Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsaika: (tsaika) a.: Fomba entina mitsaika, izany hoe mifantina izay voam-bary tsara hatagg,,masbmboly. 1 p. t.: Azo tsvdkaina, azo fantenana. Ahitsio
Fitsaika: (tsaika) q.: Fomba entina mitsaika, izany hoe manatona morarnora tsy re na mangalatra mangingina tsy misy mahita. Ahitsio
Fitsaikana: (tsaika) a.: Fifantenana ny voam-bary tsara: Raha ta hanana vokatra tsara, ny fitsaikana ny masomboly no tokony hatao tsara. Ahitsio
Fitsaikana: na Fitsaihana (tsaika) a.: Fanatonana moramora tsy re: Ny fitsaihany tao an-damosiko tao no tsy nandrenesako azy. 1 Fangalarana mangingina tsy misy mahita: Tsy hita mihitsy ny fitsaihan-dry zalahy ny zavatra mipetraka eto ambony latabatra eto. Ahitsio
Fitsaikona: (tsaikona) a.: Fomba na toetran'ny soavaly mitsaikona, izany hoe mandeha haingana tsy manipy tanana. Ahitsio
Fitsaikonana: (tsaikona) a.: Famindran'ny soavaiy mande-ha haingana tsy manipy ta-nana; fanaovana hazakazamadinika: Raha tsY tianao ny firiotran'ny soavaly, baikoy hanao fitsaikonana. Ahitsio
Fitsaka: (tsaka) a.: Toetran' ny zava-maranitra mitsaka, izany hoe milentika na mitrobaka miaraka amin'ny feo manokana izay. Ahitsio
Fitsaka: (tsaka) a.: Fomba entina mitsaka na mita rano. Ahitsio
Fitsaka: a.: Tsy fihetsehana sady miafina; fipetrahana mitampify tsy mihetsiketsika; fierena ao amin'ny takona. i Fitsahina, afitsaka, voafitsaka (mamitsaka, famitsaka, mpamitsaka / amitsahana, famitsahana / mifitsaka, fifitsaka, mpifitsaka i ifitsahana, fifitsahana / mahafitsaka. Ahitsio
Fitsakana: na Fitsaka (tsaka) a.: Filentehana, fitrobahanjava-maranitra miaraka amim-peo manokana: Toa hahatsiravina izany mandre ny fitsakan'ny antsy ao anaty nofon'olombelona izany. Ahitsio
Fitsakana: (tsaka) a.: Fitàna rano amin'ny firobohana ao anaty rano: Raha marivo ny rano na tsy misy voaY, ny fitsakana no haingana indrindra amin'ny fitana azy. Ahitsio
Fitsakatsaka: (tsakatsaka) a.: Toetra na fomban'izay mitsakatsaka, izany hoe mande-ha miditra anaty lobolobo, mivezivezy amin'ny toerana tsy fantatra. Ahitsio
Fitsakatsakana: (tsakatsaka) a.: Fandehanana miditra any anaty lobolobo mis), lolo na vazimba; fivezivezena amin' ny toerana tsy fantatra; firioriovana etsy sy eroa. Ahitsio
Fitsako: (tsako) a.: Fomba entina mitsako, izany hoe manapotipotika amin'ny nify ao am-bava: Hafa kely ny fitsakon'ny omby. •p.t.: Azo tsakoina: Ny rano tsy fitsako. Ahitsio
Fitsakoana: (tsako) a.: Fanapotipotehana amin'ny nify ao am-bava: Aza zatra amin'ny fitsakoana amin' ny nify anoloana. Ahitsio
Fitsambikina: (tsambikina) a.: Fomba entina mitsambikina, na miezaka mandingana mafy. Ahitsio
Fitsambikinana: (tsambikina) a.: Fiezahana mandingana mafy; fivikinana, fiantsamborana, fitsipihana. Ahitsio
Fitsamontsamona: (tsamontsamona) a,: Fomba na toetran' ny olona mitsamontsamona, izany hoe manapoapoaka sy mampitsefotsefotra ny molotra rehefa mihinana. Ahitsio
Fitsamontsamonana: (tsamontsamona) a.: Fanapoapoahana na fampitsefotseforana ny molotra rehefa mihinana :Mi-tory tsy fahalalam-pomba ny fitsamontsamonana eo ampihinanana. Ahitsio
Fitsananahana: (tsananaka) a,: Fiempoan'ny menaka. Ahitsio