Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misalelaka: (salelaka) p.t.: Mibalelaka sady marivo aty. Ahitsio
Misalesaka: (salesaka) mt, s.: Mitresaka eo amin'ny afovoany; misaraka roa: Mahagaga fa nisalesaka foana teo ilay volany. Ahitsio
Misaliadiaka: (saliadiaka) mt. s.: Maimay, mitaitay. Ahitsio
Misaliaka: (saliaka) p, t.: Tsy lalina aty, be vava. Ahitsio
Misalobona: (salobona) mt. s. (misalobôna): Misarona ao anaty lamba. Ahitsio
Misalondo: na Misalondona (salondo) mt. s. (misalonddna): Fano rahona, manjombona. 1 h.o.: Misaron-doha amin' ny lamba. Ahitsio
Misalotra: (salotra) mt. s. (misalora): Mitondra salotra: Hitako misalotra Rangahy iny rehefa mianjaika. 1 Mitafy ilany kely izay tsy mahasarona ny tena manontolo: Nisalotra tapa-damba kely misoratra teny am-bozony izy. 1 Manao akanjon'olona, indrindra raha akanjon'olona ambony voninahitra noho ny tena: Sahinao ve ny hisalotra ny akanjo-na lietnà nefa ianao uao kaporaly? Ahitsio
Misalovana: (salouana) mt. p. (misalouàna): Mipetraka na mandalo eo anoloan'ny o1ona iray: Aza misalouana olona fa tsy fahalalam-pomba izany. 1 Mitsatsaingoka miteny alohan'ny olona ka manapaka ny teniny: Tsy tokony hisalovana ny tenin'ny lehibe ny ankizy. / Mitsofoka ka mitsabaka amin'ny raharahan'ny sasany ka manelingelina azy: Aza misalovana amin'ny raharahako ianao fa ny anao atao tsara. * Ohab.: Bingo manao matso ka misalouana ny anjaran'ny sasany: enti-milaza ireo manembantsembana ny ataon' ny hafa. ¶ M.h.: Mitakatra, mitsabaka, miditra, misalehotra, manao bingo mahao matso. Ahitsio
Misaly: Misalisaly (saly) mt s.: Mihantona na apetraka eo ambony afo;mainina (hazandrano) eo ambony fatana. Ahitsio
Misamaka: (samaka) mt. s.: Vaky triatra, misaraka roa: Efa nisamaka ilay hazo ka mora notapahina. 1 Misahana raharaha maso: Nisamaka telo izy ka nalaky uizana. Ahitsio
Misambasamba: (sambasamba) mt. s. (misambasambà): Manao firarian-tsoa, tsodrano, saotra... Ahitsio
Misamboady: (samboady) mt. s. (misamboadia): Mitondra samboady. Ahitsio
Misamboaravoara: (samboarauoara) mt. s.: Mihetsika mahery ka mitambolimbolina, mitroatra izaitsizy, mitopatopa sy mivalombalona fatratra ka mitsamboamboatra: Nisamboarauoara aoka izany ny ranomasina androany, 1 h.o.: Mitroatran-katezerana, mihavatravatra: Nisamboaravoara tamin'ny mpianatra izy fa nisy nananihany azy tamin'izy ireo. Ahitsio
Misamboritra: (samboritra) mt. s. (misamborita): Misikina lamba: Ny uehivauy matanjaka tao an-tanàna dia nanampy ny lehilahy...; ny sasany kosa dia nirary ka nisamboritra, nihira nangataka an'Andriomanitra mba hiaro ny mpiadiny. (M. Rasam) 1 h.i.: Mitondra akanjo vorokitsay, tonta, maloto: Misamboritra uorodamba. Ahitsio
Misambotra: (sambotra) mt. p. (misambora): Manao izay hahazoana biby na vorona izay mandeha mafy, manidina, na mandositra; manenjika: Misambotra voangory ny ankizy rehefa hariva maizimbava vilany. / Maka na mandray olona nahavita heloka; mibeda: Tonga ny polisy dia nisambotra ilay olon•dratsy. 1 Mangataka vola na haninkohanina amin'olona, izay mbola haverina na hosoloana rehefa misy: Nisambotra ualopolo tamiko Rakoto fa hadinony tany an-trano, ho-no, ny poketrany. / Tonga teo Rasoa nisambo-bary fa rahariva, hono, hosoloany. - F.-p.: Misambo-boa tsy latsaka: maimaika hahazo zavatra tsy mbola azo antoka na teny enti-milaza fanamelohana ny hafa, na dia tsy mbola voazavany aza izay tiany hambara. ) Misamboteny: manao fanakianana avy hatrany amin'ny teny izay henony, ary dia iny no roritiny na tsy mbola reny aza ny teny rehetra mbola hambara aoriana. * Ohab.: Tsy misy misambo-balala ho an-janak'olona: enti-milaza fa samy mikarakara ny zanany sy ny ankohonany daholo fa tsy misy misasatra sy misahirana ho an'ny zanaky ny hafa akory. Ahitsio
Misamoina: Misamoimoina (samoina) mt. s.: Mamoaka feo mimonomonona, misamonimonina. Ahitsio
Misamonina: (samonina) mt. s.: Mimonomonona, mingonongonona, misamoina. Ahitsio
Misamontitra: (samontitra) mt. s.: Tezitra, misafoaka, vinitra izaitsizy, mitroatran'ny hatezerana: Nisamontitra ta-min 'ny mpianany nananihany azy Ramose. ¶ M.h.: Mifoaka, mitroatra, mifoaba. Ahitsio
Misamosy: (samosy) rat. s.: Zara raha mandroso, miadampandroso: Misamosy izany fandehan'ny raharahantsika izany. Ahitsio
Misampana: (sampana) mt. s.: Misy rantsana, mirantsana: Etsy alohaloha etsy dia misampana roa ny lalana ka ny hauia no mankany an-tsena. / Misahana: Misampana amin'ny raharaha maro izy ka sahirana. 1 Misalasala: Misampana ny saiko: na handeha na hijanona. Ahitsio