Fitsingedana | : | (taingedana) a.: Toetran'ny olona mitsingedana, izany hoe mandry mivalampatra, mitsotra toy ny amalo-maty.
Ahitsio |
Fitsingedanana | : | (tsingedana)a.:Fandriana mivalampatra, fitsorana toy ny amalo-maty; fitsorana mivalandotra.
Ahitsio |
Fitsingerenana | : | (tsingerina) a,: Fiherenan'ny andro anankiray isan-taona: Niantso ny namany Rakoto tamin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany.
Ahitsio |
Fitsingerina | : | (tsingerina) a.: Toetran'ny zavatra mitsingerina, izany hoe miverina ara-ka ny fihodinan'ny andro amin'ny taona.
Ahitsio |
Fitsingevenana | : | (tsingevina) a.: Fisaviliviliana, fikipilipilizana.
Ahitsio |
Fitsingevina | : | (tsingevina) a.: Toetran'ny zavatra mitsingevina, izany hoe mikivilivily, misavilivily, na mikiraviravy, mikirazorazo.
Ahitsio |
Fitsingilahila | : | (tsingilahila) a.: Toetran'ny zavatra mitsingilahila, izany hoe mirondrona na mivembena fa tsy marin-toerana tsara.
Ahitsio |
Fitsingilahilana | : | (tsingilahila) a.: Tsy fitoerana miarina tsara fa mihilana atsy mihilana aroa.
Ahitsio |
Fitsingina | : | (tsingina) a.: Fomba entina mitsingina, izany hoe mandray (zavatra) amin'ny loha rantsana.
Ahitsio |
Fitsinginana | : | (tsingina) a.: Fandraisana (zavatra) amin'ny loha rantsana: Nahasosotra ahy ny fitsinginany ilay taratasy nomeko azy, ohatra ny dia zavatra maloto • Fakana izay voafihina amin'ny loha rantsana, izany hoe zavatra pitiny kely.
Ahitsio |
Fitsingoana | : | (tsingoana) a. :Toetran'ny zavatra mitsingoana, izany hoe mirona na miraika izaitsizy ka ny ambany lasa ambony.
Ahitsio |
Fitsingolohana | : | (tsingoloka) a.: Firdnana ka ny loha no atao ambany; fitadiavana hanambaka, an-kafetsena; filàna vaniny amin'ny zavatra faran'izay madinika hamelezana olona.
Ahitsio |
Fitsingoloka | : | (tsingoloka) a.: Toetra na fomban'ny olona na zavatra mitsingoloka, izany hoe mirona ka ny loha no lasa ambany, na mitady hanambaka an-kafetsena, na mila vaniny amin'ny zavatra faran'izay madinika.
Ahitsio |
Fitsingozahoza | : | (tsingozahoza) a.: Toetran'ny olona mitsingozahoza, izany hoe reraka tsy afaka mandeha mijoro tsara.
Ahitsio |
Fitsingozahozana | : | (tsingozahoza) a.: Faharerahana tsy ahafahana mandeha miioro tsara; fihozangozanana; fangozohozoana.
Ahitsio |
Fitsininganingana | : | (tsininganingana) a,: Toetran'ny olona mitsininganingana, izany hoe mihindrahindra, mipelipelika, mihavatravatra, mihefikefika.
Ahitsio |
Fitsininganinganana | : | (tsininganingana) a.: Fipelipelehana, fihindrahindrana, fihavatravarana, fihefikefehana.
Ahitsio |
Fitsinjahana | : | (tsinjaka) a,: Fandihizana mitsambikimbikina; fihinjakinjahana.
Ahitsio |
Fitsinjaka | : | (tsinjaka) a.: Fomba entina mitsinjaka, izany hoe mandihy mitsambikimbikina.
Ahitsio |
Fitsinjara | : | (tsinjara)a.: Toetran' ny zavatra mitsinjara, izany hoe mizarazara ho tokony kely maromaro fa tsy ambongadiny.
Ahitsio |