Sointsoina | : | p.t.: Fihatahana menamenatra sy mangaihay noho ny tena diso fanantenana na tsy noeritreretin'ny olona. - t.i.f. : Asointsoina, tafasointsoina / misofntsoina, fisointsoina, mpisointsoina / isointsoinana, fisointsoinana / mahasointsoina.
Ahitsio |
Soirina | : | (soitra) mt, ih, (soiro): Alaina na hetsehina amin' ny hazo na zavatra maranidoha: Nosoirin'ny ankizy tamin'ny hazo lava ny voankazo. • Totoin'ny omby amiri' ny tandrony: Nosoirin'ny omby iiay zaza. ? Ailika, savasavana: Soirina ny lavenona mba hirehetan'ny afo tsara.
Ahitsio |
Soitra | : | a.: Fanalana na fanesorana amin'ny hazo na zavatra marani-doha; fanotoan' ny omby amin'ny tandrony; fanilihana hihataka. - t.i.f.: Soirina, asoitra, voasoitra, tafasoitra / misoitra, fisoitra, mpisoitra / isoirana, fisoirana / mahasoitra / soitsoitra / manoitsoitra.
Ahitsio |
Soitrafo | : | na Siotrafo a.: Hazo kely lavalava fandrosoana sy famboarana ny kitay mba hirehetany tsara ao anaty fatana ary hanangonana ny vain' afo tsy hiparitaka. * Ohab.: May tsy mba ho-mana ohatra ny soitrafo: enti-milaza ireo mpanao soa tsy mba heverin'ny olona akory.
Ahitsio |
Soitsoitra | : | a.: Totom-boangahazo mains endasina.
Ahitsio |
Soka | : | a.: Fanatsobohana ao anaty rano, toy ny fandokoana ny lamba na fanofénana ny vy avy notefena. ? Ranondoko mainty, loko mainty: Lopotra tsara soka. - t.i.f.: Asoka, voasoka, tafasoka / manoka, fanoka, mpanoka / anokana, fanokana / manasoka, fanasoka, mpanasoka / anasokana, fanasokana / misoka, fisoka, mpisoka / isokana, fisokana / mahasoka.
Ahitsio |
Sokafana | : | (sokatra) mt. ih. (sokafy): Alana sarona: Sokafy ny vata hakako ny akanjoko, • Avala hitanatana (vava), hihiratra (maso), hivelatra (boky)...: Sokafana ny vava rehefa mihinana. ? Avala handehanana: Lalana vao nosokafana ity.
Ahitsio |
Sokaiky | : | Jer. Kokiky.
Ahitsio |
Sokajin-teny | : | a.: Teny ilazana ny karazan-teny fampiasa hanaovana fehezanteny. Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy: ny matoanteny (oh. miteny), ny anarana (ankizy), ny mpamaritra (fotsy), ny mpisolo (izy), ny mpanoritra (ilay), ny mpampiankin-teny (amy), ny mpampitohy fehezan-kevitra (rehefa), ny mpampitohy (ary), ny tenim-piontanana (indrisy), ny kian-teny (ve). Maro amin'ireo sokajin-teny ireo indray no mitsinjara ho karazany vitsivltsy.
Ahitsio |
Sokajy | : | (angl. squad) a.: Antokon andia-miaramila madinika izay misy miaramila dhny amby roapolo. ? h.i.: Fizarazaran'ny antoko na fikambanana iray: Misy sokajy efatra ao amin'ny Akademia MalagasY.
Ahitsio |
Sokaka | : | p.t.: (rafitra) Tsy miady tsara fa misokatra ny zorony. 1 h.i.: (olona kidaladala) Mitanatana vava raha mahita zavatra mahavariana azy. - t.i.f.: Asokaka, tafasokaka / misokaka, fisokaka, mpisokaka / sokakakaka.
Ahitsio |
Sokatra | : | a.: Karazam-biby man-dia tongotra efatra, iva tongotra, mifono ao anaty akora, izay mafy eo amin'ny faritra manarona ny lamosiny sy ny tendany, manify kosa eo amin'ny fanambaniny; manatody aleviny any anaty fasika ny sokatra; hanin'ny olona ny nofon'ny sokatra.
Ahitsio |
Sokatra | : | ft.: Fivohana; tsy fikombonana fa fitanatanana. i t.i.f.: Sokafana, asokatra, voasokatra, tafasokatra 1 manokatra, fanokatra, mpanokatra 1 anokafana, fanokafana 1 misokatra, fisokatra, mpisokatra / isokafana, fisokafana 1 mahasokatra I sokatsokatra.
Ahitsio |
Sokatrika | : | a.: Fipetraka tiana ho hita tsara eo anoloana; fiatrikatrehana raha mipetraka. - t.i.f.: Asokatrika, tafasokatrika 1 misokatrika, fisokatrika, mpisokatrika / isokatrehana, fisokatrehana I mahasokatrika 1 sokatrikatrika.
Ahitsio |
Sokay | : | (fr. chaux) a.: Karazambato malemy mora misa atsaraka, fotsifotsy, anaovana feta hatao fandalorana na handitiana ny vato arafitra.
Ahitsio |
Soke | : | (Ski) a.: Karazan'akorandriaka boribory, sahalahala amin'ny sokina mivonkina, izay fihinana ny nofony.
Ahitsio |
Sokera | : | (angl. square) a.: Fiasan'ny mpandrafitra sy ny mpanao sary, izay ahazoany sy anipihany ny efa-joro marina. 1 Fanodidinana toerana na tanàna. 1 Trano mibikana sokera, izany hoe misy tohiny mitsivalana. - t.i.f:: Sokeraina, asokera, voasokera 1 manasokera, fanasokera, mpanasokera 1 anasokerana, fanasokerana.
Ahitsio |
Sokeraina | : | (sokera) mt. ih. (sokerao): Hodidinina avy eo amin'ny lafiny roa na mihoatra: Nosokerain'ny fahavalo ny tanna ka tsy nisy afa-niiefa ny mponina.
Ahitsio |
Soketa | : | a.: Tsiny tsy ara-drariny; endrikendrika atao; adidy, fondro: Mahazo soketa eo ianao fa aleo miala. i t.f.f•: Soketaina, asoketa, voasoketa 1 m anasok eta 1 mahasoketa.
Ahitsio |
Soketaina | : | (soketa) mt. ih. (soketao): Tsinina, adidina, endrikendrehina tsy ara-drariny.
Ahitsio |