Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misampina: (sampina) mt. p.: Manipy ny ila lamba eo ambony soroka: Misampin-damba. /Misampin-kauia no tiandRamatoa io. Ahitsio
Misampotina: (sampotina) mt. s.: Misafotofoto misaritaka: Taratasy miaampotina, 1 Misangodingodina, mitambolimbolina: Oadray ity uouoka misampotina noho ny tadio nandalo teo iny! Ahitsio
Misampy: (sampy) mt s. (misampia na misampaza): Misavily eny am-bozona. 1 h. : Manaraka sampan-dalana. Ahitsio
Misanasana: (sanasana) mt. s. (misanasanà): (vava) Misokatra be ka tsy miafina ny ao anatiny fa miharihary daholo, mitanatana: Nisanasana ny uauan'ilay alika ka nandositra aho. Ahitsio
Misanda: (sanda) mt, s.: Entimilaza izay zavatra anomezana sanda amin'ny fifanakalozana. Ahitsio
Misandoka: (sandoka) mt. p. (misandoha): Milaza tena ho izao na izao: Nisandoka ho iraky ny manam-pahefana izy. ? Milaza tena, mihambo ho tompon-javatra iray, nefa tsy izy: Nisandoka ny antsasaky ny tanimbariko izy fa zanak'olona mpirahalahy, hono, izahay. Ahitsio
Misandrahaka: (sandrahaka) mt. s.: Mirantsandrantsana, misampantsampana: Tsy misandrahaka firy io hazo io. Ahitsio
Misandratra: (sandratra) mt. s. (misandrata): Miakatra, mianika amin'ny toerana avo, misondrotra, misavoana: Misandratra eny amin'ny habakabaka ny papangohazo. ? h.o.: Miakatra amin'ny kilasy na voninahitra na haja ambony: Nisandratra kosa tato ho ato ny mpilalao baolin'i Madagasikara. Ahitsio
Misanehaka: (sanehaka) mt. s.: Misefosefo sy sempotra, miehakehaka, tsy avymiaina: Nihazakazaka izy ha nisanehaka. Ahitsio
Misanèka: (sanaka) mt. s.: Misoka-bava mitanatana npho ny Btalanjonana: Nisanàka elabe teo ny adalalahy. Ahitsio
Misanga: (sanga) mt. s.: Manao sanga: Tsy endrehina an'Ibalita ny misanga. Ahitsio
Misangaingy: (sangaingy) mt. s.: Mifanongoa miavosa amin' ny toerana anankiray. 1 h.o.: Miambonimbony fatratra. Ahitsio
Misangazona: (sangazona) mt. s. (misangazona): Mifikitra a-min' izay voaray. Ahitsio
Misangeloka: (sangeloha) mt. s.: Manao fihetsika hafahafa, miangentsam-pihetsika, tsy manao ohatra ny olona rehetra. Ahitsio
Misangerina: (sangerina) mt. s. (misangerena): Mandalo dia miverina, mitamberina. Ahitsio
Misangisangy: : Jer. Misangy. Ahitsio
Misangodina: (sangodina) mt. s. (misangod (na) : Mihodinkodina eo an-toerana ihany: Hosoloako ity tandrimoko ity fa tsy misangodina tsars'. • Mivezivezy, mivoivoy: Misy touolahy iny misangodina lava ao atsinanan-trano ao. Ahitsio
Misangoeja: (sangoeja) mt. s.: Voan'ny sampona, voan'ny fahasahiranana izaitsizy. Ahitsio
Misangongo: (sangongo) mt. s.: Mivory betsaka eo amin'ny toerana iray, mivangongo, miavosa: Mahafsiravina ireto uitsika misangongo eto. Ahitsio
Misangotra: (sangotra) mt. s. (misangora): Mioty vary ka ny salohy masaka no tsongoina amin'ny tanana na tapahina amin'ny antsy. Ahitsio