Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fitsinainaina: (tsinainaina) a.: Filerana, fisesefan-kanina. Ahitsio
Fitsinaka: (tsinaka) a.: Toetran' ny kibo mitsinaka na mibontsina. Ahitsio
Fitsinanginangiana: (tsinanginangy) a.: Fahasahian-dratsy be loatra; fidaondaom-bava. Ahitsio
Fitsinanginangy: (tsinanginangy) a.: Toetran'ny olona mitsinanginangy, izany hoe sahy ratsy be loatra, na midaondaom-bava. Ahitsio
Fitsinanika: (tsinanika) a.: Fomba na toetran'olona mitsinanika, izany hoe mihinan-kanina tsy mahalala onony. Ahitsio
Fitsindrantsindrana: (tsindrantsindrana) a.: Fomba na toetran'ny olona mitsindrantsindrana, izany hoe mipelipelika tsy mahapetraka fa mankatsy mankeroa noho ny tsy fahamaotinana. Ahitsio
Fitsindrantsindranana: (tsindrantsindrana) a.: Fikorontànan'ny volo fa misy mitsangan tsan gan a na mitsingatotra. 1 Fipelipelehan'ny zazavavy tsy mahapetraka fa manketsy mankeroa noho ny tsy fahamaotinana. Ahitsio
Fitsindriana: (tsindry) a.: Toetran'ny zavatra voaporitra na voatery. Ahitsio
Fitsindroandroana: (tsindroandroana) a.: Toetran'ny zavamaniry izay maniry etsy sy eroa. Ahitsio
Fitsindroandroanana: (tsindroana) a.: Fanirian-javamaniry izay maniry etsy sy eroa. Ahitsio
Fitsindrohana: (tsindroka) a.: Fitsaingohan'ny vavam-borona voan-javatra amin'ny tany: Ny fitsindrohan'ny vorona ny voa amin'ny tany no ivelomany- ~ Fandraisana zava-pihinana latsaka amin'ny tany: Nifaninana tamin'ny fitsindrohana ny voankazo latsaka tamin'ny tany ny ankizy. Ahitsio
Fitsindroka: (tsindroka) a.: Fomba entina mitsindroka, izany hoe mitsaingoka voanjavatra amin'ny tany (vorona), na mandray zava-pihinana latsaka amin'ny tany. Ahitsio
Fitsindrona: (tsindrona) a.: Hazo marani-doha famporisihana ny biby hiasa. Ahitsio
Fitsingadina: (tsingadina) a.: Toetran'ny olona mitsingadina, izany hoe miaulera mikodiadia, mivarina. Ahitsio
Fitsingadinana: (tsingadina) a.: Fianjerana mikodiadia, fivarinana. ? Fahafatesana antoka. Ahitsio
Fitsingalahalana: (tsingala) a.: Fikofokofohana, fitrifantrifanana; fiovaovana, fivadibadihana. Ahitsio
Fitsinganga: (tsinganga) a.: Toetran'ny zavatra mitsinganga, izany hoe miainga ila: Maharatsy ny bikan'ny lohanao ny fitsingangan'ny volonao. Ahitsio
Fitsingangana: (tsinganga) a.: Fiaingan'ny ilan-javatra ixay. Ahitsio
Fitsingatorana: (tsingatotra) a.: Fahapotrahana manan-toetra manokana ka miainga ny ilany vao miaulera; fahalavoana mitsingadina mankany andamosina ny fidabony. Ahitsio
Fitsingatotra: (tsingatotra) a.: Toetran'ny zavatra na olona mitsingatotra, izany hoe potraka ka miainga ny ilany vao mianjera na lavo mitsingadina mankany an-damosina ny fidabony. Ahitsio