Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misaika: (saika) nit s.: Misoka ao anaty rano: Nisaika tsy ampy telo minitra tao anaty rano ny siny dia feno. Ahitsio
Misaiky: (saiky) mt. p. (misai-ka): Manolo olona na zavatra: Rakoto no nisaiky anao tamin'ny ianao tsy tonga. Ahitsio
Misaina: (saina) mt. s.: Mampiasa ny saina, ny fahazoana mahazo: Raha mba olombelona misaina koa... 1 Mandinika, mieritreritra: Reuo misaintsaina ny amin'ny fanahy aho. Ahitsio
Misaingy: (saingy) mt. s. (misainge): Manaja, mitandrina, mikajy, mitandro: Olona misaingy ny voninahiny izy ka tsy hahavita izany. Ahitsio
Misaka: (saka) mt. p. (misakà): Maka, mihalotra (foza na orana) amin'ny tanana ao anaty lavany. 1 Mandray (lehilahy) amin'ny ankasarotany raha miady aminy. Ahitsio
Misakafo: (sakafo) mt. s. (misakafoa): Mihinana sakafo: A-min'ny firy ianareo no misakafo amin'ny hariva? Ahitsio
Misakaiza: (sakaiza) mt. s. (misakaizà): Mifankatia, tonga sakaiza: Aza misakaiza amin'iny ankizy iny ianao, fa tsy tsaratsara toetra izy iny. Ahitsio
Misakambina: (sakambina) mt. s. (misakambina): Miara-mamindra amin'ny olona iray, ka ny sandrin-tanana alefa hamihina azy avy any an-damosina eo amin'ny valahany. Ahitsio
Misakana: (sakana) mt. p. (misakàna): Manisy fefy, vala: Misakana ny filibana ny fivauahana. / Mandrara: Nisakana azy tsy hanao izany herisetra izany araka izay azoko natao aho. 1 Mampijanona: Misakana olona mandositra. / Nisakana fiarakodia aho fa tsy aisy nety nandray. 1 Manao izay tsy hahatanteraka: Ny lehiben'ny tanàna no nisakana izany zauatra tsy andrariny izany. / Tsy marne-la hivarotra (lova): Nisakana ny tanimbarinay etsy Andohatapenaka izy. Ahitsio
Misakantsakana: (sakantsakana) mt. p.: Manampontsampona: Misakantsakana ny asako koa ireny mpamangy ireny! Ahitsio
Misakelika: (sakelika) mt. p. (misakeleha): Mitondra (zavatra) ao ambany helika: 1-r? zazalahy misakelika boky irS,ue zanakao? Ahitsio
Misakobona: (sakobona) mt. p. (misakobdna): Mirakotra lamba tsy misy miseho ny tenany: Misakobona ao anaty bodofotsy ny ankizy rehefa ririnina. / Miafina ao anaty lamba: Ikoto io misakobona ao anaty lamba io. Ahitsio
Misakodina: (sakodina) mit. s. (misakod (na): Mivoivoy, mandeha atsp mandeha arj'. Ahitsio
Misakonoka: (sakonoka) mt. p. (misakonoha): Mitondra zavatra afenina ao anaty lamba. Ahitsio
Misalaka: (salaka) mt. s.: Manao salaka. Ahitsio
Misalasala: (salasala) mt. s. (misalasalà): Tsy tapa-kevitra amin'izay tokony hatao: Nisalasala tamin'izay tokony halehany izy, na ho any Antsahafiraisana na ho any Ankadindambo. ¶ M.h.: Miahanahana, miroahana, mihambahamba, miherohero, miahotrahotra, miambakavaka. 1 Tsy matoky fa marina: Misalasala amin'ny filazako angaha ianao? / Misalasala aho na ho avy izy na tsia. ¶ M,h.: Sanganehana, vaka, sadaika, sakodiavatra, haingihaingy, somaingisaingy, hangihangy, tsy tapa-kevitra, varakehaka, very fanahy, miroa saina, miroa hevitra, miroahana, miroanahana, mamokehana, mangezaheza, miakoriasa, mihambahamba, miambatrambatra, mihabahaba, mihazohazo, miahotrahotra, mihelohelo, miherohero. — Mampisalasala, mampiroaroa saina, manakà, manakalahy, manalasala, mahasadaika, atriatry, tsy main-tsy lena, vozon'akoho tanora, manao traingon'alika, basina ariary fito. Ahitsio
Misalazana: (salazana) mt. s.: Mitono amin'ny havitra misy rantsany. Ahitsio
Misalebolebo: (salebolebo) mt. s.: Ta handoa, misondrotsondrotra ny ambavafo. ¶ M.h.: Milebolebo, misalebona, misalembona, monamonaina, maloiloy, misalebileby, maivivy, masinaty, fenofeno, dimpoana,ta handoa, salosonina, solontsolonina, misondrotsondrotra ny ambavafo, mihoaka. Ahitsio
Misalebona: (salebona) mt s.: Ta handoa, misondrotsondrotra ny ambavafo. ¶ M.h.: Jer. Salebolebo. Ahitsio
Misalehotra: (salehotra) mt. s. (misalehora): Mai.maika foana; sahisahy; miselontselona amin'ny raharahan'ny sasany: Iza no nilaza taminy hoe misalehora amin'ny zavatra tsy mikasika azy! Ahitsio