Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsinjarana: (tsinjara) a.: Fizarazarana ho tokony maromaro: Ny fitsinjarana ny asa hahouitana azy haingana. Ahitsio
Fitsinjo: (tsinjo) a.: Fomba entina mitsinjo na mitazana la-vitra, mikarakara. • P. t, : Azo tsinjovina. Ahitsio
Fitsinjovana: (tsinjo) a.: Fitazanana lavitra, fitazanana avy ambony: Avy eny an-tampon'Ankaratra no fitsinjouana tsara indrindra an'Antananarivo. ? Fitandremana, fiambenana: Nankinina tamin' Ikoto ny fitsinjovana ny vorona sao lasa, ? Fikarakarana lavitra:Adidinao ny fitsinjovana ny zandrinao. Ahitsio
Fitsinkafona: (tsinkafona) a.: Toetran'ny zavatra mitsinkafona, izany hoe mihevaheva eny ambony rano fa tsy milentika. Ahitsio
Fitsinkafonana: (tsinkafona)a.: Fihevahevana eny ambony rano tsy mety milentika: Ny mahatonga ny fitsinkafonana, dia noho ny tenan 'Ray zavatra maivana noho ny rano. ? Fitrangan-javatra nafenina ho hitan'ny be sy ny marc,: Menatra tsy te hijery olona izy noho ny ntstnnaronan'ny lainga be nataony. Ahitsio
Fitsinkasina: (tsinkasina) a,: Fomban'ny olona mitsinkasina, izany hoe mianjera mitsimbadimbadika. Ahitsio
Fitsinkasinana: (tsinkasina) a.: Fitsimbadimbadihana, fikodiadiavana: Miarena haingana fa mahamenatra ny fitainkasinana ao anaty vovoka toy izao. Ahitsio
Fitsintsina: (tsintsina) a.: Fomba entina mitsintsina, izany hoe mitondra zavatra amin' ny tanana an'ila fotsinY. 1 p.t.: Azo tsintsinina. Ahitsio
Fitsintsinana: (tsintsina) a.: Fitondrana zavatra arnin'ny ta-nana an'ila fotsiny. Ahitsio
Fitsintsindrana: (tsintsindrana) a.: Toetran'ny zavatra mitsintsindrana, izany hoe mihoatra na manivaka amin'ny namany iray laharana aminy, Ahitsio
Fitsintsindranana: (tsintsindrana) a.: Fihoarana na fanivahana amin'ny namany iray laharana aminy. - t.i.fana (tsioka)a.: Fifofofofoana, fitsofan'ny rivotra. Ahitsio
Fitsioka: (tsioka) a.: Toetran' ny rivotra mitsioka, izany hoe mitsoka, mifofofofo. Ahitsio
Fitsipaikona: (tsipaikona) a.: Toetran'ny olona mitsipaikona, izany hoe mandeha mikovilavila ary mitsoropadropaka. Ahitsio
Fitsipelaka: (tsipelaka) a.: Toetran'ny hazavana mihelatra vetivety; fomban'ny maso mitsipalotra. Ahitsio
Fitsipelohana: (tsipeloka) a.: Fisafelehan-teny mba hamelezana olona. Ahitsio
Fitsipeloka: (tsipeloka) a.: Toetra na fomban'ny olona mitsipeloka, izany hoe manao safeli-teny mba hamelezana. Ahitsio
Fitsipihana: (tsipiko)a.:Fanaingana ny tena, arahina fitsambikinana na fanidinana: Ohatra ny helatra ny fitsipihan' ilay valala. Ahitsio
Fitsipika: (tsipika) a.: Fitaovana enti-manipika: Fitsipika hazo no novidiko ho an-fanako. 1 Lalàna, didy, tsy maintsy arahina: Toy izao ny fitsipi-pifehezana eto amin'it9 sekoly it1'. 1 Filàmatra, ohatra: Azo atao fitsipika harahina mihitsy ny fitondran-tenany. Ahitsio
Fitsiraka: na Fitsiratsiraka (tsiraka) a,: Toetran'ny zavatra mitsiratsiraka, izany hoe hozatina, be vanditra. Ahitsio
Fitsirakaraka: Fitsirakorako (tsirakaraka, tsirakorako) a,: Toetran'ny volo mitsirakaraka, mitsirakorako, misafotofoto, misaritaka. Ahitsio