin'i A-merika, izay anisan'ny fizaran-tany lehibe dimy eran'izao tontolo izao ary mizara telo: ny Amerikanina avaratra itambaran'ny firenena roa: Etazonia sy Kanadà; ny Amerikanina afovoany, itambaran'ny firenena fito: Meksika, Kiobà, Goatemalà, Nikoaragà, Jamaika, Haiti ary Portoriko; ny Amerikanina atsimo, itambaran'ny firenena iraika ambin'ny folo: Venezoela, Kolombia, Ekoatera, Goyanina, Brezily, Peroa, Bolivia, Paragoay, Orogoay, Arzantina, Sily. ? p. t : Momba an'i Amerika na an'i A-merika na avy any Amerika: Anisan'ny be mponina indrindra eto an-tan y ny ankabearan'ny tanàna amerikanina. Ahitsio
Amiana: a.: Karazan-javamaniry misy tsilotsilony ny raviny ka mampaharary hoditra, na mahaboka mihitsy aza, hoy ny olona sasany, raha voakasika. Ahitsio
Amianta: (fr. amiante) a.: Mineraly tsy mety may sy tsy mandray hafanana. Ahitsio
Amiba: (fr. amibe) a: Karazana mikraoby bibikely, mivelona ao anaty rano maloto, ka miteraka ny aretina atao hoe fivalanandra amibianina raha tafiditra any anatin'ny tena. Ahitsio
Amidy: (uidy), mt. at. (arnidio) Omena hovidina: Amidinao ve it? uorona it?? 1 mt. fit.: Entina mividy: Iny vola roapolo, ka ariary folo hamidy siramamy ary ariary folo hamidy sigara. Ahitsio
Amina: ppt.: Fiovan'ny teny hoe aman: Miteraha lahy amina uauy. Ahitsio
Amiramirana: (miramirana), mt at. (amiramirano): Atao tonga miramirana, falifaly. Ahitsio
Amondra: a.: Teny ilazana ny adrisa rehefa avy nanatody. Ahitsio
Amongo: (mongo), mt. fit. (amongoa): Entina manamongo, manorotoro: Inona no hamongonao io uato io? Ahitsio
Amonia: Jar. Pnemonia. Ahitsio
Amonjomonjo: (monjomonjo), mt. at. (amonjomonjoy): A-vela himonjomonjo: Aza amonjomonjo ny ankizy, Ahitsio
Amonjotra: (monjotra), mt. at. Atao tonga monjotra, tsy faly. Ahitsio
Amontana: a.: Hazo lehibe midoroboka, mitovitovy amin' ny aviavy saingy ny raviny no lehibe sy matevina kokoa, ny voany boribory sahala habe amin'ny ankiben-tongotra. Ny amontana sy ny aviavy dia fahita fahizay tamin' ny tanna nonenan'andriana. Ahitsio
Amontotra: (montotra), mt. fit.: Ilazana izay entina hampandondona zavatra, hampahamontotra, hampahatezitra olona. Ahitsio
Amorona: ppk.: Eny amin'ny sisiny; manaraka ny morona na ny sisiny: Aza mijorojoro eny amoron-dalana. Ahitsio
Amosaviana: (mosavy), mt. at. (arnosauio): Asiana mosavy. Ahitsio
Ampaha: (Ski) a.: Saka dia mainty, izay kelikely vatana kokoa noho ny saka fahita andavanandro. Ahitsio