Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Misaroro: (saroro) mt, p, (misaroroa): Manolikoly, manambitamby, manejokejo mba hamitahana: Tandremo fa mahay misaroro iny olona iny. • Manao izay hahafantarana, mangaroka: Efa ela no nisaroro ahy Rangahy iny, ¶ M,h,: Mangaroka, misafary ? Mamitaka amim-pahakmgana: Fetsy ratsy misaroro olona iny mpangalatra iny. Ahitsio
Misarotro: (sarotro) mt. s.: Mi-tondra na manao sarotro. Ahitsio
Misary: (sary) mt. s.: Manao tahaka ny, mody...: Misary adala reninareo, rankizy, miaraka amin'ireo tovovavy ireo. Ahitsio
Misary: (sary) mt. s.: Mitsirika, misafo. 1 Mitady toerana, mitady lalana hitsofohana, mitsapa. - F.-p.: Misary fandrika: ma-ka ny haza ao anatin'ny fandrika novelarina. / Misary vo-vo: maka ny hazandrano ao anatin'ny vovo. / Misary zoro: ilazana ny akoho hanatody izay mitady toerana hanatodizana, ary ilazana koa ny olona mijorojoro eny akaikin'ny vohitra na toerana misy zavatra tetehiny na kendrikendreny: Misy iny lehilahy manifinify iny misarisary zoro eto isan-hariva Ahitsio
Misasa: (sasa) mt. s. (misasà): Manadio tena amin'ny rano. Ahitsio
Misasaka: (sasaka) mt. s. (misasaha): Mitapaka roa mitovy: Tsy mbola misasaka akory ny volana dia lany sahady ny karamany. • Mahazo ny antsasany avy: Tandremo fa tsy misasaka isika amin'ireto voankazo ireto satria izaho no nandoa vola be kokoa tamin'ny nividianana azy. Ahitsio
Misasasasa: (sasasasa) p.t.: Miteraka na mamoaka feo toy ny feon'ny orana avy na ny an'ny rano mandeha haingana amin'ny fikorianany. Ahitsio
Misasatra: (sasatra) mt. s. (misasara): Miasa fatratra, manao vizana: Misasatra ho an' ny vady aman-janany ny raim-pianakaviana. Ahitsio
Misaso: (saso) mt. s. (misasoa): Misafosafo malefaka; manao teny hitsapana ny hevitry ny sasany. Ahitsio
Misasy: (sasy) mt. s. (misasia): Manisy sasiny (na fitenenana izany na boky na hira). • Manesoneso kely. • Mandahatra amim-pahakingana mba hisarika ny olona. Ahitsio
Misata: (sata) mt. s.: Manao zavatra amim-piavonavonana. Ahitsio
Misatasata: (satasata) mt, s.: Manao am-piavonavonana. Ahitsio
Misatrana: (satrana) mt, s.: Manao satrany, izany hoe sasiny amin'ny zavamaneno alohan' ny tena feon-kira iarahana. Ahitsio
Misatrasatra: (satrasatra) mt s,: Miaina misefosefo (fiteny indrindra amin'ny marary). Ahitsio
Misatrisatry: (satrisatry) mt. s,: Enti-milaza izay manao ara-ka ny danin'ny kibony, fatra-panao hoe "satriko... satriko". Ahitsio
Misatroka: (satroka) mt. s. (misatroha): Manao satroka. Ahitsio
Misatrotroka: (satrotroka) p.t.: (tarehy) Mibinabinaka sy mivindimbidina. Ahitsio
Misatry: (satry) mt. s.: Manao araka ny sitraky ny fo, ny danin'ny kibo. - F.-p.: Tsy misatry fanahy: tsy manao danin'ny kibo fa manao adidy amin-kerimpo. Ahitsio
Misava: (sava) mt, p, sy mt, s. (misavà): Mitady, mikaroka: Misaua ilay gadralaua nandositra ny polisy. ? Mijery, mitsirika, mizaha fatratra: Mi-salsa ny trano misy ankizy mararin'ny donika ny mpikarakara ny toe-pahasalamana. 1 Mijery izay tsy mana-na: Misy polisy misava karatra ao. • Manala izay manentsina, na manelingelina: lanao no aoka hisava lalana fa izaho hanaraka avy ato aorim na. • Manadihady, mamototra: Tia ny misaua ny fotojavatra izy rehefa mianatra. - F.-p.: Misava lalana: ilazana ireo olona alefa mialoha hanomana ny dia amin'ny hiavian'ny lehibe. / Misava ranonando: enti-milaza ny aloha indrindra amin'ny mpandeha ka mampihintsana ny ranonando, — na olona nalefa hidinika mialoha momba ny zavatra kasaina hatao. Ahitsio
Misavasava: (savasava) mt. P. (misabasauà): Manala na mampihataka izay manelingelina: Tsy maninona aho akory fa misavasaua ny raviny hahitana ny fotony. Ahitsio