Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsililalila: (tsililalila) a.: Fidoladolana rehefa mandeha, na koa eo am-pipetrahana. Ahitsio
Fitsilo: (tsilo) a.: Fomba entina mitsilo, izany hoe mitondra hazavana mba hahitana ao amin'ny maizina. 1 Zavatra entina mitsilo, 1 p.t.: Azo tsilovina. Ahitsio
Fitsiloliloly: (tsiloliloly) a.: Toetran'ny zavatra mitsiloliloly, izany hoe misy tsiloliloly na ranon-javatra maditidity. Ahitsio
Fitsilotidotika: (tsilotidotika) a.: Halotoana misotisoty. Ahitsio
Fitsimbadihana: (tsimbadika) a.: Fikodiadiavana, fihodinkodinana: Tsy hita holazaina ny fitsimbadibadihan'Ikoto teo am-pandriana nandritra ny alina fa naharary azy, hono, ny nifiny, 1 Fihohofana: Ny fitsimbadihan'ny lakana no nahafaty azy. 1 Fivadihana, fiovana tanteraka: Tsy aisy nanampo ny fitsimbadihan'ny heviny toy izao. Ahitsio
Fitsimbadika: (tsimbadika) a.: Toetran'ny zavatra mitsimbadika, izany hoe mikodia, na mihohoka, na mivadika, miova tanteraka. Ahitsio
Fitsimberiverena: (tsimberiuery) a.: Firioriovana, firenirenena. Ahitsio
Fitsimberivery: (tsimberivery) a.: Toetran'ny olona mitsimberivery, izany hoe mirenireny, miriorio. Ahitsio
Fitsimbina: (tsimbina) a.: Fomba entina mitsimbina, izany hoe mikarakara tsara, miahy, manao izay tsy hahasfmba. Ahitsio
Fitsimbinana: (tsimbina) a.: Fi tandremana, fikarakarana tsara, fiahiana: Ny fitsimbinana ny kamboty. 1 Fanaovana izay tsy hahasimba na hahakely, fitandrovana: Ho fitsimbinana ny voninahitrao no nanaovako izao. •Fanampiana, fanasoavana, na fiantrana: Ataovy ity ho fitsimbinana ny mahantra. Ahitsio
Fitsimbohirana: (tsimbohitra) a.: Fanoherana ny manampahefàna. Ahitsio
Fitsimbohitra: (tsimbohitra) a.: Fomba entina mitsimbohitra, izany hoe manohitra ny manam-pahefàna. Ahitsio
Fitsimintsimina: (tsimintsimina) a.: Toeran'ny olona mitsimintsimina, izany hoe falifaly, ravoravo, Ahitsio
Fitsimintsiminana: (tsimintsimina) a.: Fifalifaliana; fixavoravoana. Ahitsio
Fitsimohana: (tsimoka) a,: Faniriana tsimoka, fahavakiambàzana. Ahitsio
Fitsimoka: (tsimoka) a.: Fomban'ny zavatra maniry mitsimoka na vaky vazana: Tsara fitsimoka ny voly rehetra namboleko tamin'ity taona ity. Ahitsio
Fitsimpohafoha: (tsimpohafoha) a.: Toetran'ny zavatra mitsimpohafoha, izany hoe mifohafoha, mitsangantsangana (volo); na miseho indray. Ahitsio
Fitsimpohafohazana: (tsimpohafoha) a.: Fitsangantsanganam-bolo; fifohazana na fisehoan-javatra indray: Mampanahy indray ity ny fitsimpohafohazan'ny nendra. Ahitsio
Fitsimpona: (tsimpona) a.: Fomba entina mitsimpona, izany hoe maka tsirairay fa tsy manao fao-be: Atoroy azy ange, ry Ikoto, ny fitsimpona akotry a. Ahitsio
Fitsimponana: (tsimpona) a.: Fakana tsirairay: Nahoana no dia ela toy izao ny fitsimponanao ny vato amin'ny vary? / Fifantenana, izay mahatonga haka tsirairay, fa tsy manao fao-be amin'izao: Mafy dia mafy ny fitsimponana ny mpianatra halefa hanohy fianarana any ampita. ? Fanararaotana ny vava latsaka na ny teny diso sendra lasa, mba hamelezana: Tandremo tsara ny fitenenana fa mahay Rangahy to amin'ny fitsimponana ny tenin'ny sasany. Ahitsio