Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanatafoaka: (tafoaka) a. : Fomba entina manatafoaka, mampihoatra ny fefy, mampamorivory. Ahitsio
Fanatahana: (tataka) a : Fandrovitana manaraka ny lavany; fanasiana loaka na banga na tatatra handehanan'ny rano. Ahitsio
Fanatailana: (tailana) a, : Fomba entina manatailana, mandidy misomaradimbana. • p. t. : Azo tailanina. Ahitsio
Fanatailanana: (tailana) a. : Fanaovana izay hahatonga tailana, vilana, somaradimbana. Ahitsio
Fanataka: (tataka) a. : Fomba entina manataka, mandrovitra manaraka ny lavany. *P. t. : Azo tatahana. Ahitsio
Fanatakibahana: (takibaka) a. : Fandoahana eny amin'ny takibany. Ahitsio
Fanatakibaka: (takibaka) a. : Fomba entina manatakibaka, mandoaka eo amin'ny takibany. Ahitsio
Fanatakibohana: (takiboka) a.: Fanidiana, fampihandronana. Ahitsio
Fanatakiboka: (takiboka) a. : Fomba entina manatakiboka, manidy, manery tsy mamela hivoaka, mampihandrona. Ahitsio
Fanatakikiana: (takiky) a, : Fampahalanian basana ,fambotriana. Ahitsio
Fanatakiky: (takiky) a, : Fomba entina manatakiky, mambotry, mampahalany harena. Ahitsio
Fanatakila: (takila) a : Fomba entina manatakila, manala ny antsasaky ny zavatra iraY. Ahitsio
Fanatakilana: (takila) a. : Fanalana ny antsasaky ny zavatra iray, famelana ny antsasany. Ahitsio
Fanatakitsohana: (tokitsoka)a.: Fandentehana sy fanizinana, fanatsobohana lalina. Ahitsio
Fanatakitsoka: (takitsoka) a. : Fomba entina manatakitsoka, manatsoboka lalin, mandentika sy manizina. Ahitsio
Fanatakizina: (takizino) a. : Fomba entina manatakizina, manao izay hahatakizina, izay hahafadiranovana. Ahitsio
Fanatakizinana: (takizina) o. : Fanaovana izay hahamaizina;fanaovan izay hahatonga fadiranovana. Ahitsio
Fanatakobahana: (tokobaka)a.: Fanetsiketsehana zavatra ao anaty rano, fanakobanana; fanetsiketsehana na fanaovana izay hampikobana ny rano ao anaty tavy na fitoerandrano hafa, fampikobanana. Ahitsio
Fanatakobaka: (takobaka) a. : Fomba entina manatakoba- ka, manetsiketsika zavatra ao anaty rano, manakobana. Ahitsio
Fanatakobohana: (takoboka) a. : Fametrahana ao anaty filanjana misy tafony na misarona; fanafenana anaty lamba. Ahitsio