Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitriarana: (triatra) a.: Faharovitana, fahatatahana, fitsefahana: Hatrany ambony ka hatrany ambany ny fitriaran' ny akanjony. Ahitsio
Fitriatra: (triatra) a.: Toetran' ny zavatra mitriatra na rovitra, tataka, mitsefaka. Ahitsio
Fitrifana: (trifana) a.: Toetran' ny olona na bibY mitrifana, izany hoe tsy mipetraka tsara fa mirifatra atsy mirifatra aroa; fihavatravatra; fihoalahoala. Ahitsio
Fitrifanana: (trifana) a.: TsY fipetrahana tsara fa mirifatra atsy mirifatra aroa; fihavatravarana; fihoalahoalana. Ahitsio
Fitrikatrika: na Fitrikitriky (trikatrika na trikitriky) a.: Toetran'ny olona mahia, izay mitrakitraky ny taolany. - Toetran'ny tany mikitoantoana. Ahitsio
Fitringatringa: (tringa) a.: Toetran'ny olona mitringatringa, izany hoe mandringa, mikotringa. Ahitsio
Fitringatringana: (tringa) a,: Fandringàna, fikotringàna. Ahitsio
Fitringitringiana: (tringitringy) a.: Fivohirana matsilotsilo. Ahitsio
Fitringitringy: (tringitringy) a.: Toetran'ny zavatra mitringitringy, izany hoe mivohitra matsilotsilo. Ahitsio
Fitrirana: (tritra) a.: Fitsefbrana, fiboànana, fangetorana. Ahitsio
Fitritratritra: (tritratritra) a.: Toetran'ny olonamitritratritra, izany hoe mipelipelika sy mitsambikimbikina manakotaba ny sasany. Ahitsio
Fitritratritrana: (tritratritra) a.: Fipelipelehana sy fitsambikimbikinana manakotaba ny sasany: Tsy tohako ny fitritratritran'it? zaza it9 fa roahy any io. Ahitsio
Fitritritritry: (tritry) a.: Fitrakitraky ny tritry na ny taolan-damosina. Ahitsio
Fitroahana: (troaka) a.: Fandrenesana maharary eo amin' ny takiba ka mahatonga ho tsy avy miaina, manevika. Ahitsio
Fitroaka: (troaka) a.: Fomba na toetran'ny olona mitroaka na manevika. Ahitsio
Fitroarana: (troatra) a.: Fialana tampoka amin'izay misy ny tena noho ny hatairana: Ohatra ny tselatra ny fitroaran-dRabe nahita ny zanany kely nilalao tery amorontevana. 1 Fahatairana bibY tampoka ka mahatonga azy handrifatra: Vaky tady Isambilo nahita ny fitroaran'ilay omby. 1 Hatezerana, fahatezerana: Tsy nahateny Rasoa noho ny fitroaran-dRakoto vadiny. Ahitsio
Fitroatra: (troatra) a.: Toetran' ny olona na biby mitroatra, izany hoe taitra tampoka ka miantsambotra na mandrifatra (bibY). Ahitsio
Fitrohana: (troka) a.: Fisintonana amin'ny orona na ny vava amin'ny alalan'ny rivotra: Ampianaro ny zandrin' ise fa tsy hainy ny fitrohana ny tsoka amin'ny taolana, Ahitsio
Fitroka: (troka) a.: Fomba en-tins mitroka, izany hoe misintona (zavatra) amin'ny orona na ny vava amin'nY alalan'ny rivotra. 1 p.t.: Azo trohina. Ahitsio
Fitrona: (trona) a.: Fomban' ny biby mitrona, izany hoe manao feo tsy faly toy ny manerona. Ahitsio