Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitratreva: (tratreva) a.: Fomba entina mitratreva, izany hoe mandeha mahery setra manimba izay sendra azy; fitrifantrifana; fivatravatra. Ahitsio
Fitratrevana: (tratreva) a.: Fandehanana mahery setra ma-nimba sy mamotipotika izay sendra azy; fitrifantrifanana; fivatravatràna. Ahitsio
Fitrebehana: (trebika) a.: Filentehan'(ny zava-maranitra ao anatin'ny zavatra tsindronina): Ny fitrebehan'ny lefon' ny mpihaza ao anaty kibon' n y lam bo. Ahitsio
Fitrebika: (trebika) a. :Toetran' ny zavatra mitrebika, izany hoe milentika (ao anatin' ny...). Ahitsio
Fitrebika: (t.tr.), a.: Fanjaitra. Fitrebika (trebika) a.: Vy maranitra misy rantsany roa na maro atao fandraisana hena, fitsindrona. Ahitsio
Fitrebona: (trebona) a,: Toetran'ny zavamaniry mitrebona, izany hoe mitsimoka, vaky vazana. Ahitsio
Fitrebonana: (trebona) a.: Fitsimohana, havaky vazana. Ahitsio
Fitrefona: (trefona) a.: Fomban'ny biby mitrefona na mitrona. Ahitsio
Fitrefonana: (trefona) a.: Fitrdnana. Ahitsio
Fitreforana: (trefotra) a.: Fangetôrana, fitsefbrana. Ahitsio
Fitrefotra: (trefotra) a.: Fomban'ny zavatra mitrefotra na mitsefotra. Ahitsio
Fitrehatreha: (trehetreha) a.: Toetran'ny olona mitrehatreha, izany hoe mirehareha amin'ny harena na fahaizana. Ahitsio
Fitrehatrehana: (trehatreha) a.: Fireharehàna amin'ny harena na fahaizana. Ahitsio
Fitrena: (trena) a.: Fiman'ny omby: Ny fitrenan'ny omby. ? H.o,: Fifofofofon'ny riaka. 1 Fanaovana feo mampitahotra eo am-pahatezerana: Raiki-tahotra Ikoto nandre ny fitrenan-drainy tezitra. Ahitsio
Fitrerona: (trerona) a,: Fomba entina mitrerona, izany hoe manao feo mampitahotra: Mangovitra Isambilo mandre ny fitreron'i dadany, Ahitsio
Fitreronana: (trerona) a.: Fanaovana feo mampitahotra, mampivadi-po. Ahitsio
Fitresahana: (tresaka) a.: Fahavakisana saika misasaka, fitsefahana, fiverahana: NY f itresahan'ny uatolampy. Ahitsio
Fitresaka: (tresaka)a.: Toetran' ny zavatra mitresaka, izany hoe vaky saika misasaka; fitsefaka; fiveraka. Ahitsio
Fitrevatreva: (trevatreva) Toetran'ny olona mitrevatreva, izany hoe mivatravatra sy miriadriatra rehefa mandeha. Ahitsio
Fitrevatrevana: (trevatreva) a.: Fivatravatràna sy firiadriatana rehefa mandeha. Ahitsio