Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misangy: Misangisangy (sangy) mt. p. (misangia): Milalao a-min' olona, manao kivazivazy, mamosobosotra: Loza ity zaza ity raha hisangy ny namany. • Mihetraketraka, manorisory: Asaivo mitandrina Isambilo fa misangy foana ny zanako izy any ampianarana ka mita tsy ho ta-mana mihitsy ny zanako. ? Enti-milaza mpifankatia milalao mifanitikitika, mifanongotsongo, mifampikapokapoka...: Mahita ahy ise raha mbola hitako misangy an' i Soa ato avaratra. Ahitsio
Misantatra: (santatra) mt. P. (misantara): Manao namampiasa na mihinana zavatra (vary, voankazo...) vokatra voalohany: Ianao izao no hisantatra iny elo vao novidiko iny. / Omaly izahay no nisantatra ny vary vokatra tamin' ity tanna ity. Ahitsio
Misaoka: (saoka) mt. s.: (akanjo) Misy tapa-damba hanalalahana azy: Tsy akanjo misaoka veliuely ity, aoka ho fantatrao. Ahitsio
Misaona: (saona) mt. s. (misaonà): Mampiseho na mitondra mariky ny alahelo noho ny fahafatesan'ny havana: Mbola misaona ny nenitoany izy ka tsy mety mandihy. Ahitsio
Misaosao: (saosao) mt. s.: Tsy malamalama fa misy marokoroko na maraorao: Misaosao ny lamba jiafotsy. ? Mikasaoka: Misaosao ity pataloako ity rehefa mamindra a-ho. • Mihinana haingana tahaka ny tsy ho voky iny: A-za misaosao homa-menaka fa ho lamoka ihany no farany (ohab,). Ahitsio
Misaotra: (saotra) mt. P. (misaora): Mankasitraka noho ny soa nataon'ny hafa tamin'ny tena: Namonjy ahy tamin'ny loza izy ka nisaotra azy aho. 1 Mametraka tsy ho vady: Efa telo volana izay Rakoto no nisaotra an-dRasoa. Ahitsio
Misara: (sara) mt. s.: Andoavana sarany: Tsy misara ity lakana ity, tompoko, fa miakara amin'izao. Ahitsio
Misaraka: (saraka) mt. s.: Mihataka: Vonjeo simà fa mua hisaraka ireto vato roa amin' ny tamboho ireto. ? Tsy miray na mikambana intsony, miendaka: Nisaraka tamin' ny uadiny Ravao. 1 Mivaky roa: Tamin'ny taonjato faha-16 no nisaraka ny Protestà sy ny Katolika. - F.-p.: Misara-bazana: tsy miray hevitra fa mifampihataka samy maka ho azy. /Misara-keuitra, misara-tsaina: tsy mitovy hevitra sy fisainana. / Misara-maina, misarapotsiny, misara-poana: samy miala tsy misy na inona na inona vita. / Misaraka tsy misy maratra: ilazana ny fisarahana vita fifanarahana ka samy tsy misy voakasika na ny andaniny na ny ankilany. / Tsy hisara-mianakavy anie!: tsodrano na firariana fanaon' ny Malagasy ka irariany mba tsy hisaraka ny fianakaviana na maty na velona. / Misaranono: enti-milaza ny zaza mitsahatra tsy minono amindreniny intsony. / Misara-panambadiana: tsy mikambana amin'ny fanambadiana intsony fa samy olon-ko azy. ¶ M.h.: Mihataka, miendaka, misara-bazana, manangana entra, miala, mialanalana, mihalangalana, misintona, mibifona, misintaka, mikipaka, mftsoaka, miempaka, mielakelaka, mizara, mivaky. Ahitsio
Misarandra: (sarandra) mt, s.: Misalaka. Ahitsio
Misarangaranga: (sarangaranga) mt. s.: Marary (enti-milaza ny fahararian'ny vehivavy raha mihetsi-jàza hiteraka). Ahitsio
Misarangotra: (sarangotra) mt. s. (misarangota): Mamikitra mafy amin-javatra na olona noho ny tahotra hianjera na noho ny tsy fitiavana hisaraka aminy: Natahotra Ibalita kely ka nisarangotra tamindreniny. Ahitsio
Misarebaka: (sarebaka) mt. s. (misarebaha): Mirefarefa amin'ny tany: Misarebaka ny lambanao. • Mitafy lamba izay arefarefa amin'ny tany: Maika ho aiza ity ianao no misarebaka toy izao? Ahitsio
Misariaka: (sariaka) mt. s. (misariaha): Miseho falifaly amin'ny olona mitari-dresaka sy mitsikitsiky. Ahitsio
Misarika: (sarika) mt. s. (misariha): Misintona zavatra ohatra ny maka ny tsiratsiraky ny vatan'akondro. ? Misintona zavatra mba hivoaka na hanaraka ny tena, manintona, mitarika, mandroritra: Misarika olona amin'ny sandriny. ? h.o.: Mitondra... ho amin'ny: Ny hilazako izany dia mba hisarika ny sainareo amin'ny... Ahitsio
Misariko: (sariko) mt. p.: Manozona, manompa: Aza misariko olona tsy naninon-tsy naninona anao, Ahitsio
Misariraka: (sariraka) mt. s. na p.t.: Mifotofoto, misavorovoro toy ny kofehy, misaritaka. Ahitsio
Misaritaka: (saritaka) mt. s. (misaritaha): Mikorontana, tsy milamina: Aza fady fa misaritaka be ihany ity ny tranoko. ? Mifaningotsingotra tsy hita lany: Misaritaka ity tady ka aoka hotapahina fa mana-la. 'e Misafotofoto tsy mihogo na mirandrana (volo): Misaritaka ny uolonao fa hogoy kely. Ahitsio
Misarivy: (sarivy) mt. 's.: Mikarakara sy mandroso sakafo. • Manampy ny pretra amin' ny fanaovana lamesa (fiteny matetika kokoa amin'ity havitra faharoa ny hoe miserivy). Ahitsio
Misarona: (sarona) mt. s. (misardna): Manisy sarony: Nisaron-doha izy dia nivoaka ny trano, • Misy sarony: Vilany misarona toa hisy inona ihany. (ohab.) ¶ M.h.: Mirakotra, mibonoka, mifonoka, mikobona, misakobona, misalobona, mibofoka. Ahitsio
Misarongatra: (sarongatra) mt. s.: Mitroatra amim-pahatairana: Nisarongatra izy raha uao nahare izany teny fanaratsiana azy izany. Ahitsio