Fivendrivendry | : | (vendrivendry) a.: Toetra na fomban'ny olona mivendrivendry, izany hoe mitotototo ats? sy ar?.
Ahitsio |
Fiventesana | : | (venty) a.: Fitarihana (hira, fivavahana, rasa-ka...).
Ahitsio |
Fiventy | : | (venty) a.: Fomba entina miventy, izany hoe mitarika (hira, fivavahana...).
Ahitsio |
Fiverahana | : | (veraka) o.: Fahavakisan-javatra ixay ka mise-ho daholo ny ao anatiny.
Ahitsio |
Fiveraka | : | (veraka) a.: Toetran' ny zavatra miveraka, izany hoe mitresaka na vaky ka miseho daholo ny ao anatiny.
Ahitsio |
Fiveravera | : | (veravera) a.: Toetran'ny zavatra miveravera, izany hoe voatsikerakera, voavohavoha; toetran'ny olona miveravera, izany hoe mitavozavoza, tsy kinga.
Ahitsio |
Fiveraverana | : | (veravera) a.: Fivaroradrorahana, fitavozavozàna, fitahontahiinana: Oadray it9 fiveraueran'i Bozy! zavatra maivan-kely iny dia naveiany hianjera.
Ahitsio |
Fiverenana | : | (veriny) a,: Fodiana: Tsy mbola fantatra ny fiverenako fa hendre tsara ambara-pahatongako. ~ Fahatongavana indray amin'ny nialana: Mandalo tsy misy fiverenana intsony ny andro, ~ Fitsingerenana, fiherenana: Fiverenan'ny lohataona izao. ~ Andalan-tononkira izay averina isaky ny avy mih¢a ny andininy tsirairay: Mailamailaka kokoa ny fiuerenana noho ny andininy.
Ahitsio |
Fiverina | : | (verina) a.: Fomban' ny zavatra na olona miverina, izany hoe tonga indray amin'ny toerana nialana.
Ahitsio |
Fivesarana | : | (uesatra) a.: Toetran'ny olona mitondra zavatra be lanja: Tsy afa-mihazakazaka aho noho ny fivesaran'ny entana ao an-damosiko.
Ahitsio |
Fivesatra | : | (uesatra) a.: Fomba na toetran'ny olona mivesatra, izany hoe mitondra, milonjy: Fivesatry ny fahoriana.
Ahitsio |
Fivesohana | : | (vesoka) a.: Fitariàvana, fanaovana resaka tsisy farany mandany andro foana.
Ahitsio |
Fivesoka | : | (vesoka) a.: Fomban' ny olona mivesoka, izany hoe mitaria, manao resaka tslsy farany mandany andro foana.
Ahitsio |
Fivetrahana | : | (vetraka) a,: Fipetrahana amin'ny tany ka mitsotra tsara ny tongotra roa.
Ahitsio |
Fivetraka | : | (vetraka) a.: Toetran'ny olona mivetraka, izany hoe mipetraka amin'ny tany ka mitsotra tsara ny tongotra roa.
Ahitsio |
Fivetrehana | : | (vetrika) a.: Fivatsavatsàna, fibedibedèna tsisy farany.
Ahitsio |
Fivetrika | : | (vetrika) a.: Fomban' ny olona mivetrika, izany hoe mivatsavatsa, mibedibedy tsisy farany.
Ahitsio |
Fivetro | : | na Fivetrovetro (vetro, vetrovetro) a.: Toetran'ny nahandro mivetro, izany hoe ny anana no betsaka ao anatiny.
Ahitsio |
Fivezarana | : | (vezatra) a.: Firoritana mba hisokatra: Ataovy lehibe ny fivezaran'ny vavan'ny harona sao tsy omby an'ity vorontsiloza itý.
Ahitsio |
Fivezatra | : | (vezatra) a.: Toetran' ny zavatra mivezatra, izany hoe mirirotra mba hisokafan' ne vavany baba kokoa.
Ahitsio |