Hendrena | : | (hendry) mt. ih. (hendreo): Tilina, tsikilovina, atao andry maso mba hahitana zavatra hamelezana a zy.
Ahitsio |
Hendrohendro | : | Jer. Fendrofendro.
Ahitsio |
Hendry | : | p. t.: Mahalala ny ataony, mahalala zavatra, kinga, mahita hevitra soa: Rakoto iza re no hanao kitoatoa amin'ny raharaha tahaka itony? Tovolahy hendry iny! • Mahay mitondra tena, mana raka ny tokony hatao, manam-panahy: Sambatra ny lehilahy manana vady han-dry. • Azo anarina, tsy ma ditra: Hendry daholo ny zanakao, Ranona • Voalanjalanja isara araka ny tokony ho izy: Manaova alahelo han-dry (DOX). - t.i.f.: Mampahendryjmaha hendry j hahendrena,fahendrena j hendrihendry. - F-p.: Hendry ka tsy manan-ko an-tenu: tenin'olona miavonavona izay nanarin' olona mahantra, hono, ka namaly hoe: hendry ve tsy hanan-ko an-tena; toy izany koa ny mpitovo nananatra ny manambady ka nahazo valiny hoe: raha hendry tsy manan-ko an-tena. J Manao fialan'oion-kendry: miala moramora manaja tena raha misy fifandrozanana. / Miana-kendry: olona kevokevoka sy dedaka ka na ny zavatra tsy tokony hataony aza dia ataony. J Ny hendry ihany no anarina: enti-milaza fa ny hendry ihany no mety hahazo izay fananarana atao aminy (fomba mandokadoka ny olona anarina koa io sa tria avy hatrany izy dia atao anisan'ny sokajin'ny hendry). J Ny voa tsy hendry, ny azony adala: iharan'ny fahasahiranana lehibe sy tampoka ka mipepipepy sy mitotototo daholo, na ny hendry na ny adala, manadino ny tokony hatao. J Olon-kendry: ilazana olona mendrika ara-toetra na amin'izay ataony noho ny fahaizany sy hatsaram-panahy ananany. J Raha tsy uoa tsy hendry: tratran'ny fahavoazana noho ny natao vao mandinika, ary tsy mamerina na manindroa intsony. J Tsy adala tsy hendry: enti-milaza toetra hafahafa, fa raha miteny toa mahalala rariny, nefa ny fiainana tsy araka izany, na ny fiainana tsara, fa ny fiteny tsy mendrika.
Ahitsio |
Hendry | : | ft.: Tily, tsikilo.
Ahitsio |
Henemana | : | (enina) p.mt.: Mandritra ny enina andro: Nifady hanina henemana izy ka reraka 1 a: Halavam-potoa na enina andro: Nony afaka henemana, lasa ireo iraka
Ahitsio |
Heni-kaja | : | feno voninahitra. / Manama haja: manolotra fankasitrahana, manotrona sy manao izay hahamendrika ny hafa eo amin' ny fotoana lehibe. j Mendrikaja: tsara fanahy, tsara toetra, ka antonona ny hatsarany ny voninahitra atolotra azy, f Olo-manan-kaja: enti-milaza ireo olona eo amin'ny toerana ambony. * Ohab.: Vidin-kaja, vidimboninahitra: raha amin'ny toerana ambony no misy ny tena, dia tokony hanana toetra sy fomba mifanentana amin'izany koa ny tena. ¶ M.h.: Voninahitra, baràka, hasina, zo, dera, laza, ilo mby an-doha, anarana. Vary haja: very hasina, latsaka ondana, afa-baraka, afa-borbka, afakaja, afa-boninahitra, afa-pofona, afa-bintana, maimbo tsikahonkahona, matin'ny vavam-bahoaka, maty volon' ny ratsy, mandraraka ilo mby an-doha.
Ahitsio |
Heniheny | : | a: Tany ihandronan' ny rano ka manjary honahona sy feno ahitra; tany lava volo tsy ialan-drano ka manjary fotaka mandrevo. - t.i.f: Mangeniheny, mangeningenina.
Ahitsio |
Henika | : | p.t.: Feno: Henika ny sompitra. • ho.: Heniky ny hafaliana ny fonay. • Vonto, tanteraka: Heniky ny sira ny laoka. • Safotra: Heniky ny rano ny tanimbary. i t.if.: Manenika, fanenika / mihenika j mahahenika.
Ahitsio |
Henikenehina | : | (henikenika) ma ih. (henikeneho): Ikofokofohana foana, tsy misy antony.
Ahitsio |
Henikenika | : | p. t.: Sahirana hatraiza hatraiza, mikofokofoka amin'ny tain on tain ona. i< t.i.f.: Henikenehina, ahenikenika 1 mihenikenika, fihenikenika, mpihenikenika I ihenikenehana, fihenikenehana.
Ahitsio |
Heningenina | : | a.: Jer. Heniheny.
Ahitsio |
Heninkenenina | : | (heninkenina) mt. ih, (heninkeneno): Amboarina, alamina, ampirimina.
Ahitsio |
Heninkenina | : | a: Raharaha madinika mahasahirana, ihodinkodinana eran'ny trano. - t.i.f: Voaheninkenina, tafaheninkenina I maneninkenina, faneninkenina, mpaneninkenina / aneninkenenana, faneninkenenana / miheninkenina, fiheninkenina, mpiheninkenina / iheninkenenana, fiheninkenenana / mahaheninkenina.
Ahitsio |
Henjana | : | p. t.: Miridiridy mafy tsy milefitra: Henjana ny hatoko. ? Mafy, sarotra tanterahina: Henjana izany teny izany. • Mahavizana: Henjana ity la/ana ity.
Ahitsio |
Henjanina | : | (henjana) mt.ih. (henjano): Atao henjana miridiridy mafy tsy milefitra: Henjano ny tady.
Ahitsio |
Henjihenjena | : | (henjihenjy) mt. ih. (henjihenjeo): Enjehina, korododosina.
Ahitsio |
Henjy | : | Henjihenjy a.: Fihazakazahana sy firioriovana ets? sy er?; fivezivezena amin'ny toerana maro; fandehanana etsy sy eroa tsy dia misy antony loatra; fitetezana lanonana sy koràna samihafa eny rehetra eny. t.i.f : Henjihenjena, ahenjihenjy, voahenjihenjy, tafahenjihenjy / mihenjy, mihenjihenjy, fihenjihenjy, mpihenjihenjy j ihenjihenjena, fihenjihenjena 1 mahahenjihenjy.
Ahitsio |
Heno | : | Jer. Haino.
Ahitsio |
Henoina | : | (haino) mt. ih. (henoy): Atao re, atongilana ny sofina mba handre: Henoy ny hiran'ny ankizy. •Ekena: Henoy ny fangatahanay, tompoko. - F.-p.: Henoy izany, ry hazondamosiko: enti-milazany hodi-tsokatra tsy mandre akory ny havandra miraraka eo an-damosiny, ka ny heviny dia tsy firaharahana izay any ivoho any, na fanehoana tsy firaikana amin'ny teny na anatra atao.
Ahitsio |
Hentana | : | a.: Fahavakiana mitsefatsefaka hita amin'ny tanimbary diso maina loatra: Vaky hentana 6 Li. f.: Mangentana.
Ahitsio |