Agoago [admin] | : | a. (Jar. Hakohako). Ahitsio |
Agoagaga [admin] | : | a.: Zavamaniry ampiasaina ho fanafody fanalefahana sy fampitoniana ny hirifirin'aretina (Nymphéa lotus). Ahitsio |
Agioka [admin] | : | (gioka), mt. at. (agiohy): (feo) Atao izay haharenesana azy. Ahitsio |
Agigigigy [admin] | : | (gigigigy), mt. at. (agigigigio): Fatorana mafy tsy afa-mikopoka: Vao azo dia nagigigigy ilay mpangalatra rain-dahiny. Ahitsio |
Agidrogidro [admin] | : | (gidrogidro), mt. at. (ag id rog id ro y ) : Adridridridry. Ahitsio |
Agia [admin] | : | (gis), mt. fit. (agiazo): Entina mamihina mafy amin' ny rantsantanana. Ahitsio |
Agy [admin] | : | a.: Anaran-javamaniry malailay. Ahitsio |
Agenagena [admin] | : | (genagena), mt. fit. (agenagenao): Enti-milaza ny tanana izay itondrana (zavatra) amim-pikojakojana fatratra Ahitsio |
Ageja [admin] | : | (geja), mt, fit. (agejao): Entina mangeja, mandhina, mamia: Mafy izany tananao agejanao ny sandriko izany. Ahitsio |
Agehy [admin] | : | (gehy), mt. fit. (agehezo): Entina mangehy, mifehy mafy, manery: Ny tady agehy ny entana no tsy misy. Ahitsio |
Agedragedra [admin] | : | (gedragedra), mt. at.( agedragedrao): Atao migedragedra, migoragora, miborabora. Ahitsio |
Ageboka [admin] | : | (geboka), mt. at. (agebohy): Atelina atao telimoka, hanina: Nagebok'ilay ratsy iny ny oolako. 1 Lanina, rodarodaina: Nageboky ny zanany ny haren-drainy. Ahitsio |
Agarera [admin] | : | (garera), mt. at. (agarerao): Atao migarera, migoragora. Ahitsio |
Agareboka [admin] | : | (gareboka), mt. at, (agarebohy): Atelina. Ahitsio |
Agararo [admin] | : | (gararo), mt. at. (agararoy): Atao fialana: Ny aretina no nagararony tamin' izy uoampanga ho nangalatra. Ahitsio |
Agararàna [admin] | : | (gararana), mt. at. (agararàno): Atao migararana. mitsororôka, aidina tsy misy fiatoana. Ahitsio |
Agaona [admin] | : | (gaona), mt. at. (agaony): Adona, apaika. Ahitsio |
Agàna [admin] | : | (gana), mt. fit. (agano): Entina mikapoka, mandaroka. Ahitsio |
Agaika [admin] | : | (gaika), mt. fit. (agaiho): Entina mifehy, afehy, entina manery. Ahitsio |
Agadraka [admin] | : | (gadraka), mt. at. (agadraho): Atao mihararetra toa vaky na mitriatra (feo). Ahitsio |